Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: غافر   آیت:
وَقَالَ فِرۡعَوۡنُ ذَرُونِيٓ أَقۡتُلۡ مُوسَىٰ وَلۡيَدۡعُ رَبَّهُۥٓۖ إِنِّيٓ أَخَافُ أَن يُبَدِّلَ دِينَكُمۡ أَوۡ أَن يُظۡهِرَ فِي ٱلۡأَرۡضِ ٱلۡفَسَادَ
Hoy i Faraona hoe : “Avelaonareo aho hamono an’i Mosesy. Ary aoka izy hiantso ny Tompony! Matahotra aho, sao hamadika ny finoanareo, na hanaparitaka asa fanimbana eto an-tany izy".
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ مُوسَىٰٓ إِنِّي عُذۡتُ بِرَبِّي وَرَبِّكُم مِّن كُلِّ مُتَكَبِّرٖ لَّا يُؤۡمِنُ بِيَوۡمِ ٱلۡحِسَابِ
Fa hoy i Mosesy hoe : “ Mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba hanoherana ireo mpirehareha rehetra izay tsy mino ny andro fitsarana”.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ رَجُلٞ مُّؤۡمِنٞ مِّنۡ ءَالِ فِرۡعَوۡنَ يَكۡتُمُ إِيمَٰنَهُۥٓ أَتَقۡتُلُونَ رَجُلًا أَن يَقُولَ رَبِّيَ ٱللَّهُ وَقَدۡ جَآءَكُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ مِن رَّبِّكُمۡۖ وَإِن يَكُ كَٰذِبٗا فَعَلَيۡهِ كَذِبُهُۥۖ وَإِن يَكُ صَادِقٗا يُصِبۡكُم بَعۡضُ ٱلَّذِي يَعِدُكُمۡۖ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَهۡدِي مَنۡ هُوَ مُسۡرِفٞ كَذَّابٞ
Fa hoy ny lehilahy mpino iray avy amin’ny fianakavian’i Faraona, izay nanafina ny finoany nilaza hoe: “ hamono olona ve ianareo, satria izy nilaza hoe: Allah no Tompoko ? Kanefa dia tonga teo aminareo niaraka amin’ny porofo mazava izy, avy any amin’ny Tomponareo. Raha mpandainga izy, dia ho azy ny laingany, fa raha nilaza ny marina kosa izy, dia hihatra aminareo ny ampahany amin’izay nampitandremany anareo ”. Hamafisina, fa tsy mitari-dalana izay mihoam-pefy sy fatra mpandainga I Allah.
عربي تفسیرونه:
يَٰقَوۡمِ لَكُمُ ٱلۡمُلۡكُ ٱلۡيَوۡمَ ظَٰهِرِينَ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَمَن يَنصُرُنَا مِنۢ بَأۡسِ ٱللَّهِ إِن جَآءَنَاۚ قَالَ فِرۡعَوۡنُ مَآ أُرِيكُمۡ إِلَّا مَآ أَرَىٰ وَمَآ أَهۡدِيكُمۡ إِلَّا سَبِيلَ ٱلرَّشَادِ
Ô ry vahoakako! Ho anareo ny fanjakana androany, fa ho mpandresy eto an-tany ianareo. Nefa, iza no hanavotra antsika amin’ny hatezeran’I Allah raha tonga amintsika izany? Dia hoy i Faraona hoe: “Tsy manoro anareo afa-tsy izay heveriko ho tsara aho, ary tsy mitari-dalana anareo aho raha tsy amin’ny lalana mahitsy”.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ ٱلَّذِيٓ ءَامَنَ يَٰقَوۡمِ إِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُم مِّثۡلَ يَوۡمِ ٱلۡأَحۡزَابِ
Ary hoy ilay mpino hoe : “ Ô ry vahoakako, hatahorako aminareo ilay andro iray mitovy amin’ny an’ireo antokon’olona nitambatra",
عربي تفسیرونه:
مِثۡلَ دَأۡبِ قَوۡمِ نُوحٖ وَعَادٖ وَثَمُودَ وَٱلَّذِينَ مِنۢ بَعۡدِهِمۡۚ وَمَا ٱللَّهُ يُرِيدُ ظُلۡمٗا لِّلۡعِبَادِ
Anjara mitovy amin’ny an’ireo vahoakan’i Noa (Nouh), ireo Ády, ireo Thamody, ary ireo niaina taorian’izy ireo. Fa tsy te-hampihatra ny tsy rariny amin’ireo mpanompony velively i Allah.
عربي تفسیرونه:
وَيَٰقَوۡمِ إِنِّيٓ أَخَافُ عَلَيۡكُمۡ يَوۡمَ ٱلتَّنَادِ
Ô ry vahoakako, hatahorako aminareo ny andro hifampiantsoanareo vonjy,
عربي تفسیرونه:
يَوۡمَ تُوَلُّونَ مُدۡبِرِينَ مَا لَكُم مِّنَ ٱللَّهِ مِنۡ عَاصِمٖۗ وَمَن يُضۡلِلِ ٱللَّهُ فَمَا لَهُۥ مِنۡ هَادٖ
Amin’ny andro izay handosiranareo, ka tsy hanananareo mpiaro eo anatrehan’I Allah. Ary izay noverezin’I Allah lalana, dia tsy hanana mpitari-dalana velively.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: غافر
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول