Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: زخرف   آیت:
إِنَّ ٱلۡمُجۡرِمِينَ فِي عَذَابِ جَهَنَّمَ خَٰلِدُونَ
Fa ireo meloka kosa, dia hipetraka mandrakizay ao amin’ny famaizan’ny afobe,
عربي تفسیرونه:
لَا يُفَتَّرُ عَنۡهُمۡ وَهُمۡ فِيهِ مُبۡلِسُونَ
Izay tsy hitsahatra mandrakizay ho azy ireo, ka hahavery fanantenana azy.
عربي تفسیرونه:
وَمَا ظَلَمۡنَٰهُمۡ وَلَٰكِن كَانُواْ هُمُ ٱلظَّٰلِمِينَ
Tsy nanao ratsy tamin’izy ireo Izahay, fa izy ireo ihany no mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
وَنَادَوۡاْ يَٰمَٰلِكُ لِيَقۡضِ عَلَيۡنَا رَبُّكَۖ قَالَ إِنَّكُم مَّٰكِثُونَ
Ary dia hiantso izy ireo hoe: “Ry Malik (Anjely) ! Aoka hamono anay ho faty ny Tomponao! ” Ka hoy izy: “Raha ny marina dia natao hipetraka ao mandrakizay ianareo.”
عربي تفسیرونه:
لَقَدۡ جِئۡنَٰكُم بِٱلۡحَقِّ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَكُمۡ لِلۡحَقِّ كَٰرِهُونَ
Hamafisina, fa noentinay taminareo tokoa ny Fahamarinana; nefa nankahala izany ny ankamaroanareo.
عربي تفسیرونه:
أَمۡ أَبۡرَمُوٓاْ أَمۡرٗا فَإِنَّا مُبۡرِمُونَ
Moa nangala fanapahan-kevitra va izy samy izy ireo ? Fa Izahay no manapa-kevitra
عربي تفسیرونه:
أَمۡ يَحۡسَبُونَ أَنَّا لَا نَسۡمَعُ سِرَّهُمۡ وَنَجۡوَىٰهُمۚ بَلَىٰ وَرُسُلُنَا لَدَيۡهِمۡ يَكۡتُبُونَ
Sa mihevitra va izy ireo fa tsy henonay ny tsiambaratelony, na ny bitsik’izy ireo? Eny! Mandray an-tsoratra izany ireo (Anjely) Irakay akaiky azy ireo.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ إِن كَانَ لِلرَّحۡمَٰنِ وَلَدٞ فَأَنَا۠ أَوَّلُ ٱلۡعَٰبِدِينَ
Fa lazao hoe: “Raha nanan-janaka Ilay be Fiantrana, dia izaho no nanompo azy voalohany.”
عربي تفسیرونه:
سُبۡحَٰنَ رَبِّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ رَبِّ ٱلۡعَرۡشِ عَمَّا يَصِفُونَ
Voninahitra ho an’Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary Tompon’ny Seza Fiandrianana; Ambonin’izay foronin’izy ireo Izy.
عربي تفسیرونه:
فَذَرۡهُمۡ يَخُوضُواْ وَيَلۡعَبُواْ حَتَّىٰ يُلَٰقُواْ يَوۡمَهُمُ ٱلَّذِي يُوعَدُونَ
Avelao izy ireo hilona amin’ny fahadisoany, sy handany andro mandra-pahatongavana amin’ilay andro nampanantenaina azy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَهُوَ ٱلَّذِي فِي ٱلسَّمَآءِ إِلَٰهٞ وَفِي ٱلۡأَرۡضِ إِلَٰهٞۚ وَهُوَ ٱلۡحَكِيمُ ٱلۡعَلِيمُ
Izy no Ilay Andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay be Fahendrena, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.
عربي تفسیرونه:
وَتَبَارَكَ ٱلَّذِي لَهُۥ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا وَعِندَهُۥ عِلۡمُ ٱلسَّاعَةِ وَإِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Ho hamasinina anie Ilay Tompon’ny Fanjakan’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelan’izy ireo. Izy no manana ny fahalalana ny Ora. Fa any Aminy no hamerenana anareo.
عربي تفسیرونه:
وَلَا يَمۡلِكُ ٱلَّذِينَ يَدۡعُونَ مِن دُونِهِ ٱلشَّفَٰعَةَ إِلَّا مَن شَهِدَ بِٱلۡحَقِّ وَهُمۡ يَعۡلَمُونَ
Fa tsy manana fahefana hanelanelana izay antsoin’izy ireo ankoatra Azy, afa-tsy izay mijoro vavolombelona amim-pahamarinana amin’ny fahafantarana tanteraka.
عربي تفسیرونه:
وَلَئِن سَأَلۡتَهُم مَّنۡ خَلَقَهُمۡ لَيَقُولُنَّ ٱللَّهُۖ فَأَنَّىٰ يُؤۡفَكُونَ
Fa raha anontanianao izy ireo: “Iza no nahary azy ireo ?”, dia hiteny tokoa izy ireo hoe: “Allah.” Ka nahoana àry izy ireo no mihataka (amin’ny fanompoana Azy) ?
عربي تفسیرونه:
وَقِيلِهِۦ يَٰرَبِّ إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ قَوۡمٞ لَّا يُؤۡمِنُونَ
Ka hoy ny teniny (tenin’ny Mpaminany amin’Allah): “Tompo ô ! Olona tsy mino izy ireny.”
عربي تفسیرونه:
فَٱصۡفَحۡ عَنۡهُمۡ وَقُلۡ سَلَٰمٞۚ فَسَوۡفَ يَعۡلَمُونَ
Raha izany, mihataha amin’izy ireo ianao, ka lazao hoe: “Fandriampahalemana (salam)!”. Fa ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: زخرف
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول