Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: روم   آیت:
وَإِذَا مَسَّ ٱلنَّاسَ ضُرّٞ دَعَوۡاْ رَبَّهُم مُّنِيبِينَ إِلَيۡهِ ثُمَّ إِذَآ أَذَاقَهُم مِّنۡهُ رَحۡمَةً إِذَا فَرِيقٞ مِّنۡهُم بِرَبِّهِمۡ يُشۡرِكُونَ
Ary raha misy loza mihatra amin’ireo olona, dia mitalaho amin’ny Tompony izy ireo no sady miverina Aminy, amim-pibebahana. Avy eo, raha ampanandramany ny famindram-pò avy Aminy izy ireo, dia indro fa misy andiany amin’izy ireo manompo sampy.
عربي تفسیرونه:
لِيَكۡفُرُواْ بِمَآ ءَاتَيۡنَٰهُمۡۚ فَتَمَتَّعُواْ فَسَوۡفَ تَعۡلَمُونَ
Tsy mankasitraka tokoa izay nomenay azy izy ireo. Mifalia àry ianareo (amin’ny fotoana fohy). Tsy ho ela dia ho fantatrareo.
عربي تفسیرونه:
أَمۡ أَنزَلۡنَا عَلَيۡهِمۡ سُلۡطَٰنٗا فَهُوَ يَتَكَلَّمُ بِمَا كَانُواْ بِهِۦ يُشۡرِكُونَ
Moa ve nampidina tamin’izy ireo ny fahefana (boky na porofo) izahay, izay miteny amin’izy ireo ny amin’izay atambatr’izy ireo Aminy ?
عربي تفسیرونه:
وَإِذَآ أَذَقۡنَا ٱلنَّاسَ رَحۡمَةٗ فَرِحُواْ بِهَاۖ وَإِن تُصِبۡهُمۡ سَيِّئَةُۢ بِمَا قَدَّمَتۡ أَيۡدِيهِمۡ إِذَا هُمۡ يَقۡنَطُونَ
Ary rehefa nampanandramanay ny famindram-po ireo olona, dia faly amin’izany izy ireo. Nefa raha tra-doza kosa izy ireo noho izay nataon’ny tànany ihany, dia indro fa feno hakiviana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّ ٱللَّهَ يَبۡسُطُ ٱلرِّزۡقَ لِمَن يَشَآءُ وَيَقۡدِرُۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ
Moa ve tsy hitan’izy ireo fa Allah dia mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany, sy mametra izany ? Tena marina fa amin’izany dia misy porofo maro ho an’ ny vahoaka izay mino.
عربي تفسیرونه:
فَـَٔاتِ ذَا ٱلۡقُرۡبَىٰ حَقَّهُۥ وَٱلۡمِسۡكِينَ وَٱبۡنَ ٱلسَّبِيلِۚ ذَٰلِكَ خَيۡرٞ لِّلَّذِينَ يُرِيدُونَ وَجۡهَ ٱللَّهِۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ
Koa omeo ny havana akaiky, sy ny mahantra, ary ny mpandeha sahirana ny zony. Izany no mendrika indrindra ho an’ireo izay mitady ny tavan’i Allah, ary izy ireny no mahazo fahombiazana.
عربي تفسیرونه:
وَمَآ ءَاتَيۡتُم مِّن رِّبٗا لِّيَرۡبُوَاْ فِيٓ أَمۡوَٰلِ ٱلنَّاسِ فَلَا يَرۡبُواْ عِندَ ٱللَّهِۖ وَمَآ ءَاتَيۡتُم مِّن زَكَوٰةٖ تُرِيدُونَ وَجۡهَ ٱللَّهِ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُضۡعِفُونَ
Izay rehetra nomenareo ka hakana zana-bola mba hampitombo ny fanananareo, amin’ny alalan’ny fananan’ny olona dia tsy mitombo izany eo anatrehan’i Allah, fa izay omenareo ho Zakat (harena fiantrana) kosa, ka hitadiavana ny tavan’i Allah (amin'ny foton'ny Allah), Izy ireny no hitombo avo heny (valisoa).
عربي تفسیرونه:
ٱللَّهُ ٱلَّذِي خَلَقَكُمۡ ثُمَّ رَزَقَكُمۡ ثُمَّ يُمِيتُكُمۡ ثُمَّ يُحۡيِيكُمۡۖ هَلۡ مِن شُرَكَآئِكُم مَّن يَفۡعَلُ مِن ذَٰلِكُم مِّن شَيۡءٖۚ سُبۡحَٰنَهُۥ وَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
Fa Allah no nahary anareo, avy eo Izy no nanome anareo ny anjaram-pivelomana, manaraka izany dia hovonoiny ianareo, ary hovelominy indray. Moa ve misy amin’ireo izay nataonareo mpiara-miombon’antoka Aminy, nahavita zavatra tahaka izany ? Voninahitra anie ho Azy ! Mihoatra ambony lavitra amin’izay akambana Aminy Izy.
عربي تفسیرونه:
ظَهَرَ ٱلۡفَسَادُ فِي ٱلۡبَرِّ وَٱلۡبَحۡرِ بِمَا كَسَبَتۡ أَيۡدِي ٱلنَّاسِ لِيُذِيقَهُم بَعۡضَ ٱلَّذِي عَمِلُواْ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ
Nibaribary ny asa fanimbana eto an-tany sy any an-dranomasina, noho izay nataon’ny tànan’ny olombelona ihany, mba hampanandramany (Allah) ny ampahany amin’izay nataon’izy ireo. Angamba hiverina (amin’i Allah) izy ireo.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: روم
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول