Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: معارج   آیت:

Al-ma'àrij

سَأَلَ سَآئِلُۢ بِعَذَابٖ وَاقِعٖ
Nisy mpanontany iray nanontany ny famaizana hihatra.
عربي تفسیرونه:
لِّلۡكَٰفِرِينَ لَيۡسَ لَهُۥ دَافِعٞ
Amin’ireo tsy mpino, izay tsy azon’iza na iza ho toherina.
عربي تفسیرونه:
مِّنَ ٱللَّهِ ذِي ٱلۡمَعَارِجِ
Avy amin’I Allah, ilay Tompon’ny lalan’ny fiakarana.
عربي تفسیرونه:
تَعۡرُجُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَٱلرُّوحُ إِلَيۡهِ فِي يَوۡمٖ كَانَ مِقۡدَارُهُۥ خَمۡسِينَ أَلۡفَ سَنَةٖ
Miakatra any Aminy ireo Anjely sy ilay Fanahy, amin’ny andro iray izay mitovy faharetana amin’ny dimy alina taona.
عربي تفسیرونه:
فَٱصۡبِرۡ صَبۡرٗا جَمِيلًا
Koa manàna faharetana tsara.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُمۡ يَرَوۡنَهُۥ بَعِيدٗا
Lavitra no fahitan’izy ireo izany.
عربي تفسیرونه:
وَنَرَىٰهُ قَرِيبٗا
Ary kanefa tena akaiky ny fahitanay azy.
عربي تفسیرونه:
يَوۡمَ تَكُونُ ٱلسَّمَآءُ كَٱلۡمُهۡلِ
Andro izay hahatonga ny lanitra ho toy ny vy miempo.
عربي تفسیرونه:
وَتَكُونُ ٱلۡجِبَالُ كَٱلۡعِهۡنِ
Ary ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety.
عربي تفسیرونه:
وَلَا يَسۡـَٔلُ حَمِيمٌ حَمِيمٗا
Ary tsy hanontanian’ny namana mahatoky ny namany intsony.
عربي تفسیرونه:
يُبَصَّرُونَهُمۡۚ يَوَدُّ ٱلۡمُجۡرِمُ لَوۡ يَفۡتَدِي مِنۡ عَذَابِ يَوۡمِئِذِۭ بِبَنِيهِ
Na dia mifankahita aza izy ireo. Amin’io andro io dia te-hanakalo ny famaizana azy ireo amin’ny fanomezana ireo zanany ny mpanao ratsy.
عربي تفسیرونه:
وَصَٰحِبَتِهِۦ وَأَخِيهِ
Ary ny vadiny, sy ny rahalahiny.
عربي تفسیرونه:
وَفَصِيلَتِهِ ٱلَّتِي تُـٔۡوِيهِ
Eny, fa na dia ireo mpiara-monina taminy nampiantrano azy aza.
عربي تفسیرونه:
وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗا ثُمَّ يُنجِيهِ
Sy izay rehetra eto an-tany izay afaka hanavotra azy.
عربي تفسیرونه:
كَلَّآۖ إِنَّهَا لَظَىٰ
Saingy tsy hisy izany fa afo mamaivay.
عربي تفسیرونه:
نَزَّاعَةٗ لِّلشَّوَىٰ
No hanala an-keriny ny hodi-doha.
عربي تفسیرونه:
تَدۡعُواْ مَنۡ أَدۡبَرَ وَتَوَلَّىٰ
Antsoiny izay nanome lamosina sy nihataka.
عربي تفسیرونه:
وَجَمَعَ فَأَوۡعَىٰٓ
Ary nanangona sy nitahiry.
عربي تفسیرونه:
۞ إِنَّ ٱلۡإِنسَٰنَ خُلِقَ هَلُوعًا
Eny ! Nohariana tsy hahatombina ny olombelona.
عربي تفسیرونه:
إِذَا مَسَّهُ ٱلشَّرُّ جَزُوعٗا
Kivy izy rehefa niharan’ny loza.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَا مَسَّهُ ٱلۡخَيۡرُ مَنُوعًا
Ary rehefa nahazo fahasoavana kosa dia fatra-pandà.
عربي تفسیرونه:
إِلَّا ٱلۡمُصَلِّينَ
Afa-tsy ireo manatanteraka ny vavaka fanompoana.
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَاتِهِمۡ دَآئِمُونَ
Izay mandala mandrakariva izany (vavaka fanompoana).
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ فِيٓ أَمۡوَٰلِهِمۡ حَقّٞ مَّعۡلُومٞ
Ary manana adidy voafaritra tsara amin’ny fananany.
عربي تفسیرونه:
لِّلسَّآئِلِ وَٱلۡمَحۡرُومِ
Ho an’ny mpangataka sy ny tsy manana.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ يُصَدِّقُونَ بِيَوۡمِ ٱلدِّينِ
Ary mino tanteraka ny andro famaliana.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُم مِّنۡ عَذَابِ رَبِّهِم مُّشۡفِقُونَ
Sy izay matahotra fatratra ny famaizan’ny Tompon’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ عَذَابَ رَبِّهِمۡ غَيۡرُ مَأۡمُونٖ
Marina tokoa fa tsy misy manana fahatoniana manoloana ny famaizan'ny Tompony.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِفُرُوجِهِمۡ حَٰفِظُونَ
Ary ireo izay mitandrina amin'ny fahadiovam-pitondran-tenany.
عربي تفسیرونه:
إِلَّا عَلَىٰٓ أَزۡوَٰجِهِمۡ أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ فَإِنَّهُمۡ غَيۡرُ مَلُومِينَ
ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo.
عربي تفسیرونه:
فَمَنِ ٱبۡتَغَىٰ وَرَآءَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡعَادُونَ
Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِأَمَٰنَٰتِهِمۡ وَعَهۡدِهِمۡ رَٰعُونَ
Ary izay mitandrina ny fananana nankinina taminy sy manaja tanteraka ny fifanekena .
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُم بِشَهَٰدَٰتِهِمۡ قَآئِمُونَ
Ary mijoro ho vavolombelona amin'ny fahamarinana.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَاتِهِمۡ يُحَافِظُونَ
Sy izay mandala ny vavaka fanompoana ataony.
عربي تفسیرونه:
أُوْلَٰٓئِكَ فِي جَنَّٰتٖ مُّكۡرَمُونَ
Dia izy ireo no homem-boninahitra ao amin'ireo zaridaina.
عربي تفسیرونه:
فَمَالِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ قِبَلَكَ مُهۡطِعِينَ
Inona ary no mahazo ireo tsy mpino no mihazakazaka manantona anao, manalava tenda ?
عربي تفسیرونه:
عَنِ ٱلۡيَمِينِ وَعَنِ ٱلشِّمَالِ عِزِينَ
Tonga ny andiany avy an-kavanana sy an-kavia .
عربي تفسیرونه:
أَيَطۡمَعُ كُلُّ ٱمۡرِيٕٖ مِّنۡهُمۡ أَن يُدۡخَلَ جَنَّةَ نَعِيمٖ
Moa samy mitsiriritra ny ho ampidirina ao amin'ny zaridainan'ny fahasambarana va izy ireo ?
عربي تفسیرونه:
كَلَّآۖ إِنَّا خَلَقۡنَٰهُم مِّمَّا يَعۡلَمُونَ
Tsia ! Noharianay avy tamin'izay efa fantany izy ireo.
عربي تفسیرونه:
فَلَآ أُقۡسِمُ بِرَبِّ ٱلۡمَشَٰرِقِ وَٱلۡمَغَٰرِبِ إِنَّا لَقَٰدِرُونَ
Tsia !Mianiana amin'ny Tompon'ireo fiposahana sy ny filentehana Aho, fa Izahay dia manana fahefana.
عربي تفسیرونه:
عَلَىٰٓ أَن نُّبَدِّلَ خَيۡرٗا مِّنۡهُمۡ وَمَا نَحۡنُ بِمَسۡبُوقِينَ
Hanolo azy ireo amin'ny tsaratsara kokoa, ary tsy misy afaka hisakana anay amin'izany.
عربي تفسیرونه:
فَذَرۡهُمۡ يَخُوضُواْ وَيَلۡعَبُواْ حَتَّىٰ يُلَٰقُواْ يَوۡمَهُمُ ٱلَّذِي يُوعَدُونَ
Avelao ary izy ireo ho tafalatsaka lalina amin'ny tsy finoany sy ho variana mandra-pifanenany amin'ilay andro nampitandremana azy ireo.
عربي تفسیرونه:
يَوۡمَ يَخۡرُجُونَ مِنَ ٱلۡأَجۡدَاثِ سِرَاعٗا كَأَنَّهُمۡ إِلَىٰ نُصُبٖ يُوفِضُونَ
Andro izay hivoahan'izy ireo haingana ao am-pasana tahaky ny hihazakazaka ho eny amin'ny vatolahy.
عربي تفسیرونه:
خَٰشِعَةً أَبۡصَٰرُهُمۡ تَرۡهَقُهُمۡ ذِلَّةٞۚ ذَٰلِكَ ٱلۡيَوۡمُ ٱلَّذِي كَانُواْ يُوعَدُونَ
Ka hiondrika ny mason'izy ireo, hanarona azy ny fahafaham-baraka. Izany ilay andro nampitandremana azy ireo !
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: معارج
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول