Check out the new design

د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز * - د ژباړو فهرست (لړلیک)


د معناګانو ژباړه سورت: مؤمنون   آیت:
وَٱلَّذِينَ يُؤۡتُونَ مَآ ءَاتَواْ وَّقُلُوبُهُمۡ وَجِلَةٌ أَنَّهُمۡ إِلَىٰ رَبِّهِمۡ رَٰجِعُونَ
Ary ireo manome izay nomena azy, ary feno fatahorana ny fon’izy ireo, fa tsy maintsy hiverina amin’ny Tompony izy ireo.
عربي تفسیرونه:
أُوْلَٰٓئِكَ يُسَٰرِعُونَ فِي ٱلۡخَيۡرَٰتِ وَهُمۡ لَهَا سَٰبِقُونَ
Izy ireny dia mizotra haingana amin’ny fanaovana ireo asa soa, ary voalohany amin’ny fanatanterahana izany.
عربي تفسیرونه:
وَلَا نُكَلِّفُ نَفۡسًا إِلَّا وُسۡعَهَاۚ وَلَدَيۡنَا كِتَٰبٞ يَنطِقُ بِٱلۡحَقِّ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ
Izahay dia tsy mampitondra ny olona ny zavatra izay tsy zakany, ary eo anatrehanay dia misy Boky izay milaza ny marina, ka tsy hambakaina mihitsy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
بَلۡ قُلُوبُهُمۡ فِي غَمۡرَةٖ مِّنۡ هَٰذَا وَلَهُمۡ أَعۡمَٰلٞ مِّن دُونِ ذَٰلِكَ هُمۡ لَهَا عَٰمِلُونَ
Nefa ny fon’izy ireo dia mitoetra ao anatin’ny habadoana eo anatrehan’izany (Kor’any). Ankoatra izany, dia manana asa (ratsy) izay tanterahany izy ireo.
عربي تفسیرونه:
حَتَّىٰٓ إِذَآ أَخَذۡنَا مُتۡرَفِيهِم بِٱلۡعَذَابِ إِذَا هُمۡ يَجۡـَٔرُونَ
Mandra-pandefasanay ny famaizana ho amin’ny manan-katao amin’izy ireo, dia indro hikiakiaka hiantso vonjy izy ireo.
عربي تفسیرونه:
لَا تَجۡـَٔرُواْ ٱلۡيَوۡمَۖ إِنَّكُم مِّنَّا لَا تُنصَرُونَ
Aza mikiakiaka miantso vonjy ianareo androany, fa tsy misy afaka hiaro anareo hanohitra Anay.
عربي تفسیرونه:
قَدۡ كَانَتۡ ءَايَٰتِي تُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡ فَكُنتُمۡ عَلَىٰٓ أَعۡقَٰبِكُمۡ تَنكِصُونَ
Efa novakiana taminareo ireo fanambaranay, nefa notsipahanareo izany.
عربي تفسیرونه:
مُسۡتَكۡبِرِينَ بِهِۦ سَٰمِرٗا تَهۡجُرُونَ
Feno fiavonavonana ianareo, ary namaivaninareo izany nandritra ny fiaretan-tory nataonareo.
عربي تفسیرونه:
أَفَلَمۡ يَدَّبَّرُواْ ٱلۡقَوۡلَ أَمۡ جَآءَهُم مَّا لَمۡ يَأۡتِ ءَابَآءَهُمُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Moa ve tsy mandinika ny teny (Kor’any) izy ireo ? Sa efa tonga tamin’izy ireo izay tsy mbola tonga mihitsy tamin’ireo razambeny fahiny.
عربي تفسیرونه:
أَمۡ لَمۡ يَعۡرِفُواْ رَسُولَهُمۡ فَهُمۡ لَهُۥ مُنكِرُونَ
Sa tsy nahafantatra ny Iraka tonga taminy ve izy ireo, ka notsipahan’ izy ireo izy ?
عربي تفسیرونه:
أَمۡ يَقُولُونَ بِهِۦ جِنَّةُۢۚ بَلۡ جَآءَهُم بِٱلۡحَقِّ وَأَكۡثَرُهُمۡ لِلۡحَقِّ كَٰرِهُونَ
Sa hiteny izy ireo hoe : “Azon’ny adalana izy ?”. Tsy izany mihitsy, fa ny fahamarinana no nentiny tamin’izy ireo. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia mankahala ny fahamarinana.
عربي تفسیرونه:
وَلَوِ ٱتَّبَعَ ٱلۡحَقُّ أَهۡوَآءَهُمۡ لَفَسَدَتِ ٱلسَّمَٰوَٰتُ وَٱلۡأَرۡضُ وَمَن فِيهِنَّۚ بَلۡ أَتَيۡنَٰهُم بِذِكۡرِهِمۡ فَهُمۡ عَن ذِكۡرِهِم مُّعۡرِضُونَ
Raha ny fahamarinana nifanaraka tamin’ny sitrapon’izy ireo, dia ho simba tokoa ireo lanitra sy ny tany ary izay ao aminy. Tsy izany anefa, fa efa nomenay azy ireo ny fampatsiahivana. Nefa nitodi-damosina tamin’ny fampatsiahivana izy ireo.
عربي تفسیرونه:
أَمۡ تَسۡـَٔلُهُمۡ خَرۡجٗا فَخَرَاجُ رَبِّكَ خَيۡرٞۖ وَهُوَ خَيۡرُ ٱلرَّٰزِقِينَ
Sa mangataka tambiny amin’izy ireo ve ianao ? Fa ny tambiny avy amin’ny Tomponao no mendrika indrindra. Ary Izy no Ilay Mpanome anjara fivelomana tsara indrindra.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّكَ لَتَدۡعُوهُمۡ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Ary ianao no tena miantso azy ireo amin’ny làlana mahitsy.
عربي تفسیرونه:
وَإِنَّ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ عَنِ ٱلصِّرَٰطِ لَنَٰكِبُونَ
Nefa ny marina, dia ireo izay tsy mino ny any ankoatra no tena mihataka io lalana io.
عربي تفسیرونه:
 
د معناګانو ژباړه سورت: مؤمنون
د سورتونو فهرست (لړلیک) د مخ نمبر
 
د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - مالاغاشي ژباړه - د رواد الترجمې مرکز - د ژباړو فهرست (لړلیک)

دا ژباړه د مرکز رواد الترجمة ټیم لخوا د ربوہ د تبلیغ ټولنې او د اسلامي منځپانګې د خدماتو ټولنې په همکارۍ شوې.

بندول