Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: نوح   آیت:
يُرۡسِلِ ٱلسَّمَآءَ عَلَيۡكُم مِّدۡرَارٗا
Mba handefasany ranon'orana maro ho anareo avy eny amin'ny lanitra.
عربي تفسیرونه:
وَيُمۡدِدۡكُم بِأَمۡوَٰلٖ وَبَنِينَ وَيَجۡعَل لَّكُمۡ جَنَّٰتٖ وَيَجۡعَل لَّكُمۡ أَنۡهَٰرٗا
Sy hampitomboiny ny harena sy ireo taranaka ho anareo, ary hanomezany anareo zaridaina sy renirano.
عربي تفسیرونه:
مَّا لَكُمۡ لَا تَرۡجُونَ لِلَّهِ وَقَارٗا
Koa inona no tsy hanajanareo an'i tompo Allah araky ny tokony ho izy ?
عربي تفسیرونه:
وَقَدۡ خَلَقَكُمۡ أَطۡوَارًا
Ary anefa dia namboariny tamin'ny dingana isan'ambaratongany ianareo.
عربي تفسیرونه:
أَلَمۡ تَرَوۡاْ كَيۡفَ خَلَقَ ٱللَّهُ سَبۡعَ سَمَٰوَٰتٖ طِبَاقٗا
Tsy hitanareo va ny naharian'I Allah ny lanitra fito mifanaingina ?
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلَ ٱلۡقَمَرَ فِيهِنَّ نُورٗا وَجَعَلَ ٱلشَّمۡسَ سِرَاجٗا
Sy ny nanaovany ny volana ho hazavana, ary ny masoandro ho fanilo ?
عربي تفسیرونه:
وَٱللَّهُ أَنۢبَتَكُم مِّنَ ٱلۡأَرۡضِ نَبَاتٗا
Ary Allah no nampitombo anareo avy amin'ny tany tahaka ireo zava-maniry.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ يُعِيدُكُمۡ فِيهَا وَيُخۡرِجُكُمۡ إِخۡرَاجٗا
Avy eo dia averina ao ianareo ary havoakany avy ao indray.
عربي تفسیرونه:
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُمُ ٱلۡأَرۡضَ بِسَاطٗا
Fa i tompo Allah no nanao ny tany ho lamaka ho anareo.
عربي تفسیرونه:
لِّتَسۡلُكُواْ مِنۡهَا سُبُلٗا فِجَاجٗا
Mba hizoranareo amin'ny lalana malalaka.
عربي تفسیرونه:
قَالَ نُوحٞ رَّبِّ إِنَّهُمۡ عَصَوۡنِي وَٱتَّبَعُواْ مَن لَّمۡ يَزِدۡهُ مَالُهُۥ وَوَلَدُهُۥٓ إِلَّا خَسَارٗا
Hoy i Noa : "Tompo o ! Tsy nankato ahy izy ireo, fa nanaraka ilay nitombo fatiantoka nohon'ny fananany sy ireo zanany.
عربي تفسیرونه:
وَمَكَرُواْ مَكۡرٗا كُبَّارٗا
Ary nanomana tetika goavana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَقَالُواْ لَا تَذَرُنَّ ءَالِهَتَكُمۡ وَلَا تَذَرُنَّ وَدّٗا وَلَا سُوَاعٗا وَلَا يَغُوثَ وَيَعُوقَ وَنَسۡرٗا
Ary niteny izy ireo hoe : "Aza mandao ireo andriamanitrareo mihitsy ianareo, ary aza miala amin'ny sampy "wadd", "sowa'a", "yaghouth", "ya'ouq" ary "nasr" na oviana na oviana.
عربي تفسیرونه:
وَقَدۡ أَضَلُّواْ كَثِيرٗاۖ وَلَا تَزِدِ ٱلظَّٰلِمِينَ إِلَّا ضَلَٰلٗا
Ary efa nahavery olona maro izy ireo. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny fahaverezan'ireo mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
مِّمَّا خَطِيٓـَٰٔتِهِمۡ أُغۡرِقُواْ فَأُدۡخِلُواْ نَارٗا فَلَمۡ يَجِدُواْ لَهُم مِّن دُونِ ٱللَّهِ أَنصَارٗا
Rendrika izy ireo nohon'ny hadisoany, avy eo nampidirina tao anaty afo, ka tsy nahita mpamonjy ankoatran'i tompo Allah anefa izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ نُوحٞ رَّبِّ لَا تَذَرۡ عَلَى ٱلۡأَرۡضِ مِنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ دَيَّارًا
Ka hoy i Noa : "Tompo o ! Aza avelanao hisy olona tsy mpino na dia iray aza eto an-tany."
عربي تفسیرونه:
إِنَّكَ إِن تَذَرۡهُمۡ يُضِلُّواْ عِبَادَكَ وَلَا يَلِدُوٓاْ إِلَّا فَاجِرٗا كَفَّارٗا
Fa raha avelanao izy ireo dia hamery lalana ireo mpanomponao, ka tsy hiteraka afa-tsy ny mpanota no sady tsy mpino.
عربي تفسیرونه:
رَّبِّ ٱغۡفِرۡ لِي وَلِوَٰلِدَيَّ وَلِمَن دَخَلَ بَيۡتِيَ مُؤۡمِنٗا وَلِلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِۖ وَلَا تَزِدِ ٱلظَّٰلِمِينَ إِلَّا تَبَارَۢا
Tompo o ! Mamelà ny heloko sy ireo Ray aman-dReniko, ary izay mpino miditra ao an-tranoko, ary koa ireo lehilahy sy vehivavy mpino ; fa ny fahaverezana ihany no hampitomboy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny".
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: نوح
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول