Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: زخرف   آیت:
وَلِبُيُوتِهِمۡ أَبۡوَٰبٗا وَسُرُرًا عَلَيۡهَا يَتَّكِـُٔونَ
Misy varavarana maro sy seza lava hiankinan’ny tranon’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَزُخۡرُفٗاۚ وَإِن كُلُّ ذَٰلِكَ لَمَّا مَتَٰعُ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۚ وَٱلۡأٓخِرَةُ عِندَ رَبِّكَ لِلۡمُتَّقِينَ
Ary koa ravaka maro. Izany rehetra izany dia fahafinaretana mandalo eto amin’ny fiainana an-tany ihany, fa ny any ankoatra kosa, izay any amin’ny Tomponao, dia ho an’ireo vonto-mpinoana.
عربي تفسیرونه:
وَمَن يَعۡشُ عَن ذِكۡرِ ٱلرَّحۡمَٰنِ نُقَيِّضۡ لَهُۥ شَيۡطَٰنٗا فَهُوَ لَهُۥ قَرِينٞ
Ary izay minia tsy mahita ny fampahatsiarovan’Ilay be Fiantrana, dia hanendrenay devoly ho namana tsy misaraka aminy.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّهُمۡ لَيَصُدُّونَهُمۡ عَنِ ٱلسَّبِيلِ وَيَحۡسَبُونَ أَنَّهُم مُّهۡتَدُونَ
Mamily ny olombelona tsy ho amin’ny lalana mahitsy tokoa ny devoly, nefa dia mihevi-tena ho voatari-dalana tsara izy ireo.
عربي تفسیرونه:
حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءَنَا قَالَ يَٰلَيۡتَ بَيۡنِي وَبَيۡنَكَ بُعۡدَ ٱلۡمَشۡرِقَيۡنِ فَبِئۡسَ ٱلۡقَرِينُ
Rehefa ho avy eo Aminay izany olona izany, dia hiteny amin’ny devoliny izy hoe : “Indrisy ! Ahoana àry no tsy nisy elanelana tahaka ny elanelan’ny atsinanana sy andrefana teo amintsika !” Tena namana ratsy tokoa izany !
عربي تفسیرونه:
وَلَن يَنفَعَكُمُ ٱلۡيَوۡمَ إِذ ظَّلَمۡتُمۡ أَنَّكُمۡ فِي ٱلۡعَذَابِ مُشۡتَرِكُونَ
Tsy hahazoanareo tombotsoa mihitsy izy amin’izany andro izany ; raha nanao ny tsy rariny tokoa ianareo, dia hiara-voasazy.
عربي تفسیرونه:
أَفَأَنتَ تُسۡمِعُ ٱلصُّمَّ أَوۡ تَهۡدِي ٱلۡعُمۡيَ وَمَن كَانَ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ
Moa va, ianao no mampandre ny marenina na mitarika ny jamba, sy izay efa very lalana miharihary ?
عربي تفسیرونه:
فَإِمَّا نَذۡهَبَنَّ بِكَ فَإِنَّا مِنۡهُم مُّنتَقِمُونَ
Na alainay ianao, dia hanasazy azy ireo Izahay.
عربي تفسیرونه:
أَوۡ نُرِيَنَّكَ ٱلَّذِي وَعَدۡنَٰهُمۡ فَإِنَّا عَلَيۡهِم مُّقۡتَدِرُونَ
Na hasehonay aminao izay nampanantenainay azy ireo; satria manana fahefana amin’izy ireo Izahay.
عربي تفسیرونه:
فَٱسۡتَمۡسِكۡ بِٱلَّذِيٓ أُوحِيَ إِلَيۡكَۖ إِنَّكَ عَلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Fikiro mafy izay nambara taminao, fa amin’ny lalana mahitsy ianao.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّهُۥ لَذِكۡرٞ لَّكَ وَلِقَوۡمِكَۖ وَسَوۡفَ تُسۡـَٔلُونَ
Tena fampahatsiarovana ho anao sy ny vahoakanao izany. Ary hanontaniana mikasika izany ianareo.
عربي تفسیرونه:
وَسۡـَٔلۡ مَنۡ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ مِن رُّسُلِنَآ أَجَعَلۡنَا مِن دُونِ ٱلرَّحۡمَٰنِ ءَالِهَةٗ يُعۡبَدُونَ
Dia anontanio ireo Iraka nalefanay talohanao, raha nametraka Andriamanitra maro ho tompoina ankoatra an'Ilay be Fiantrana Izahay ?
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا مُوسَىٰ بِـَٔايَٰتِنَآ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِۦ فَقَالَ إِنِّي رَسُولُ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Nalefanay ny Iraka tamin’ny fahagagana avy Aminay tokoa I Mossa, ho any amin’ny Faraona sy ireo loholony. Hoy izy : “Izaho dia Iraky ny Tompon’izao tontolo izao.”
عربي تفسیرونه:
فَلَمَّا جَآءَهُم بِـَٔايَٰتِنَآ إِذَا هُم مِّنۡهَا يَضۡحَكُونَ
Fa rehefa tonga teo amin’izy ireo niaraka tamin’ny fahagagana avy Aminay izy, dia nihomehezan’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: زخرف
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول