Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: فصلت   آیت:

Fosswilat

حمٓ
Hà, Mîm.
عربي تفسیرونه:
تَنزِيلٞ مِّنَ ٱلرَّحۡمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
Fanambarana nidina avy tamin’Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo.
عربي تفسیرونه:
كِتَٰبٞ فُصِّلَتۡ ءَايَٰتُهُۥ قُرۡءَانًا عَرَبِيّٗا لِّقَوۡمٖ يَعۡلَمُونَ
Boky misy andininy izay voalaza amin’ny antsipirihany, Koroany amin’ny fiteny arabo, ho an’ireo vahoaka mahafantatra izany,
عربي تفسیرونه:
بَشِيرٗا وَنَذِيرٗا فَأَعۡرَضَ أَكۡثَرُهُمۡ فَهُمۡ لَا يَسۡمَعُونَ
Mpilaza vaovao mahafaly sy mpampitandrina. Nefa ny ankamaroan’izy ireo, dia nihataka izany, ka tsy mandre izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَقَالُواْ قُلُوبُنَا فِيٓ أَكِنَّةٖ مِّمَّا تَدۡعُونَآ إِلَيۡهِ وَفِيٓ ءَاذَانِنَا وَقۡرٞ وَمِنۢ بَيۡنِنَا وَبَيۡنِكَ حِجَابٞ فَٱعۡمَلۡ إِنَّنَا عَٰمِلُونَ
Ary hoy izy ireo hoe : “ takona amin’izay hiantsoanao anay ny fonay, ary marenina ny sofinay. Misy sakana manelanelana anay sy ianao. Ka ataovy àry izay ataonao, fa izahay kosa dia hanao izay ataonay.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ إِنَّمَآ أَنَا۠ بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡ يُوحَىٰٓ إِلَيَّ أَنَّمَآ إِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞ فَٱسۡتَقِيمُوٓاْ إِلَيۡهِ وَٱسۡتَغۡفِرُوهُۗ وَوَيۡلٞ لِّلۡمُشۡرِكِينَ
Lazao hoe: “tsy inona izaho, fa olombelona tahaka anareo ihany. Nambara tamiko, fa tokana ny Zanaharinareo. Koa tadiavo ny lalana mahitsy mankany Aminy, ary mangataha famelan-keloka Aminy ianareo”. Fa loza ho an’izay mampikambana Azy amin’ny hafa,
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡتُونَ ٱلزَّكَوٰةَ وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ كَٰفِرُونَ
Izay tsy manome ny harena fiantrana, ary tsy mino ny fiainana any ankoatra.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُمۡ أَجۡرٌ غَيۡرُ مَمۡنُونٖ
Hamafisina, fa ireo izay mino sy manatanteraka ny asa soa kosa, dia ho azy ireo ny valisoa tsy hanana fahataperana.
عربي تفسیرونه:
۞ قُلۡ أَئِنَّكُمۡ لَتَكۡفُرُونَ بِٱلَّذِي خَلَقَ ٱلۡأَرۡضَ فِي يَوۡمَيۡنِ وَتَجۡعَلُونَ لَهُۥٓ أَندَادٗاۚ ذَٰلِكَ رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Lazao hoe : “ Ho lavinareo ve Ilay nahary ny tany tao anatin’ny roa andro, ka hampitovianareo amin’ny hafa ve Izy ? Izany no Ilay Tompon’izao Tontolo izao,
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلَ فِيهَا رَوَٰسِيَ مِن فَوۡقِهَا وَبَٰرَكَ فِيهَا وَقَدَّرَ فِيهَآ أَقۡوَٰتَهَا فِيٓ أَرۡبَعَةِ أَيَّامٖ سَوَآءٗ لِّلسَّآئِلِينَ
Ary Izy no nampitoetra ireo tendrombohitra eo amboniny (tany), sy nitsodrano azy, ka nametraka vokatra ara-tsakafo nandritra ny efatra andro katroka, mamaly ny filan’ireo rehetra izay mangataka.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ ٱسۡتَوَىٰٓ إِلَى ٱلسَّمَآءِ وَهِيَ دُخَانٞ فَقَالَ لَهَا وَلِلۡأَرۡضِ ٱئۡتِيَا طَوۡعًا أَوۡ كَرۡهٗا قَالَتَآ أَتَيۡنَا طَآئِعِينَ
Avy eo dia niroso tamin’ny fihariana ny lanitra Izy izay mbola setroka fotsiny tamin’izany, ka niteny taminy sy tamin’ny tany hoe : “ Avia avokoa ianareo roa, na tianareo, na tsy tianareo!”. Dia samy niteny izy roa hoe: “Tonga amim-panekena izahay ”.
عربي تفسیرونه:
فَقَضَىٰهُنَّ سَبۡعَ سَمَٰوَاتٖ فِي يَوۡمَيۡنِ وَأَوۡحَىٰ فِي كُلِّ سَمَآءٍ أَمۡرَهَاۚ وَزَيَّنَّا ٱلسَّمَآءَ ٱلدُّنۡيَا بِمَصَٰبِيحَ وَحِفۡظٗاۚ ذَٰلِكَ تَقۡدِيرُ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡعَلِيمِ
Ka nanapa-kevitra Izy, fa hanamboatra lanitra fito ao anatin’ny roa andro, sady nanambara ny anjara asan’ny lanitra tsirairay avy. Ary noravahinay jiro maro ny lanitra izay akaiky indrindra, ary narovanay. Izany no rafitra napetrak’Ilay Tsitoha, Ilay mahalala ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
فَإِنۡ أَعۡرَضُواْ فَقُلۡ أَنذَرۡتُكُمۡ صَٰعِقَةٗ مِّثۡلَ صَٰعِقَةِ عَادٖ وَثَمُودَ
Fa raha tsy miraharaha izany izy ireo, dia teneno hoe : “ Mampitandrina anareo aho amin’ny varatra mitovy amin’izay nahavoa ireo Ády sy ireo Tamody ”.
عربي تفسیرونه:
إِذۡ جَآءَتۡهُمُ ٱلرُّسُلُ مِنۢ بَيۡنِ أَيۡدِيهِمۡ وَمِنۡ خَلۡفِهِمۡ أَلَّا تَعۡبُدُوٓاْ إِلَّا ٱللَّهَۖ قَالُواْ لَوۡ شَآءَ رَبُّنَا لَأَنزَلَ مَلَٰٓئِكَةٗ فَإِنَّا بِمَآ أُرۡسِلۡتُم بِهِۦ كَٰفِرُونَ
Rehefa tonga tamin’izy ireo ny Iraka, teo alohany sy taoriany, izay niteny hoe : “Aza manompo afa-tsy I Allah ihany ianareo”. Dia hoy izy ireo hoe: “Raha sitrakin'ny Tomponay, dia hamafisina, fa ireo Anjely mihitsy no nampidininy. Noho izany dia tsy mino izay nanirahana anareo Izahay”.
عربي تفسیرونه:
فَأَمَّا عَادٞ فَٱسۡتَكۡبَرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ بِغَيۡرِ ٱلۡحَقِّ وَقَالُواْ مَنۡ أَشَدُّ مِنَّا قُوَّةًۖ أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّ ٱللَّهَ ٱلَّذِي خَلَقَهُمۡ هُوَ أَشَدُّ مِنۡهُمۡ قُوَّةٗۖ وَكَانُواْ بِـَٔايَٰتِنَا يَجۡحَدُونَ
Ka ireo Ády, dia nirehareha tamin’ny tsy rariny teto an-tany, ary niteny izy ireo hoe: “Iza no matanjaka indrindra mihoatra anay?”. Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa raha ny marina dia matanjaka lavitra noho izy ireo I Allah, Ilay nahary azy ireo? Fa nolavin’izy ireo ny famantarana avy Aminay.
عربي تفسیرونه:
فَأَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمۡ رِيحٗا صَرۡصَرٗا فِيٓ أَيَّامٖ نَّحِسَاتٖ لِّنُذِيقَهُمۡ عَذَابَ ٱلۡخِزۡيِ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۖ وَلَعَذَابُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَخۡزَىٰۖ وَهُمۡ لَا يُنصَرُونَ
Ary nalefanay tamin’izy ireo ny rivo-mahery sy mamirifiry, izay nisafotofoto tamin’izy ireo nandritra ny andro ratsy, mba hampanandramanay azy ireo ny famaizana, fahafahambaraka amin’ny fiainana eto an-tany. Mbola mahamenatra noho izany anefa ny famaizana any ankoatra, ary tsy ho vonjena izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَأَمَّا ثَمُودُ فَهَدَيۡنَٰهُمۡ فَٱسۡتَحَبُّواْ ٱلۡعَمَىٰ عَلَى ٱلۡهُدَىٰ فَأَخَذَتۡهُمۡ صَٰعِقَةُ ٱلۡعَذَابِ ٱلۡهُونِ بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ
Fa ireo Thamody kosa, dia nitari-dàlana azy ireo Izahay, nefa naleony ny nisafidy ny fahajambana toy izay ny tari-dàlana. Ka dia niharan’ny varatry ny fampijaliana izy ireo, noho izay nataony.
عربي تفسیرونه:
وَنَجَّيۡنَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَكَانُواْ يَتَّقُونَ
Ary navotanay ireo izay nino, sy nanam-patahorana.
عربي تفسیرونه:
وَيَوۡمَ يُحۡشَرُ أَعۡدَآءُ ٱللَّهِ إِلَى ٱلنَّارِ فَهُمۡ يُوزَعُونَ
Ary amin’ny andro izay hanangonana ireo fahavalon’I Allah ho any amin’ny afo dia hatosika izy ireo.
عربي تفسیرونه:
حَتَّىٰٓ إِذَا مَا جَآءُوهَا شَهِدَ عَلَيۡهِمۡ سَمۡعُهُمۡ وَأَبۡصَٰرُهُمۡ وَجُلُودُهُم بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ary rehefa tonga ao izy ireo, dia samy ho vavolombelona amin’izay nataony avokoa, ny fandrenesany, sy ny masony, ary ny hodiny.
عربي تفسیرونه:
وَقَالُواْ لِجُلُودِهِمۡ لِمَ شَهِدتُّمۡ عَلَيۡنَاۖ قَالُوٓاْ أَنطَقَنَا ٱللَّهُ ٱلَّذِيٓ أَنطَقَ كُلَّ شَيۡءٖۚ وَهُوَ خَلَقَكُمۡ أَوَّلَ مَرَّةٖ وَإِلَيۡهِ تُرۡجَعُونَ
Ary hiteny amin’ny hodiny izy ireo hoe : “ Nahoana ianareo no mijoro vavolombelona manohitra anay ? ”. Dia hamaly ny hoditra hoe : “ I Allah no nampiteny anay, izay nampiteny ny zava-drehetra. Ary Izy no nahary anareo voalohany, ary any Aminy no hamerenana anareo ”.
عربي تفسیرونه:
وَمَا كُنتُمۡ تَسۡتَتِرُونَ أَن يَشۡهَدَ عَلَيۡكُمۡ سَمۡعُكُمۡ وَلَآ أَبۡصَٰرُكُمۡ وَلَا جُلُودُكُمۡ وَلَٰكِن ظَنَنتُمۡ أَنَّ ٱللَّهَ لَا يَعۡلَمُ كَثِيرٗا مِّمَّا تَعۡمَلُونَ
Tsy afaka niafina ianareo, mba tsy hanaovan’ny fandrenesanareo, na ny masonareo, na ny hoditrareo, vavolombelona hanohitra anareo. Saingy noheverinareo kosa, fa tsy mahafantatra firy amin’izay nataonareo I Allah.
عربي تفسیرونه:
وَذَٰلِكُمۡ ظَنُّكُمُ ٱلَّذِي ظَنَنتُم بِرَبِّكُمۡ أَرۡدَىٰكُمۡ فَأَصۡبَحۡتُم مِّنَ ٱلۡخَٰسِرِينَ
Ary izany fomba fieritreretanareo mahakasika ny Tomponareo izany, no nanimba anareo ka nahatonga anareo ho isan’ireo matiantoka.
عربي تفسیرونه:
فَإِن يَصۡبِرُواْ فَٱلنَّارُ مَثۡوٗى لَّهُمۡۖ وَإِن يَسۡتَعۡتِبُواْ فَمَا هُم مِّنَ ٱلۡمُعۡتَبِينَ
Raha maharitra amin’izany izy ireo, dia ny afo no toeram-ponenany, ary raha mialatsiny izy ireo, dia tsy ho isan’ireo hahazo fialan-tsiny velively.
عربي تفسیرونه:
۞ وَقَيَّضۡنَا لَهُمۡ قُرَنَآءَ فَزَيَّنُواْ لَهُم مَّا بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَمَا خَلۡفَهُمۡ وَحَقَّ عَلَيۡهِمُ ٱلۡقَوۡلُ فِيٓ أُمَمٖ قَدۡ خَلَتۡ مِن قَبۡلِهِم مِّنَ ٱلۡجِنِّ وَٱلۡإِنسِۖ إِنَّهُمۡ كَانُواْ خَٰسِرِينَ
Ary nanokananay namana (devoly) tsy misaraka aminy izy ireo, izay nampihaingo ny teo aloha sy ny taorian’izy ireo. Ary nihatra ara-drariny tamin’izy ireo ny lalàna, tahaka ny niharan’izany tamin’ny vahoaka maro izay efa nandao talohan’izy ireo, amin’ireo Jiny sy olombelona izay niaina talohan’izy ireo. Fa matiantoka tokoa izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَا تَسۡمَعُواْ لِهَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانِ وَٱلۡغَوۡاْ فِيهِ لَعَلَّكُمۡ تَغۡلِبُونَ
Ary hoy ireo tsy mpino hoe: “Aza mihaino io Koroany io ianareo, fa miresaha mafy mba tsy handresenareo izany”.
عربي تفسیرونه:
فَلَنُذِيقَنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ عَذَابٗا شَدِيدٗا وَلَنَجۡزِيَنَّهُمۡ أَسۡوَأَ ٱلَّذِي كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Hamafisina, fa hampanandramanay famaizana mafy tokoa ireo izay tsy nino, ary ny valin-kasasarana homenay azy ireo dia ho ratsy kokoa noho izay nataony.
عربي تفسیرونه:
ذَٰلِكَ جَزَآءُ أَعۡدَآءِ ٱللَّهِ ٱلنَّارُۖ لَهُمۡ فِيهَا دَارُ ٱلۡخُلۡدِ جَزَآءَۢ بِمَا كَانُواْ بِـَٔايَٰتِنَا يَجۡحَدُونَ
Izany no valin’asan’ireo fahavalon’I Allah, dia ny afo no toeram-ponenan’izy ireo mandrakizay, vokatry ny fandavany ireo andininy avy Aminay.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ رَبَّنَآ أَرِنَا ٱلَّذَيۡنِ أَضَلَّانَا مِنَ ٱلۡجِنِّ وَٱلۡإِنسِ نَجۡعَلۡهُمَا تَحۡتَ أَقۡدَامِنَا لِيَكُونَا مِنَ ٱلۡأَسۡفَلِينَ
Ary hilaza ireo tsy mpino hoe : “ Tomponay ô ! Asehoy anay ireo Jiny sy olombelona izay namery lalana anay, mba hataonay ao ambany tongotray avokoa izy rehetra, ka ho isan’ireo ambany indrindra".
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ قَالُواْ رَبُّنَا ٱللَّهُ ثُمَّ ٱسۡتَقَٰمُواْ تَتَنَزَّلُ عَلَيۡهِمُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ أَلَّا تَخَافُواْ وَلَا تَحۡزَنُواْ وَأَبۡشِرُواْ بِٱلۡجَنَّةِ ٱلَّتِي كُنتُمۡ تُوعَدُونَ
Hamafisina, fa ireo izay niteny hoe: “Allah no Tomponay, ary mifikitra amin’ny lalana mahitsy, dia hidina eo amin’izy ireo ny Anjely. “ Aza matahotra ianareo, ary aza malahelo, fa aoka ianareo hifaly amin’ny Paradisa izay nampanantenaina anareo ”.
عربي تفسیرونه:
نَحۡنُ أَوۡلِيَآؤُكُمۡ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا وَفِي ٱلۡأٓخِرَةِۖ وَلَكُمۡ فِيهَا مَا تَشۡتَهِيٓ أَنفُسُكُمۡ وَلَكُمۡ فِيهَا مَا تَدَّعُونَ
Izahay no Mpiahy anareo amin’ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra, ary ho azonareo any izay irinareo sy izay tadiavinareo.
عربي تفسیرونه:
نُزُلٗا مِّنۡ غَفُورٖ رَّحِيمٖ
Toeram-pandraisana avy amin’Ilay be famelan-keloka, Ilay be indrafo.
عربي تفسیرونه:
وَمَنۡ أَحۡسَنُ قَوۡلٗا مِّمَّن دَعَآ إِلَى ٱللَّهِ وَعَمِلَ صَٰلِحٗا وَقَالَ إِنَّنِي مِنَ ٱلۡمُسۡلِمِينَ
Ary iza no manana teny tsara indrindra noho izay miantso mankany amin’I Allah, manao asa soa ary miteny hoe : “ Isan’ireo mpankato tokoa aho ”.
عربي تفسیرونه:
وَلَا تَسۡتَوِي ٱلۡحَسَنَةُ وَلَا ٱلسَّيِّئَةُۚ ٱدۡفَعۡ بِٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُ فَإِذَا ٱلَّذِي بَيۡنَكَ وَبَيۡنَهُۥ عَدَٰوَةٞ كَأَنَّهُۥ وَلِيٌّ حَمِيمٞ
Tsy mitovy ny asa soa sy ny asa ratsy. Koa tohero amin’ny tsara kokoa ny ratsy, ka indro fa ho lasa namanareo mahafatra-po ilay nifankahala taminao fahiny.
عربي تفسیرونه:
وَمَا يُلَقَّىٰهَآ إِلَّا ٱلَّذِينَ صَبَرُواْ وَمَا يُلَقَّىٰهَآ إِلَّا ذُو حَظٍّ عَظِيمٖ
Saingy tsy homena afa-tsy ho an’izay manam-paharetana izany, sy ho an’izay manam-pahasoavana sesehena.
عربي تفسیرونه:
وَإِمَّا يَنزَغَنَّكَ مِنَ ٱلشَّيۡطَٰنِ نَزۡغٞ فَٱسۡتَعِذۡ بِٱللَّهِۖ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Ary raha mandrisika anao ny devoly, dia mangataha fiarovana amin’I Allah, satria mandre sy mahalala ny zava-drehetra Izy,
عربي تفسیرونه:
وَمِنۡ ءَايَٰتِهِ ٱلَّيۡلُ وَٱلنَّهَارُ وَٱلشَّمۡسُ وَٱلۡقَمَرُۚ لَا تَسۡجُدُواْ لِلشَّمۡسِ وَلَا لِلۡقَمَرِ وَٱسۡجُدُواْۤ لِلَّهِۤ ٱلَّذِي خَلَقَهُنَّ إِن كُنتُمۡ إِيَّاهُ تَعۡبُدُونَ
Fa anisan’ireo fahagagana avy any Aminy ny alina sy ny andro, ny masoandro sy ny volana, koa aoka ianareo tsy hiankohoka na amin’ny masoandro, na amin’ny volana, fa miankohofa kosa ianareo amin’I Allah izay nahary azy ireo, raha Izy tokoa no tompoinareo.
عربي تفسیرونه:
فَإِنِ ٱسۡتَكۡبَرُواْ فَٱلَّذِينَ عِندَ رَبِّكَ يُسَبِّحُونَ لَهُۥ بِٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ وَهُمۡ لَا يَسۡـَٔمُونَ۩
Fa raha manambony tena izy ireo, dia midera Azy ireo izay eo akaikin’ny Tomponao amin’ny alina sy atoandro, ary tsy misy fitsaharana mihitsy.
عربي تفسیرونه:
وَمِنۡ ءَايَٰتِهِۦٓ أَنَّكَ تَرَى ٱلۡأَرۡضَ خَٰشِعَةٗ فَإِذَآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡهَا ٱلۡمَآءَ ٱهۡتَزَّتۡ وَرَبَتۡۚ إِنَّ ٱلَّذِيٓ أَحۡيَاهَا لَمُحۡيِ ٱلۡمَوۡتَىٰٓۚ إِنَّهُۥ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٌ
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahitanao tokoa fa ny tany dia manetry tena. Ka raha vao nampidinanay rano teo aminy, dia indro izy fa nahazo aina sy lasa lonaka. Hamafisina, fa Ilay namelona azy, no hamelona indray ny maty, satria Izy tokoa no mahefa ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ يُلۡحِدُونَ فِيٓ ءَايَٰتِنَا لَا يَخۡفَوۡنَ عَلَيۡنَآۗ أَفَمَن يُلۡقَىٰ فِي ٱلنَّارِ خَيۡرٌ أَم مَّن يَأۡتِيٓ ءَامِنٗا يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۚ ٱعۡمَلُواْ مَا شِئۡتُمۡ إِنَّهُۥ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٌ
Ireo izay mamadika ireo andininy avy Aminay (Koroany), dia tsy miafina Aminay akory izy ireo. Moa izay hatsipy any amin’ny afobe ve no tsara kokoa, sa izay tonga am-pahatoniana tanteraka amin’ny andro farany? Ataovy izay ataonareo, fa mahita tsara izay ataonareo Izy.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِٱلذِّكۡرِ لَمَّا جَآءَهُمۡۖ وَإِنَّهُۥ لَكِتَٰبٌ عَزِيزٞ
Hamafisina, fa rehefa tonga tamin’izy ireo ny teny fampahatsiahivana, dia tsy nino izany izy ireo (Koroany), nefa dia Boky manan-kery tokoa izany.
عربي تفسیرونه:
لَّا يَأۡتِيهِ ٱلۡبَٰطِلُ مِنۢ بَيۡنِ يَدَيۡهِ وَلَا مِنۡ خَلۡفِهِۦۖ تَنزِيلٞ مِّنۡ حَكِيمٍ حَمِيدٖ
Tsy hahitana hadisoana izany, na tany alohany na taty aoriany, satria fanambarana avy amin’Ilay be fahendrena, sy mendri-piderana izany.
عربي تفسیرونه:
مَّا يُقَالُ لَكَ إِلَّا مَا قَدۡ قِيلَ لِلرُّسُلِ مِن قَبۡلِكَۚ إِنَّ رَبَّكَ لَذُو مَغۡفِرَةٖ وَذُو عِقَابٍ أَلِيمٖ
Tsy misy teny izay lazaina aminao afa-tsy izay efa voalaza tamin’ireo Iraka talohanao ihany. Marina fa ny Tomponao dia Tompon’ny famelan-keloka sy famaizana mamirifiry.
عربي تفسیرونه:
وَلَوۡ جَعَلۡنَٰهُ قُرۡءَانًا أَعۡجَمِيّٗا لَّقَالُواْ لَوۡلَا فُصِّلَتۡ ءَايَٰتُهُۥٓۖ ءَا۬عۡجَمِيّٞ وَعَرَبِيّٞۗ قُلۡ هُوَ لِلَّذِينَ ءَامَنُواْ هُدٗى وَشِفَآءٞۚ وَٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ فِيٓ ءَاذَانِهِمۡ وَقۡرٞ وَهُوَ عَلَيۡهِمۡ عَمًىۚ أُوْلَٰٓئِكَ يُنَادَوۡنَ مِن مَّكَانِۭ بَعِيدٖ
Ary raha nataonay tamin’ny fiteny hafa ankoatra ny teny arabo ny Koroany, dia mbola hiteny toy izao izy ireo: “Nahoana no tsy natao mazava tsara ireo andininy? Koroany tsy amin’ny fiteny arabo, nefa ny Iraka kosa dia arabo? Lazao hoe: “Izy io dia tari-dalana sy fanasitranana ho an’ireo izay mino”. Fa ho an’ireo izay tsy mino kosa, dia marenina izy ireo ary jamba ny masony manoloana izany, antsoina avy amin’ny toerana lavitra izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ فَٱخۡتُلِفَ فِيهِۚ وَلَوۡلَا كَلِمَةٞ سَبَقَتۡ مِن رَّبِّكَ لَقُضِيَ بَيۡنَهُمۡۚ وَإِنَّهُمۡ لَفِي شَكّٖ مِّنۡهُ مُرِيبٖ
Ary efa nomenay an’i Mosesy (Mosa) ilay Boky, tsy nitovy hevitra momba izany izy ireo. Raha tsy efa nisy didy mialoha avy tamin’ny Tomponao, dia efa nisy fanampahan-kevitra noraisina momba azy ireo. Ary tena marina fa feno fisalasalana momba izany tokoa izy ireo.
عربي تفسیرونه:
مَّنۡ عَمِلَ صَٰلِحٗا فَلِنَفۡسِهِۦۖ وَمَنۡ أَسَآءَ فَعَلَيۡهَاۗ وَمَا رَبُّكَ بِظَلَّٰمٖ لِّلۡعَبِيدِ
Fa izay manao asa soa, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, fa izay manao ny asa ratsy kosa, dia fahavoazana ho azy irery ihany izany, ary ny Tomponao dia tsy miangatra velively amin’ny mpanompony.
عربي تفسیرونه:
۞ إِلَيۡهِ يُرَدُّ عِلۡمُ ٱلسَّاعَةِۚ وَمَا تَخۡرُجُ مِن ثَمَرَٰتٖ مِّنۡ أَكۡمَامِهَا وَمَا تَحۡمِلُ مِنۡ أُنثَىٰ وَلَا تَضَعُ إِلَّا بِعِلۡمِهِۦۚ وَيَوۡمَ يُنَادِيهِمۡ أَيۡنَ شُرَكَآءِي قَالُوٓاْ ءَاذَنَّٰكَ مَا مِنَّا مِن شَهِيدٖ
Any amin’I Allah ny fahafantarana ilay Ora. Tsy misy voa mivoaka amin’ny akorany, na vavy mitoe-java, na miteraka, ka tsy fantany. Ary amin’ny andro hiantsoany azy ireo hoe: “Aiza ireo natambatra Amiko? ”. Dia hiteny izy ireo hoe : “Ambaranay aminao, fa tsy misy vavolombelona amin’izany mihitsy aminay ”.
عربي تفسیرونه:
وَضَلَّ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَدۡعُونَ مِن قَبۡلُۖ وَظَنُّواْ مَا لَهُم مِّن مَّحِيصٖ
Ary handao azy ireo izay nantsoiny taloha, ka hahatsapa izy ireo fa tsy manana fomba hialana intsony
عربي تفسیرونه:
لَّا يَسۡـَٔمُ ٱلۡإِنسَٰنُ مِن دُعَآءِ ٱلۡخَيۡرِ وَإِن مَّسَّهُ ٱلشَّرُّ فَيَـُٔوسٞ قَنُوطٞ
Tsy sasatra ny mitalaho soa ho azy ny olona. Nefa raha iharan’ny ratsy izy, dia indro fa kivy tanteraka, very fanantenana.
عربي تفسیرونه:
وَلَئِنۡ أَذَقۡنَٰهُ رَحۡمَةٗ مِّنَّا مِنۢ بَعۡدِ ضَرَّآءَ مَسَّتۡهُ لَيَقُولَنَّ هَٰذَا لِي وَمَآ أَظُنُّ ٱلسَّاعَةَ قَآئِمَةٗ وَلَئِن رُّجِعۡتُ إِلَىٰ رَبِّيٓ إِنَّ لِي عِندَهُۥ لَلۡحُسۡنَىٰۚ فَلَنُنَبِّئَنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِمَا عَمِلُواْ وَلَنُذِيقَنَّهُم مِّنۡ عَذَابٍ غَلِيظٖ
Ka rehefa omeNay famindram-po avy Aminay izy, taorian’ny fahoriana izay nihatra taminy, dia hiteny tokoa hoe : “Anjarako izany ! Ary heveriko fa tsy ho avy ilay Ora. Ary raha haverina any amin’ny Tompoko aho, dia hahazo anjara tsara any Aminy”. HolazaiNay amin’ireo tsy mpino izay nataony, ary tsy maintsy hampanandramaNay famaizana mafy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَإِذَآ أَنۡعَمۡنَا عَلَى ٱلۡإِنسَٰنِ أَعۡرَضَ وَنَـَٔا بِجَانِبِهِۦ وَإِذَا مَسَّهُ ٱلشَّرُّ فَذُو دُعَآءٍ عَرِيضٖ
Ary rehefa fenoiNay fahasoavana ny olombelona, dia mandositra izy ireo ka manalavitra. Fa rehefa misy zavatra ratsy mahazo azy kosa, dia mitalaho maharitra izy.
عربي تفسیرونه:
قُلۡ أَرَءَيۡتُمۡ إِن كَانَ مِنۡ عِندِ ٱللَّهِ ثُمَّ كَفَرۡتُم بِهِۦ مَنۡ أَضَلُّ مِمَّنۡ هُوَ فِي شِقَاقِۭ بَعِيدٖ
Lazao hoe : “Moa hitanareo va, raha avy tamin’I Allah izy ity (Koroany), nefa dia maniratsira izany ianareo avy eo iza no very lalana indrindra, raha tsy izay nanalavitra tanteraka (finoana) ? ”
عربي تفسیرونه:
سَنُرِيهِمۡ ءَايَٰتِنَا فِي ٱلۡأٓفَاقِ وَفِيٓ أَنفُسِهِمۡ حَتَّىٰ يَتَبَيَّنَ لَهُمۡ أَنَّهُ ٱلۡحَقُّۗ أَوَلَمۡ يَكۡفِ بِرَبِّكَ أَنَّهُۥ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ شَهِيدٌ
HasehoNay azy ireo ny famantarana avy Aminay eo amin’izao rehetra izao, sy amin’ny tenan’izy ireo, mandra-pahitan’izy ireo mazava fa izany no fahamarinana.Tsy ampy va ny fahitan’ny Tomponao ny zavatra rehetra?
عربي تفسیرونه:
أَلَآ إِنَّهُمۡ فِي مِرۡيَةٖ مِّن لِّقَآءِ رَبِّهِمۡۗ أَلَآ إِنَّهُۥ بِكُلِّ شَيۡءٖ مُّحِيطُۢ
Tsy misalasala tokoa va izy ireo mikasika ny fihaonana amin’ny Tompony? Moa tsy Izy va no mahafehy ny zavatra rehetra?
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: فصلت
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول