Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: انفال   آیت:
۞ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّمَا غَنِمۡتُم مِّن شَيۡءٖ فَأَنَّ لِلَّهِ خُمُسَهُۥ وَلِلرَّسُولِ وَلِذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡيَتَٰمَىٰ وَٱلۡمَسَٰكِينِ وَٱبۡنِ ٱلسَّبِيلِ إِن كُنتُمۡ ءَامَنتُم بِٱللَّهِ وَمَآ أَنزَلۡنَا عَلَىٰ عَبۡدِنَا يَوۡمَ ٱلۡفُرۡقَانِ يَوۡمَ ٱلۡتَقَى ٱلۡجَمۡعَانِۗ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٌ
Ary fantaro fa izay fananana azonareo (tamin’ny ady) dia ho an’i Allah ny iray ampahadiminy sy ho an’ilay Iraka ary ho an’ireo havany akaiky, ho an’ireo kamboty, ho an’ireo mahantra, ho an’ireo mpandeha lavitra (sahirana), raha mino an’i Allah sy izay nampidininay tamin’ny Mpanomponay ianareo tamin’ny andron’ny fanavahana sy tamin’ny andro izay nifanenan’ny andian-tafika roa; ary Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
إِذۡ أَنتُم بِٱلۡعُدۡوَةِ ٱلدُّنۡيَا وَهُم بِٱلۡعُدۡوَةِ ٱلۡقُصۡوَىٰ وَٱلرَّكۡبُ أَسۡفَلَ مِنكُمۡۚ وَلَوۡ تَوَاعَدتُّمۡ لَٱخۡتَلَفۡتُمۡ فِي ٱلۡمِيعَٰدِ وَلَٰكِن لِّيَقۡضِيَ ٱللَّهُ أَمۡرٗا كَانَ مَفۡعُولٗا لِّيَهۡلِكَ مَنۡ هَلَكَ عَنۢ بَيِّنَةٖ وَيَحۡيَىٰ مَنۡ حَيَّ عَنۢ بَيِّنَةٖۗ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَسَمِيعٌ عَلِيمٌ
Raha tamin’ny fidinana ambany kokoa Ianareo, ary ireo (fahavalo) tery amin’ny ilany lavidavitra, fa ireo andiany mpitaingin-tsoavaly kosa tety ambanimbany kokoa noho Ianareo. Raha toa ka nifanome fotoana ianareo, tsy mba nifanaraka akory tamin’izany fotoana izany Ianareo (natahotra ny amaroan’ireo fahavalo), nefa kosa mba hanatanterahan’i Allah ny didy izay efa notapahany mba handringanany izay ho ringana araka ny porofo mazava, ary mba hamelomany izay ho velona. Ary marina fa Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
إِذۡ يُرِيكَهُمُ ٱللَّهُ فِي مَنَامِكَ قَلِيلٗاۖ وَلَوۡ أَرَىٰكَهُمۡ كَثِيرٗا لَّفَشِلۡتُمۡ وَلَتَنَٰزَعۡتُمۡ فِي ٱلۡأَمۡرِ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ سَلَّمَۚ إِنَّهُۥ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ
Raha tao anaty torimaso Ianao, dia nasehon’i Allah taminao fa vitsy an’isa izy ireo, satria raha ny hamaroany no nasehony dia nilefitra tanteraka Ianareo ary tena nifanditra Ianareo samy Ianareo momba izany, ka nefa i Allah no nanavotra Anareo. Izy dia tena Mahalala izay rehetra ao am-po.
عربي تفسیرونه:
وَإِذۡ يُرِيكُمُوهُمۡ إِذِ ٱلۡتَقَيۡتُمۡ فِيٓ أَعۡيُنِكُمۡ قَلِيلٗا وَيُقَلِّلُكُمۡ فِيٓ أَعۡيُنِهِمۡ لِيَقۡضِيَ ٱللَّهُ أَمۡرٗا كَانَ مَفۡعُولٗاۗ وَإِلَى ٱللَّهِ تُرۡجَعُ ٱلۡأُمُورُ
Ary nasandrany teo imasonareo fa vitsy an’isa izy ireo, rehefa nifanatrika Ianareo, ary nasehony teo imason’izy ireo ihany koa, fa vitsy an’isa Ianareo dia mba hanatanterahan’i Allah ny didy izay efa tapaka. Any amin’i Allah no hamerenana ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا لَقِيتُمۡ فِئَةٗ فَٱثۡبُتُواْ وَٱذۡكُرُواْ ٱللَّهَ كَثِيرٗا لَّعَلَّكُمۡ تُفۡلِحُونَ
Oh Ianareo izay nino, raha mifanatrika amin’ny andian-tafika (fahavalo) Ianareo, dia aoka ho vonon-kiatrika ianareo ary mahatsiarova Allah imbetsaka, angamba hahazo fahombiazana Ianareo.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: انفال
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول