Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: روم   آیت:
وَلَئِنۡ أَرۡسَلۡنَا رِيحٗا فَرَأَوۡهُ مُصۡفَرّٗا لَّظَلُّواْ مِنۢ بَعۡدِهِۦ يَكۡفُرُونَ
Ary raha mandefa ny rivotra Izahay, ka hitan’izy ireo fa mihamavo (ireo zava-maniry), dia mbola mijanona tsy ho mino ihany izy ireo aorian’izany.
عربي تفسیرونه:
فَإِنَّكَ لَا تُسۡمِعُ ٱلۡمَوۡتَىٰ وَلَا تُسۡمِعُ ٱلصُّمَّ ٱلدُّعَآءَ إِذَا وَلَّوۡاْ مُدۡبِرِينَ
Tena marina fa tsy afaka hampandre ireo maty ianao; ary tsy afaka ihany koa hampandre ny antso amin’ireo marenina, raha mandeha mitodi-damosina izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَمَآ أَنتَ بِهَٰدِ ٱلۡعُمۡيِ عَن ضَلَٰلَتِهِمۡۖ إِن تُسۡمِعُ إِلَّا مَن يُؤۡمِنُ بِـَٔايَٰتِنَا فَهُم مُّسۡلِمُونَ
-Tsy ianao no hitari-dàlana ireo jamba amin’ny fahaverezan’izy ireo.Tsy afaka hampandre afa-tsy izay mino ireo fanambaranay ianao, fa izy ireo dia manaiky tanteraka.
عربي تفسیرونه:
۞ ٱللَّهُ ٱلَّذِي خَلَقَكُم مِّن ضَعۡفٖ ثُمَّ جَعَلَ مِنۢ بَعۡدِ ضَعۡفٖ قُوَّةٗ ثُمَّ جَعَلَ مِنۢ بَعۡدِ قُوَّةٖ ضَعۡفٗا وَشَيۡبَةٗۚ يَخۡلُقُ مَا يَشَآءُۚ وَهُوَ ٱلۡعَلِيمُ ٱلۡقَدِيرُ
Allah, Izy no nahary anareo avy amin’ny (zavatra) malemy; avy eo, taorian’ny fahalemena, dia nomeny hery ianareo, ary taorian’ny hery, dia ny fahalemena sy ny fahanterana. Ary mahary izay sitrany Izy. Fa Izy no Ilay Mahalala, Ilay Mahefa ny zava-drehetra.
عربي تفسیرونه:
وَيَوۡمَ تَقُومُ ٱلسَّاعَةُ يُقۡسِمُ ٱلۡمُجۡرِمُونَ مَا لَبِثُواْ غَيۡرَ سَاعَةٖۚ كَذَٰلِكَ كَانُواْ يُؤۡفَكُونَ
Ary amin’ny andro izay ahatongavan’ilay Ora, dia hianiana ireo mpanao heloka be vava, fa tsy nipetraka afa-tsy adiny iray monja izy ireo. Toy izany no nampivily làlana azy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡعِلۡمَ وَٱلۡإِيمَٰنَ لَقَدۡ لَبِثۡتُمۡ فِي كِتَٰبِ ٱللَّهِ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡبَعۡثِۖ فَهَٰذَا يَوۡمُ ٱلۡبَعۡثِ وَلَٰكِنَّكُمۡ كُنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ
Ary hiteny ireo izay nomena ny fahalalana sy ny finoana hoe : “Ianareo dia tena nipetraka araka ny didin’i Allah, mandra-pahatongan’ny Andro Fitsanganana, ka indro àry ilay Andro Fitsanganana. Nefa ianareo dia tsy nahafantatra na inona na inona.”
عربي تفسیرونه:
فَيَوۡمَئِذٖ لَّا يَنفَعُ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ مَعۡذِرَتُهُمۡ وَلَا هُمۡ يُسۡتَعۡتَبُونَ
Amin’izany andro izany, ny fialan-tsinin’ireo nanao ny tsy rariny dia tsy hahitan’izy ireo vokany, ary tsy angatahana amin’izy ireo izay ahafinaritra an’i Allah.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ ضَرَبۡنَا لِلنَّاسِ فِي هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانِ مِن كُلِّ مَثَلٖۚ وَلَئِن جِئۡتَهُم بِـَٔايَةٖ لَّيَقُولَنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِنۡ أَنتُمۡ إِلَّا مُبۡطِلُونَ
Ary tena efa nomenay ireo olombelona ato amin’ity Kor’any ity, ny karazana ohatra maro. Ary raha mitondra fahagagana amin’izy ireo ianao, dia mbola hiteny tokoa ireo izay tsy mino hoe : “Tsy inona ianareo afa-tsy mpanao hadisoana.”
عربي تفسیرونه:
كَذَٰلِكَ يَطۡبَعُ ٱللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِ ٱلَّذِينَ لَا يَعۡلَمُونَ
Tahaka izany no nanidian’i Allah ny fon’ireo izay tsy te-hahafantatra.
عربي تفسیرونه:
فَٱصۡبِرۡ إِنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقّٞۖ وَلَا يَسۡتَخِفَّنَّكَ ٱلَّذِينَ لَا يُوقِنُونَ
Mahareta àry ianao, tena marina fa, ny fampanatenan’i Allah dia marina. Ary aoka tsy hanozongozona anao ireo izay tsy manana fitokisana.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: روم
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول