Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: انفال   آیت:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّبِيُّ قُل لِّمَن فِيٓ أَيۡدِيكُم مِّنَ ٱلۡأَسۡرَىٰٓ إِن يَعۡلَمِ ٱللَّهُ فِي قُلُوبِكُمۡ خَيۡرٗا يُؤۡتِكُمۡ خَيۡرٗا مِّمَّآ أُخِذَ مِنكُمۡ وَيَغۡفِرۡ لَكُمۡۚ وَٱللَّهُ غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Oh ry Mpaminany, lazao amin’ireo babo eo am-pelatananareo : “ Raha fantatry Allah fa misy zavatra tsara ao am-ponareo, dia hanome Anareo tsara kokoa noho izay nalaina taminareo Izy sy hamela ny helokareo. Allah dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo.
عربي تفسیرونه:
وَإِن يُرِيدُواْ خِيَانَتَكَ فَقَدۡ خَانُواْ ٱللَّهَ مِن قَبۡلُ فَأَمۡكَنَ مِنۡهُمۡۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَكِيمٌ
Ary raha mila hamitaka Anao izy ireo, dia efa namitaka an’i Allah izy ireo tany aloha; nefa nahita fomba nandresena azy ireo Izy. Ary Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَهَاجَرُواْ وَجَٰهَدُواْ بِأَمۡوَٰلِهِمۡ وَأَنفُسِهِمۡ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَٱلَّذِينَ ءَاوَواْ وَّنَصَرُوٓاْ أُوْلَٰٓئِكَ بَعۡضُهُمۡ أَوۡلِيَآءُ بَعۡضٖۚ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَلَمۡ يُهَاجِرُواْ مَا لَكُم مِّن وَلَٰيَتِهِم مِّن شَيۡءٍ حَتَّىٰ يُهَاجِرُواْۚ وَإِنِ ٱسۡتَنصَرُوكُمۡ فِي ٱلدِّينِ فَعَلَيۡكُمُ ٱلنَّصۡرُ إِلَّا عَلَىٰ قَوۡمِۭ بَيۡنَكُمۡ وَبَيۡنَهُم مِّيثَٰقٞۗ وَٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٞ
Hamafisina, fa ireo mpino izay voatery nifindra-monina, ary nitolona tamin’ny fananany sy ny tenany tamin’ny làlan’Allah, ary ireo izay nanome fialofana sy fanampiana azy ireo, dia izy ireny no tena mpisakaiza ny andaniny sy ny ankilany. Fa ireo mpino nefa tsy nifindramonina kosa, dia tsy andraikitrareo ny fiarovana azy irenymandram-pifindrany. Fa raha mangataka vonjy aminareo noho ny finoana izy ireo, dia adidinareo tanteraka ny mamonjy azy, fa tsy amin’ny fanoherana ireo vahoaka nahavita fifanarahana taminareo. Ary Mahita tsara izay ataonareo Allah.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بَعۡضُهُمۡ أَوۡلِيَآءُ بَعۡضٍۚ إِلَّا تَفۡعَلُوهُ تَكُن فِتۡنَةٞ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَفَسَادٞ كَبِيرٞ
Fa ireo izay tsy nino kosa dia mpisakaiza ny andaniny sy ny ankilany, fa raha tsy mandray andraikitra amin’izany (amin’ny fanapahana ny fifandraisana amin’ny tsy mpino) izany Ianareo dia hisy fifandirana sy fanimbana lehibe eto ambonin’ny tany.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَهَاجَرُواْ وَجَٰهَدُواْ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَٱلَّذِينَ ءَاوَواْ وَّنَصَرُوٓاْ أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ حَقّٗاۚ لَّهُم مَّغۡفِرَةٞ وَرِزۡقٞ كَرِيمٞ
Ary ireo izay nino sy nifindra monina ary nanao Djihad (ary niady) tamin’ny làlan’i Allah, ary koa izay nampiantrano sy namonjy azy ireo. Izy ireny no tena mpino marina ka dia ho azy ireny ny famelan-keloka sy ny anjara omena am-pahalalana.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مِنۢ بَعۡدُ وَهَاجَرُواْ وَجَٰهَدُواْ مَعَكُمۡ فَأُوْلَٰٓئِكَ مِنكُمۡۚ وَأُوْلُواْ ٱلۡأَرۡحَامِ بَعۡضُهُمۡ أَوۡلَىٰ بِبَعۡضٖ فِي كِتَٰبِ ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمُۢ
Ary ireo izay nino taty aoriana ka nifindra monina sy nitolona niaraka Taminao, izy ireny dia anisan’ny namanareo, fa ireo izay manana rohim-pihavanana, dia mifanakaiky kokoa ny andaniny sy ny ankilany, araka ny Bokin’i Allah, ka dia tena marina fa i Allah dia mahalala sy mahafantatra ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: انفال
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول