Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: مؤمنون   آیت:

Al-mo'minona

قَدۡ أَفۡلَحَ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ
Tena sambatra tokoa ireo mpino.
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِينَ هُمۡ فِي صَلَاتِهِمۡ خَٰشِعُونَ
Ireo izay manetri-tena amin’ny Soalat (vavaka) ataon’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَنِ ٱللَّغۡوِ مُعۡرِضُونَ
Sy ireo izay manalavitra ny rendrarendra.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِلزَّكَوٰةِ فَٰعِلُونَ
Sy ireo izay mamoaka ny Zakat (harena fiantrana).
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِفُرُوجِهِمۡ حَٰفِظُونَ
َAry ireo izay mitandrina ny fitaovam-pananahany amin'ny fahadiovam-pitondra-tenany.
عربي تفسیرونه:
إِلَّا عَلَىٰٓ أَزۡوَٰجِهِمۡ أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ فَإِنَّهُمۡ غَيۡرُ مَلُومِينَ
Ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo.
عربي تفسیرونه:
فَمَنِ ٱبۡتَغَىٰ وَرَآءَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡعَادُونَ
Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa, dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِأَمَٰنَٰتِهِمۡ وَعَهۡدِهِمۡ رَٰعُونَ
Izay mitandrina ny fananana nankinina taminy, sy manaja tanteraka ny fifanekena.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَوَٰتِهِمۡ يُحَافِظُونَ
Sy ireo izay manatontosa an-tsakany sy an-davany ireo vavaka (Soalat).
عربي تفسیرونه:
أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡوَٰرِثُونَ
Dia izy ireny no mpandova.
عربي تفسیرونه:
ٱلَّذِينَ يَرِثُونَ ٱلۡفِرۡدَوۡسَ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Izay handova ny Paradisa «Firdaosy», honina ao mandrakizay izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ مِن سُلَٰلَةٖ مِّن طِينٖ
Tena marina fa noharianay avy amin’ny tany (maro isan-karazany) ny olombelona.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ جَعَلۡنَٰهُ نُطۡفَةٗ فِي قَرَارٖ مَّكِينٖ
Avy eo dia Noharianay avy amin’ny tentin’ny tsirin'aina izy ireo (ka napetrakay) tao amin'ny toerana voaaro (tranon-janaka).
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ خَلَقۡنَا ٱلنُّطۡفَةَ عَلَقَةٗ فَخَلَقۡنَا ٱلۡعَلَقَةَ مُضۡغَةٗ فَخَلَقۡنَا ٱلۡمُضۡغَةَ عِظَٰمٗا فَكَسَوۡنَا ٱلۡعِظَٰمَ لَحۡمٗا ثُمَّ أَنشَأۡنَٰهُ خَلۡقًا ءَاخَرَۚ فَتَبَارَكَ ٱللَّهُ أَحۡسَنُ ٱلۡخَٰلِقِينَ
Avy eo dia nataonay ho vaingan-drà izany tsirin'aina izany ; ary avy amin’ny vaingan-drà no nanamboaranay ny vainga-nofo ; ary avy amin’ny vainga-nofo no nanamboaranay ny taolana ; ary notafianay nofo ny taolana. Avy eo dia novanay ho fahariana hafa tanteraka izany. Ka voninahitra anie ho an’I Allah, Ilay tsara indrindra amin’ireo Mpahary !
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ إِنَّكُم بَعۡدَ ذَٰلِكَ لَمَيِّتُونَ
Avy eo, aorian’izany dia tena ho faty ianareo.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ إِنَّكُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ تُبۡعَثُونَ
Avy amin’ny Andro Fitsanganana dia hatsangana amin’ny maty ianareo.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ خَلَقۡنَا فَوۡقَكُمۡ سَبۡعَ طَرَآئِقَ وَمَا كُنَّا عَنِ ٱلۡخَلۡقِ غَٰفِلِينَ
Eny, Nahary ny lanitra fito tokoa Izahay eo amboninareo, ary tsy mba variana amin’ny fahariana nataonay Izahay.
عربي تفسیرونه:
وَأَنزَلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءَۢ بِقَدَرٖ فَأَسۡكَنَّٰهُ فِي ٱلۡأَرۡضِۖ وَإِنَّا عَلَىٰ ذَهَابِۭ بِهِۦ لَقَٰدِرُونَ
Ary nampidina rano avy any an-danitra araka ny fatrany Izahay. Ary notehirizinay tao anaty tany izany, nefa na izany aza dia azonay atao ny mampanjavona azy.
عربي تفسیرونه:
فَأَنشَأۡنَا لَكُم بِهِۦ جَنَّٰتٖ مِّن نَّخِيلٖ وَأَعۡنَٰبٖ لَّكُمۡ فِيهَا فَوَٰكِهُ كَثِيرَةٞ وَمِنۡهَا تَأۡكُلُونَ
Miaraka amin'ny (rano), nampanirinay ho anareo ny zaridain-kazo palma sy voaloboka izay ahazoanareo ireo voankazo maro, ary hohaninareo ny sasany.
عربي تفسیرونه:
وَشَجَرَةٗ تَخۡرُجُ مِن طُورِ سَيۡنَآءَ تَنۢبُتُ بِٱلدُّهۡنِ وَصِبۡغٖ لِّلۡأٓكِلِينَ
Ary koa ny hazo anankiray (oliva) izay mitsiry eny amin’ny tendrombohitr’i Sinay, izay manome menaka fanosotra sy ampiasaina amin’ny sakafo.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ لَكُمۡ فِي ٱلۡأَنۡعَٰمِ لَعِبۡرَةٗۖ نُّسۡقِيكُم مِّمَّا فِي بُطُونِهَا وَلَكُمۡ فِيهَا مَنَٰفِعُ كَثِيرَةٞ وَمِنۡهَا تَأۡكُلُونَ
Marina fa amin’ireo biby fiompy dia misy azonareo hodinihana, nomenay hosotroinareo izay anatin’ny kibon’izy ireo, ary ahazoanareo tombontsoa maro samihafa izany raha mihinana amin’izany ianareo.
عربي تفسیرونه:
وَعَلَيۡهَا وَعَلَى ٱلۡفُلۡكِ تُحۡمَلُونَ
Izy ireo sy ny sambo no mitondra anareo.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا نُوحًا إِلَىٰ قَوۡمِهِۦ فَقَالَ يَٰقَوۡمِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥٓۚ أَفَلَا تَتَّقُونَ
Nalefanay any amin’ny vahoakany I Noa, ka niteny izy hoe : “ Ô ry vahoakako ! Tompoinareo i Allah, tsy manana zanahary hafa ankoatra Azy ianareo. Moa tsy matahotra Azy ve ianareo ?”
عربي تفسیرونه:
فَقَالَ ٱلۡمَلَؤُاْ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن قَوۡمِهِۦ مَا هَٰذَآ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡ يُرِيدُ أَن يَتَفَضَّلَ عَلَيۡكُمۡ وَلَوۡ شَآءَ ٱللَّهُ لَأَنزَلَ مَلَٰٓئِكَةٗ مَّا سَمِعۡنَا بِهَٰذَا فِيٓ ءَابَآئِنَا ٱلۡأَوَّلِينَ
Ary dia niteny ireo loholona izay tsy nino tamin’ireo vahoakany hoe : “Tsy iza akory izy, fa olombelona tahaka anareo ihany, izay te-hisongadina ho amboninareo. Raha sitrak’i Allah dia ho nampidina ireo Anjely Izy. Tsy mbola naheno an’izany mihitsy izahay tamin’ireo razambenay fahiny.
عربي تفسیرونه:
إِنۡ هُوَ إِلَّا رَجُلُۢ بِهِۦ جِنَّةٞ فَتَرَبَّصُواْ بِهِۦ حَتَّىٰ حِينٖ
Tsy inona akory izany afa-tsy lehilahy azon’ny adalàna, ka andrasanareo fa hodinihana tsara mandritra ny fotoana vitsivitsy ny fihetsiny.
عربي تفسیرونه:
قَالَ رَبِّ ٱنصُرۡنِي بِمَا كَذَّبُونِ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho amin'ny lainga izay nataon'izy ireo tamiko ”
عربي تفسیرونه:
فَأَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡهِ أَنِ ٱصۡنَعِ ٱلۡفُلۡكَ بِأَعۡيُنِنَا وَوَحۡيِنَا فَإِذَا جَآءَ أَمۡرُنَا وَفَارَ ٱلتَّنُّورُ فَٱسۡلُكۡ فِيهَا مِن كُلّٖ زَوۡجَيۡنِ ٱثۡنَيۡنِ وَأَهۡلَكَ إِلَّا مَن سَبَقَ عَلَيۡهِ ٱلۡقَوۡلُ مِنۡهُمۡۖ وَلَا تُخَٰطِبۡنِي فِي ٱلَّذِينَ ظَلَمُوٓاْ إِنَّهُم مُّغۡرَقُونَ
Nilaza taminy Izahay hoe : “Amboary eto imasonay ny sambofiara, araka ny fanambarànay, ka rehefa tonga ny didinay, sy hangotraka ny lafaoro dia ampidiro tsiroaroa, mpivady avy (lahy sy vavy) ireo zava-manan’aina isaka ny karazany ao anaty sambofiara, ary koa ny fianakavinao afa-tsy ireo izay efa nametrahana teny mialoha tsy ho amin’izany (tsy voaavotra amin’ny safo-drano), koa aza miresaka amiko intsony ianao mahakasika ireo mpanao ny tsy rariny, fa ho rendrika tanteraka izy ireny.
عربي تفسیرونه:
فَإِذَا ٱسۡتَوَيۡتَ أَنتَ وَمَن مَّعَكَ عَلَى ٱلۡفُلۡكِ فَقُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِي نَجَّىٰنَا مِنَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ka rehefa tafapetraka tsara ao anatin’ny sambofiara ianao sy ireo izay miaraka aminao dia mitenena hoe : “Dera ho an’i Allah izay nanavotra anay tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny”.
عربي تفسیرونه:
وَقُل رَّبِّ أَنزِلۡنِي مُنزَلٗا مُّبَارَكٗا وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلۡمُنزِلِينَ
Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Ampidino amin’ny fidinana voatsodrano aho, fa Ianao Ilay Mpampidina mendrika indrindra”.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ وَإِن كُنَّا لَمُبۡتَلِينَ
Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana maro tokoa. Marina fa Izahay no Mampisedra (azy ireo).
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ أَنشَأۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِمۡ قَرۡنًا ءَاخَرِينَ
Ary, taorian’izy ireo dia nahary taranaka maro hafa Izahay.
عربي تفسیرونه:
فَأَرۡسَلۡنَا فِيهِمۡ رَسُولٗا مِّنۡهُمۡ أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥٓۚ أَفَلَا تَتَّقُونَ
Ka nandefa iraka teo amin’izy ireo Izahay, izay avy tamin’izy ireo ihany (mba hiteny hoe) : “ Tompoinareo I Allah. Tsy manana tompo hafa ankoatra Azy ianareo. Moa tsy matahotra Azy ve ianareo ? ”
عربي تفسیرونه:
وَقَالَ ٱلۡمَلَأُ مِن قَوۡمِهِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَكَذَّبُواْ بِلِقَآءِ ٱلۡأٓخِرَةِ وَأَتۡرَفۡنَٰهُمۡ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا مَا هَٰذَآ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡ يَأۡكُلُ مِمَّا تَأۡكُلُونَ مِنۡهُ وَيَشۡرَبُ مِمَّا تَشۡرَبُونَ
Ary niteny ireo loholona, izay tsy nino tamin’ny vahoakany no sady nilaza fa lainga ny fihaonana any an-koatra, nefa izy ireo dia nomenay fahafinaretana tamin’izao fiainana izao, hoe : “Tsy iza akory izany fa olombelona tahaka anareo ihany, mihinana izay haninareo, ary misotro izay sotroinareo”.
عربي تفسیرونه:
وَلَئِنۡ أَطَعۡتُم بَشَرٗا مِّثۡلَكُمۡ إِنَّكُمۡ إِذٗا لَّخَٰسِرُونَ
Raha mankatò olombelona tahaka anareo ianareo dia ho maty antoka tanteraka.
عربي تفسیرونه:
أَيَعِدُكُمۡ أَنَّكُمۡ إِذَا مِتُّمۡ وَكُنتُمۡ تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَنَّكُم مُّخۡرَجُونَ
Moa mampanantena anareo ve izy, fa raha maty ianareo ka ho lasa vovoka sy taolana dia havoaka tao indray (fasana) ?
عربي تفسیرونه:
۞ هَيۡهَاتَ هَيۡهَاتَ لِمَا تُوعَدُونَ
Lavitra dia lavitra tokoa amin’izay ampanantenaina anareo ianareo.
عربي تفسیرونه:
إِنۡ هِيَ إِلَّا حَيَاتُنَا ٱلدُّنۡيَا نَمُوتُ وَنَحۡيَا وَمَا نَحۡنُ بِمَبۡعُوثِينَ
Izany dia tsy inona, afa-tsy izao fiainantsika eto an-tany izao ihany, ho faty ary ho velona isika, fa tsy hatsangana amin’ny maty na oviana na oviana.
عربي تفسیرونه:
إِنۡ هُوَ إِلَّا رَجُلٌ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبٗا وَمَا نَحۡنُ لَهُۥ بِمُؤۡمِنِينَ
Tsy inona akory izy io afa-tsy lehilahy mamoron-dainga mahakasika an’I Allah ihany, ka tsy hino azy velively izahay.
عربي تفسیرونه:
قَالَ رَبِّ ٱنصُرۡنِي بِمَا كَذَّبُونِ
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho satria milaza ahy ho mpandainga izy ireo”
عربي تفسیرونه:
قَالَ عَمَّا قَلِيلٖ لَّيُصۡبِحُنَّ نَٰدِمِينَ
Ka niteny Izy (Allah) hoe : “Tsy ho ela dia ho latsa-panenenana tokoa izy ireo”.
عربي تفسیرونه:
فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلصَّيۡحَةُ بِٱلۡحَقِّ فَجَعَلۡنَٰهُمۡ غُثَآءٗۚ فَبُعۡدٗا لِّلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ
Noho izany dia niharan’ilay hiaka tamim-pahamarinana tokoa izy ireo. Ary rehefa avy eo dia nataonay tahaka ny fako noentin-driaka. Hanjavona tanteraka anie ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ أَنشَأۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِمۡ قُرُونًا ءَاخَرِينَ
Ary taorian’izy ireo dia Nahary taranaka maro hafa Izahay.
عربي تفسیرونه:
مَا تَسۡبِقُ مِنۡ أُمَّةٍ أَجَلَهَا وَمَا يَسۡتَـٔۡخِرُونَ
Tsy misy vondron’olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ أَرۡسَلۡنَا رُسُلَنَا تَتۡرَاۖ كُلَّ مَا جَآءَ أُمَّةٗ رَّسُولُهَا كَذَّبُوهُۖ فَأَتۡبَعۡنَا بَعۡضَهُم بَعۡضٗا وَجَعَلۡنَٰهُمۡ أَحَادِيثَۚ فَبُعۡدٗا لِّقَوۡمٖ لَّا يُؤۡمِنُونَ
Manarak'izany dia nandefa nifanesy ireo Irakay Izahay. Ka isaky ny tonga amin’ny vahoakany ny Iraka iray, dia lazain’izy ireo ho mpandainga. Ary nampifandimbiasanay ny fandringanana azy ireo, ka nataonay ho tantara izy ireo. Horingana avokoa anie ireo vahoaka tsy mpino.
عربي تفسیرونه:
ثُمَّ أَرۡسَلۡنَا مُوسَىٰ وَأَخَاهُ هَٰرُونَ بِـَٔايَٰتِنَا وَسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٍ
Avy eo dia nalefanay i Mosesy sy ny rahalahin'i Harona niaraka tamin’ireo fahagagana sy ny porofo miharihary,
عربي تفسیرونه:
إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِۦ فَٱسۡتَكۡبَرُواْ وَكَانُواْ قَوۡمًا عَالِينَ
Ho any amin’i Faraona sy ny loholony, ka niavonavona izy ireo. Vahoaka feno fianjoanjonana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
فَقَالُوٓاْ أَنُؤۡمِنُ لِبَشَرَيۡنِ مِثۡلِنَا وَقَوۡمُهُمَا لَنَا عَٰبِدُونَ
Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino ireo lehilahy roa mitovy aminay izahay, nefa ny vahoakan'izy ireo dia andevonay ?
عربي تفسیرونه:
فَكَذَّبُوهُمَا فَكَانُواْ مِنَ ٱلۡمُهۡلَكِينَ
Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga izy roa lahy, dia lasa anisan’ireo ringana tanteraka izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ لَعَلَّهُمۡ يَهۡتَدُونَ
Ary tena nomenay an’i Mosesy ny Boky (Tora), angamba hiroso amin’ny làlana mahitsy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَجَعَلۡنَا ٱبۡنَ مَرۡيَمَ وَأُمَّهُۥٓ ءَايَةٗ وَءَاوَيۡنَٰهُمَآ إِلَىٰ رَبۡوَةٖ ذَاتِ قَرَارٖ وَمَعِينٖ
Ary nataonay ho fahagagana tena miavaka ny zanak’i Maria (Jesosy) sy ny reniny (Maria), ka nomenay fialofana izy roa teny ambony havoana feno fitoniana, sady misy loharano.
عربي تفسیرونه:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلرُّسُلُ كُلُواْ مِنَ ٱلطَّيِّبَٰتِ وَٱعۡمَلُواْ صَٰلِحًاۖ إِنِّي بِمَا تَعۡمَلُونَ عَلِيمٞ
Ô ianareo Iraka ! Mihinana ianareo amin’ireo zavatra tsy voarara sy madio. Ary manaova ny tsara, satria tena mahafantatra izay rehetra ataonareo Aho.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ هَٰذِهِۦٓ أُمَّتُكُمۡ أُمَّةٗ وَٰحِدَةٗ وَأَنَا۠ رَبُّكُمۡ فَٱتَّقُونِ
Ary tena marina, fa ity vahoakanareo ity, dia vahoaka tokana ihany, Izaho irery no Tomponareo. Ka matahora Ahy àry ianareo.
عربي تفسیرونه:
فَتَقَطَّعُوٓاْ أَمۡرَهُم بَيۡنَهُمۡ زُبُرٗاۖ كُلُّ حِزۡبِۭ بِمَا لَدَيۡهِمۡ فَرِحُونَ
Nefa dia nizarazara ho antoko-pinoana maro izy ireo, ka isaky ny antoko-pinoana dia finaritra amin’izay eo am-pelatànany.
عربي تفسیرونه:
فَذَرۡهُمۡ فِي غَمۡرَتِهِمۡ حَتَّىٰ حِينٍ
Avelao izy ireo, amin’ny fahaverezany mandritra ny fotoana vitsivitsy.
عربي تفسیرونه:
أَيَحۡسَبُونَ أَنَّمَا نُمِدُّهُم بِهِۦ مِن مَّالٖ وَبَنِينَ
Mihevitra ve izy ireo, fa izay omenay azy ireo amin’ny harena sy zanaka,
عربي تفسیرونه:
نُسَارِعُ لَهُمۡ فِي ٱلۡخَيۡرَٰتِۚ بَل لَّا يَشۡعُرُونَ
Dia ho fanafaingananay ho azy ireo amin’ny fanaovana ireo hatsarana ? Nefa tsy izany, fa izy ireo dia tsy mahatsiaro tena.
عربي تفسیرونه:
إِنَّ ٱلَّذِينَ هُم مِّنۡ خَشۡيَةِ رَبِّهِم مُّشۡفِقُونَ
Marina fa ireo izay feno fatahorana ny Tompony, dia fatra mpitandrina.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُم بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِمۡ يُؤۡمِنُونَ
Sy ireo izay mino ireo fanambaran’ny Tompon'izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ هُم بِرَبِّهِمۡ لَا يُشۡرِكُونَ
Sy ireo izay tsy manakambana ny Tompony na amin’inona na amin’inona.
عربي تفسیرونه:
وَٱلَّذِينَ يُؤۡتُونَ مَآ ءَاتَواْ وَّقُلُوبُهُمۡ وَجِلَةٌ أَنَّهُمۡ إِلَىٰ رَبِّهِمۡ رَٰجِعُونَ
Ary ireo manome izay nomena azy, ary feno fatahorana ny fon’izy ireo, fa tsy maintsy hiverina amin’ny Tompony izy ireo.
عربي تفسیرونه:
أُوْلَٰٓئِكَ يُسَٰرِعُونَ فِي ٱلۡخَيۡرَٰتِ وَهُمۡ لَهَا سَٰبِقُونَ
Izy ireny dia mizotra haingana amin’ny fanaovana ireo asa soa, ary voalohany amin’ny fanatanterahana izany.
عربي تفسیرونه:
وَلَا نُكَلِّفُ نَفۡسًا إِلَّا وُسۡعَهَاۚ وَلَدَيۡنَا كِتَٰبٞ يَنطِقُ بِٱلۡحَقِّ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ
Izahay dia tsy mampitondra ny olona ny zavatra izay tsy zakany, ary eo anatrehanay dia misy Boky izay milaza ny marina, ka tsy hambakaina mihitsy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
بَلۡ قُلُوبُهُمۡ فِي غَمۡرَةٖ مِّنۡ هَٰذَا وَلَهُمۡ أَعۡمَٰلٞ مِّن دُونِ ذَٰلِكَ هُمۡ لَهَا عَٰمِلُونَ
Nefa ny fon’izy ireo dia mitoetra ao anatin’ny habadoana eo anatrehan’izany (Kor’any). Ankoatra izany, dia manana asa (ratsy) izay tanterahany izy ireo.
عربي تفسیرونه:
حَتَّىٰٓ إِذَآ أَخَذۡنَا مُتۡرَفِيهِم بِٱلۡعَذَابِ إِذَا هُمۡ يَجۡـَٔرُونَ
Mandra-pandefasanay ny famaizana ho amin’ny manan-katao amin’izy ireo, dia indro hikiakiaka hiantso vonjy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
لَا تَجۡـَٔرُواْ ٱلۡيَوۡمَۖ إِنَّكُم مِّنَّا لَا تُنصَرُونَ
Aza mikiakiaka miantso vonjy ianareo androany, fa tsy misy afaka hiaro anareo hanohitra Anay.
عربي تفسیرونه:
قَدۡ كَانَتۡ ءَايَٰتِي تُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡ فَكُنتُمۡ عَلَىٰٓ أَعۡقَٰبِكُمۡ تَنكِصُونَ
Efa novakiana taminareo ireo fanambaranay, nefa notsipahanareo izany.
عربي تفسیرونه:
مُسۡتَكۡبِرِينَ بِهِۦ سَٰمِرٗا تَهۡجُرُونَ
Feno fiavonavonana ianareo, ary namaivaninareo izany nandritra ny fiaretan-tory nataonareo.
عربي تفسیرونه:
أَفَلَمۡ يَدَّبَّرُواْ ٱلۡقَوۡلَ أَمۡ جَآءَهُم مَّا لَمۡ يَأۡتِ ءَابَآءَهُمُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Moa ve tsy mandinika ny teny (Kor’any) izy ireo ? Sa efa tonga tamin’izy ireo izay tsy mbola tonga mihitsy tamin’ireo razambeny fahiny.
عربي تفسیرونه:
أَمۡ لَمۡ يَعۡرِفُواْ رَسُولَهُمۡ فَهُمۡ لَهُۥ مُنكِرُونَ
Sa tsy nahafantatra ny Iraka tonga taminy ve izy ireo, ka notsipahan’ izy ireo izy ?
عربي تفسیرونه:
أَمۡ يَقُولُونَ بِهِۦ جِنَّةُۢۚ بَلۡ جَآءَهُم بِٱلۡحَقِّ وَأَكۡثَرُهُمۡ لِلۡحَقِّ كَٰرِهُونَ
Sa hiteny izy ireo hoe : “Azon’ny adalana izy ?”. Tsy izany mihitsy, fa ny fahamarinana no nentiny tamin’izy ireo. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia mankahala ny fahamarinana.
عربي تفسیرونه:
وَلَوِ ٱتَّبَعَ ٱلۡحَقُّ أَهۡوَآءَهُمۡ لَفَسَدَتِ ٱلسَّمَٰوَٰتُ وَٱلۡأَرۡضُ وَمَن فِيهِنَّۚ بَلۡ أَتَيۡنَٰهُم بِذِكۡرِهِمۡ فَهُمۡ عَن ذِكۡرِهِم مُّعۡرِضُونَ
Raha ny fahamarinana nifanaraka tamin’ny sitrapon’izy ireo, dia ho simba tokoa ireo lanitra sy ny tany ary izay ao aminy. Tsy izany anefa, fa efa nomenay azy ireo ny fampatsiahivana. Nefa nitodi-damosina tamin’ny fampatsiahivana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
أَمۡ تَسۡـَٔلُهُمۡ خَرۡجٗا فَخَرَاجُ رَبِّكَ خَيۡرٞۖ وَهُوَ خَيۡرُ ٱلرَّٰزِقِينَ
Sa mangataka tambiny amin’izy ireo ve ianao ? Fa ny tambiny avy amin’ny Tomponao no mendrika indrindra. Ary Izy no Ilay Mpanome anjara fivelomana tsara indrindra.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّكَ لَتَدۡعُوهُمۡ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Ary ianao no tena miantso azy ireo amin’ny làlana mahitsy.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ عَنِ ٱلصِّرَٰطِ لَنَٰكِبُونَ
Nefa ny marina, dia ireo izay tsy mino ny any ankoatra no tena mihataka io lalana io.
عربي تفسیرونه:
۞ وَلَوۡ رَحِمۡنَٰهُمۡ وَكَشَفۡنَا مَا بِهِم مِّن ضُرّٖ لَّلَجُّواْ فِي طُغۡيَٰنِهِمۡ يَعۡمَهُونَ
Raha namindra fo tamin’izy ireo Izahay sy nanala ny ratsy taminy, dia tena mbola nijanona ihany tao anatin’ny fandikan-dalàna izy ireo, sy mandeha anjambany ary misalasala.
عربي تفسیرونه:
وَلَقَدۡ أَخَذۡنَٰهُم بِٱلۡعَذَابِ فَمَا ٱسۡتَكَانُواْ لِرَبِّهِمۡ وَمَا يَتَضَرَّعُونَ
Ary efa noraisinay tamin’ny famaizana tokoa izy ireo, nefa mbola tsy nankato ny Tompon’izy ireo ihany, ary tsy mitalaho mihitsy.
عربي تفسیرونه:
حَتَّىٰٓ إِذَا فَتَحۡنَا عَلَيۡهِم بَابٗا ذَا عَذَابٖ شَدِيدٍ إِذَا هُمۡ فِيهِ مُبۡلِسُونَ
Mandra-pahatongan’ny andro izay hanokafanay ny varavaran’ny famaizana mafy, dia indro fa tena kivy tanteraka izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَهُوَ ٱلَّذِيٓ أَنشَأَ لَكُمُ ٱلسَّمۡعَ وَٱلۡأَبۡصَٰرَ وَٱلۡأَفۡـِٔدَةَۚ قَلِيلٗا مَّا تَشۡكُرُونَ
Ary Izy no Nahary ho anareo ny fandrenesana, ireo fahitana sy ireo fo. Nefa zara raha mankasitraka ianareo.
عربي تفسیرونه:
وَهُوَ ٱلَّذِي ذَرَأَكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَإِلَيۡهِ تُحۡشَرُونَ
Ary Izy no nampiely anareo eny ambonin’ny tany, ary any Aminy no hanangonana anareo.
عربي تفسیرونه:
وَهُوَ ٱلَّذِي يُحۡيِۦ وَيُمِيتُ وَلَهُ ٱخۡتِلَٰفُ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Ary Izy no manome ny aina sy manome ny fahafatesana; ary miankina Aminy ny fifandimbiasan’ny alina sy ny atoandro. Moa ve tsy mba misaina ianareo ?
عربي تفسیرونه:
بَلۡ قَالُواْ مِثۡلَ مَا قَالَ ٱلۡأَوَّلُونَ
Nefa dia niteny mitovy amin’izany no notenenin’ireo olona talohan’ izy ireo.
عربي تفسیرونه:
قَالُوٓاْ أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ
Niteny izy ireo hoe : “Raha maty izahay, ka lasa vovoka sy taolana. Moa hatsangana amin’ny maty tokoa ve izahay ?”
عربي تفسیرونه:
لَقَدۡ وُعِدۡنَا نَحۡنُ وَءَابَآؤُنَا هَٰذَا مِن قَبۡلُ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّآ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Efa nampanantenana izany izahay, sy ireo razam-benay teo aloha ihany koa, dia tsy inona akory izany afa-tsy anganon’ireo Ntaolo fahiny”.
عربي تفسیرونه:
قُل لِّمَنِ ٱلۡأَرۡضُ وَمَن فِيهَآ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Teneno hoe : “An’iza ny tany sy izay rehetra ao aminy, raha toa ka mahalala ianareo ?”
عربي تفسیرونه:
سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ
Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy tsaroanareo ve izany ?”
عربي تفسیرونه:
قُلۡ مَن رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ ٱلسَّبۡعِ وَرَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡعَظِيمِ
Ka teneno hoe : “Iza no Tompon’ireo lanitra fito, ary iza no Tompon’ny Seza fiandrianana lehibe ?”
عربي تفسیرونه:
سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ أَفَلَا تَتَّقُونَ
Hiteny izy ireo hoe : “An’I Allah”. Teneno hoe : “Moa tsy matahotra ve ianareo ?”
عربي تفسیرونه:
قُلۡ مَنۢ بِيَدِهِۦ مَلَكُوتُ كُلِّ شَيۡءٖ وَهُوَ يُجِيرُ وَلَا يُجَارُ عَلَيۡهِ إِن كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Teneno hoe : “Eo am-pelatanan’iza ny fanjakana fara-tampon’ny zava-drehetra, ary iza no miaro sy tsy mila fiarovana, raha fantatrareo (izany) ?
عربي تفسیرونه:
سَيَقُولُونَ لِلَّهِۚ قُلۡ فَأَنَّىٰ تُسۡحَرُونَ
Hiteny izy ireo hoe : “Ho an’I Allah” Teneno hoe : “Ahoana àry ianareo no mbola hanjakan’ny mosavy, (ka nahatonga anareo tsy hino Azy) ?”
عربي تفسیرونه:
بَلۡ أَتَيۡنَٰهُم بِٱلۡحَقِّ وَإِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ
Nefa noentinay tamin’izy ireo ny fahamarinana, ary tena marina fa mpandainga izy ireo.
عربي تفسیرونه:
مَا ٱتَّخَذَ ٱللَّهُ مِن وَلَدٖ وَمَا كَانَ مَعَهُۥ مِنۡ إِلَٰهٍۚ إِذٗا لَّذَهَبَ كُلُّ إِلَٰهِۭ بِمَا خَلَقَ وَلَعَلَا بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖۚ سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ عَمَّا يَصِفُونَ
Tsy manan-janaka velively Allah, ary tsy misy zanahary hafa miaraka Aminy. Raha tsy izany dia samy handeha hiaraka amin’izay nohariany avy ny zanahary tsirairay. Ary ny sasany amin’izy ireo dia ho lasa ambonimbony noho ny hafa. Ho an’i Allah anie ny voninahitra sy ny fahadiovana ! Izy no ambony indrindra amin’izay faritan’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
عَٰلِمِ ٱلۡغَيۡبِ وَٱلشَّهَٰدَةِ فَتَعَٰلَىٰ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
(Izy no) Mahalala ny zava-miafina sy ny hita maso ! Ary Izy dia ambony lavitra noho izay ankamban’izy ireo Aminy !
عربي تفسیرونه:
قُل رَّبِّ إِمَّا تُرِيَنِّي مَا يُوعَدُونَ
Teneno hoe : “Tompo ô ! Raha sanatria ka asehonao ahy izay ampanantenainao azy ireo."
عربي تفسیرونه:
رَبِّ فَلَا تَجۡعَلۡنِي فِي ٱلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ
"Tompo ô ! Aza atao ho anisan’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aho !”
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّا عَلَىٰٓ أَن نُّرِيَكَ مَا نَعِدُهُمۡ لَقَٰدِرُونَ
Ary ho afaka tokoa hampiseho aminao izay nampanantenanay azy ireo Izahay.
عربي تفسیرونه:
ٱدۡفَعۡ بِٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُ ٱلسَّيِّئَةَۚ نَحۡنُ أَعۡلَمُ بِمَا يَصِفُونَ
Atoseho amin’ny alalan’izay tena tsara ny ratsy. Izahay no tena mahalala izay faritan’izy ireo.
عربي تفسیرونه:
وَقُل رَّبِّ أَعُوذُ بِكَ مِنۡ هَمَزَٰتِ ٱلشَّيَٰطِينِ
Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Mangataka fiarovana Aminao aho, mba hanoherana ireo fanangolen’ireo satana."
عربي تفسیرونه:
وَأَعُوذُ بِكَ رَبِّ أَن يَحۡضُرُونِ
" Ary mangata-piarovana Aminao ihany koa aho ry Tompo, mba tsy hanatonan’izy ireo ahy”.
عربي تفسیرونه:
حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءَ أَحَدَهُمُ ٱلۡمَوۡتُ قَالَ رَبِّ ٱرۡجِعُونِ
Koa rehefa tonga amin’ny anankiray amin’izy ireo ny fahafatesana, dia hiteny izy hoe : ”Ry Tompoko ! avereno indray (eny ambonin’ny tany) aho.
عربي تفسیرونه:
لَعَلِّيٓ أَعۡمَلُ صَٰلِحٗا فِيمَا تَرَكۡتُۚ كَلَّآۚ إِنَّهَا كَلِمَةٌ هُوَ قَآئِلُهَاۖ وَمِن وَرَآئِهِم بَرۡزَخٌ إِلَىٰ يَوۡمِ يُبۡعَثُونَ
"Mba hanaovako ny tsara tamin’izay navelako”. Tsia ! Izany dia teny lazaina fotsiny ihany. Ary aorian’izy ireo anefa dia misy sakana (barzakh) hatramin’ny andro izay hananganana azy ireo amin’ny maty.
عربي تفسیرونه:
فَإِذَا نُفِخَ فِي ٱلصُّورِ فَلَآ أَنسَابَ بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَئِذٖ وَلَا يَتَسَآءَلُونَ
Ary raha ho tsofina ny Trompeta (Anjomara) dia tsy hisy intsony ny fihavanana amin’izy ireo amin’izany andro izany, ary tsy hifanontany izy ireo.
عربي تفسیرونه:
فَمَن ثَقُلَتۡ مَوَٰزِينُهُۥ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُفۡلِحُونَ
Ka izay mavesatra ny mizànany, dia izy ireny no olon-tsambatra.
عربي تفسیرونه:
وَمَنۡ خَفَّتۡ مَوَٰزِينُهُۥ فَأُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ خَسِرُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ فِي جَهَنَّمَ خَٰلِدُونَ
Fa ireo izay maivana kosa ny mizànany, dia maty antoka ny tenan'izy ireo, ka hitoetra ao anatin’ny afobe mandrakizay izy ireo.
عربي تفسیرونه:
تَلۡفَحُ وُجُوهَهُمُ ٱلنَّارُ وَهُمۡ فِيهَا كَٰلِحُونَ
Handoro ny tavan’izy ireo ny afo, ary hikainkona ny molotr’izy ireo amin’izany.
عربي تفسیرونه:
أَلَمۡ تَكُنۡ ءَايَٰتِي تُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡ فَكُنتُم بِهَا تُكَذِّبُونَ
“Moa ve tsy novakiana taminareo ireo fanambarako, nefa nolazainareo fa lainga izy ireny”.
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ رَبَّنَا غَلَبَتۡ عَلَيۡنَا شِقۡوَتُنَا وَكُنَّا قَوۡمٗا ضَآلِّينَ
Niteny izy ireo hoe : “Tomponay ô ! Resin’ny fahorianay izahay, ary olona very làlana izahay”.
عربي تفسیرونه:
رَبَّنَآ أَخۡرِجۡنَا مِنۡهَا فَإِنۡ عُدۡنَا فَإِنَّا ظَٰلِمُونَ
"Tomponay ô ! Avoahy amin’izao (afobe) izahay ! Ka raha mamerina indray izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”.
عربي تفسیرونه:
قَالَ ٱخۡسَـُٔواْ فِيهَا وَلَا تُكَلِّمُونِ
Niteny Izy ka namaly hoe : “Mijanona ao ianareo (afa-baraka), ary aza miteny Amiko intsony”.
عربي تفسیرونه:
إِنَّهُۥ كَانَ فَرِيقٞ مِّنۡ عِبَادِي يَقُولُونَ رَبَّنَآ ءَامَنَّا فَٱغۡفِرۡ لَنَا وَٱرۡحَمۡنَا وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلرَّٰحِمِينَ
Misy andiany tamin’ireo mpanompoko izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Mino izahay, ka avelao ny helokay ary hamindrao fo izahay, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamindra fo.”
عربي تفسیرونه:
فَٱتَّخَذۡتُمُوهُمۡ سِخۡرِيًّا حَتَّىٰٓ أَنسَوۡكُمۡ ذِكۡرِي وَكُنتُم مِّنۡهُمۡ تَضۡحَكُونَ
Ka nanesoheso azy ireny ianareo, hany ka adinonareo tanteraka ny fahatsiarovana Ahy, ary nataonareo fihomezana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
إِنِّي جَزَيۡتُهُمُ ٱلۡيَوۡمَ بِمَا صَبَرُوٓاْ أَنَّهُمۡ هُمُ ٱلۡفَآئِزُونَ
Tena marina fa Izaho indrindra no hanome valisoa azy ireo anio, noho izy ireo naharitra, ary izy ireo tokoa no mpandresy.
عربي تفسیرونه:
قَٰلَ كَمۡ لَبِثۡتُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ عَدَدَ سِنِينَ
Niteny Izy nanao hoe : “Firy taona no nipetrahanareo teny ambonin’ny tany ?”
عربي تفسیرونه:
قَالُواْ لَبِثۡنَا يَوۡمًا أَوۡ بَعۡضَ يَوۡمٖ فَسۡـَٔلِ ٱلۡعَآدِّينَ
Niteny izy ireo, ka namaly hoe : “Nipetraka andro iray izahay teny, na tapak’andro (ampahan’ny andro), koa anontanio àry ireo mpanisa”.
عربي تفسیرونه:
قَٰلَ إِن لَّبِثۡتُمۡ إِلَّا قَلِيلٗاۖ لَّوۡ أَنَّكُمۡ كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ
Niteny Izy hoe : “Tsy nipetraka raha tsy fotoana vitsy monja ianareo, raha mba fantatrareo tokoa izany”.
عربي تفسیرونه:
أَفَحَسِبۡتُمۡ أَنَّمَا خَلَقۡنَٰكُمۡ عَبَثٗا وَأَنَّكُمۡ إِلَيۡنَا لَا تُرۡجَعُونَ
Moa ve mihevitra ianareo, fa noharianay tsy amin’ny antony, ary tsy haverinay aty Aminay ianareo ?
عربي تفسیرونه:
فَتَعَٰلَى ٱللَّهُ ٱلۡمَلِكُ ٱلۡحَقُّۖ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ رَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡكَرِيمِ
Fiderana avo indrindra ho an’I Allah, Ilay Mpanjaka tena marina. Tsy misy tompo afa-tsy Izy. Tompon’ny Seza fiandrianana be voninahitra.
عربي تفسیرونه:
وَمَن يَدۡعُ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَ لَا بُرۡهَٰنَ لَهُۥ بِهِۦ فَإِنَّمَا حِسَابُهُۥ عِندَ رَبِّهِۦٓۚ إِنَّهُۥ لَا يُفۡلِحُ ٱلۡكَٰفِرُونَ
Ary na iza na iza miantso tompo hafa miaraka amin’I Allah, ka tsy manana porofo mazava ny amin’izany izy, dia eo anatrehan’ny Tompony. ny fitsarana azy. Tena marina fa tsy hahita fahombiazana ireo tsy mpino.
عربي تفسیرونه:
وَقُل رَّبِّ ٱغۡفِرۡ وَٱرۡحَمۡ وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلرَّٰحِمِينَ
Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Mamelà sy mamindrà fo, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamindra-fo."
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: مؤمنون
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول