Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഖമർ   ആയത്ത്:

Al-qamar

ٱقۡتَرَبَتِ ٱلسَّاعَةُ وَٱنشَقَّ ٱلۡقَمَرُ
Manakaiky ilay ora, ary mitresaka ny volana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِن يَرَوۡاْ ءَايَةٗ يُعۡرِضُواْ وَيَقُولُواْ سِحۡرٞ مُّسۡتَمِرّٞ
Raha mahita fahagagana izy ireo, dia manome lamosina, ka miteny hoe : “ Majika maharitra izany ! ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَكَذَّبُواْ وَٱتَّبَعُوٓاْ أَهۡوَآءَهُمۡۚ وَكُلُّ أَمۡرٖ مُّسۡتَقِرّٞ
Ary lazainy fa lainga, ka manaraka ny sitrapony izy ireo, nefa dia ho avy amin ‘ny fotoana ny zavatra tsirairay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ جَآءَهُم مِّنَ ٱلۡأَنۢبَآءِ مَا فِيهِ مُزۡدَجَرٌ
Nahazo vaovao izay nampitandrina azy anefa izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
حِكۡمَةُۢ بَٰلِغَةٞۖ فَمَا تُغۡنِ ٱلنُّذُرُ
Fahendrena tonga lafatra. Saingy tsy misy ilan’izy ireo ny fampitandremana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَتَوَلَّ عَنۡهُمۡۘ يَوۡمَ يَدۡعُ ٱلدَّاعِ إِلَىٰ شَيۡءٖ نُّكُرٍ
Mialà amin’izy ireo ianao. Ny andro hiantsoan’ny mpiantso ho any amin’ny zavatra mampihoron-koditra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
خُشَّعًا أَبۡصَٰرُهُمۡ يَخۡرُجُونَ مِنَ ٱلۡأَجۡدَاثِ كَأَنَّهُمۡ جَرَادٞ مُّنتَشِرٞ
Hivoaka avy any am-pasana izy ireo, hiondri-pijery; toy ny valala miparitaka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مُّهۡطِعِينَ إِلَى ٱلدَّاعِۖ يَقُولُ ٱلۡكَٰفِرُونَ هَٰذَا يَوۡمٌ عَسِرٞ
Hihazakazaka, hanalava tenda mankany amin’ny mpiantso, ka hiteny ireo tsy mpino hoe : “Andro sarotra tokoa ity ”.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
۞ كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٖ فَكَذَّبُواْ عَبۡدَنَا وَقَالُواْ مَجۡنُونٞ وَٱزۡدُجِرَ
Talohan’izy ireo, dia efa niampanga izany ho lainga ny vahoakan’i Noa, ka nolazainy ho mpandainga ny mpanomponay, ary hoy izy ireo : “ Adala izy io ! ”, ary dia voatosika izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَدَعَا رَبَّهُۥٓ أَنِّي مَغۡلُوبٞ فَٱنتَصِرۡ
Dia niantso ny Tompony izy hoe : “ Resy aho, ka apandreseo ! ”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَفَتَحۡنَآ أَبۡوَٰبَ ٱلسَّمَآءِ بِمَآءٖ مُّنۡهَمِرٖ
Dia nosokafanay ireo varavaran’ny lanitra, ho amin’ny ranon'oram-baratra
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَفَجَّرۡنَا ٱلۡأَرۡضَ عُيُونٗا فَٱلۡتَقَى ٱلۡمَآءُ عَلَىٰٓ أَمۡرٖ قَدۡ قُدِرَ
Ary napoitranay avy amin'ny tany ireo loharano, ka nifanena ireo rano ireo araka ny fandaharana efa voafetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَحَمَلۡنَٰهُ عَلَىٰ ذَاتِ أَلۡوَٰحٖ وَدُسُرٖ
Dia noentinay tamin'ny zavatra vita amin’ny hazo, sy fantsika izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
تَجۡرِي بِأَعۡيُنِنَا جَزَآءٗ لِّمَن كَانَ كُفِرَ
Nitsingevana teo ambany masonay ny valisoa ho an’ilay nolavina.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَد تَّرَكۡنَٰهَآ ءَايَةٗ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ
Ary navelanay ho toy ny famantarana izany mba misy mieritreritra va ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَكَيۡفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ
Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ يَسَّرۡنَا ٱلۡقُرۡءَانَ لِلذِّكۡرِ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ
Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
كَذَّبَتۡ عَادٞ فَكَيۡفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ
Niampanga azy ho mpandainga ireo Aad. Nanao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّآ أَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمۡ رِيحٗا صَرۡصَرٗا فِي يَوۡمِ نَحۡسٖ مُّسۡتَمِرّٖ
Nandefasanay rivo-mahery sady mamirifiry izy ireo, tamin’ny tonon’andro ratsy, tsy nanam-pahataperana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
تَنزِعُ ٱلنَّاسَ كَأَنَّهُمۡ أَعۡجَازُ نَخۡلٖ مُّنقَعِرٖ
Nongotany tahaka ny vodin-kazona palma miala amin’ny vahany ny olona.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَكَيۡفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ
Manao ahona ny famaizako sy ny fampitandremako ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ يَسَّرۡنَا ٱلۡقُرۡءَانَ لِلذِّكۡرِ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ
Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
كَذَّبَتۡ ثَمُودُ بِٱلنُّذُرِ
Nataon’ireo Thamod ho lainga ny fampitandremana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَقَالُوٓاْ أَبَشَرٗا مِّنَّا وَٰحِدٗا نَّتَّبِعُهُۥٓ إِنَّآ إِذٗا لَّفِي ضَلَٰلٖ وَسُعُرٍ
Hoy izy ireo: “ Hanarak'olona avy eto amintsika ihany va isika ? Koa dia ho any amin’ny fahaverezana, sy ny hadalàna isika raha izany ".
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَءُلۡقِيَ ٱلذِّكۡرُ عَلَيۡهِ مِنۢ بَيۡنِنَا بَلۡ هُوَ كَذَّابٌ أَشِرٞ
Nalefa taminy irery va ny hafatra fa tsy tamintsika rehetra ? Tena mpandainga rain-dahiny tokoa io, be hambo sady miavonavona.”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
سَيَعۡلَمُونَ غَدٗا مَّنِ ٱلۡكَذَّابُ ٱلۡأَشِرُ
Ho fantatr’izy ireo rahampitso izay mpandainga rain-dahiny, feno fiheboana sady miavonavona.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّا مُرۡسِلُواْ ٱلنَّاقَةِ فِتۡنَةٗ لَّهُمۡ فَٱرۡتَقِبۡهُمۡ وَٱصۡطَبِرۡ
Halefanay eo amin’izy ireo ny rameva vavy, ho fitsapana. Araho maso àry izy ireo, ka mahareta ianao.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَنَبِّئۡهُمۡ أَنَّ ٱلۡمَآءَ قِسۡمَةُۢ بَيۡنَهُمۡۖ كُلُّ شِرۡبٖ مُّحۡتَضَرٞ
Lazao amin’izy ireo, fa ho zaraina aminy ny rano, ka samy hisotro isakan'ny anjaram-pisotroany izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَنَادَوۡاْ صَاحِبَهُمۡ فَتَعَاطَىٰ فَعَقَرَ
Nantsoin’izy ireo ilay namany, izay nandray (sabatra), ka namono azy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَكَيۡفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ
Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّآ أَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمۡ صَيۡحَةٗ وَٰحِدَةٗ فَكَانُواْ كَهَشِيمِ ٱلۡمُحۡتَظِرِ
Nandefa hiaka tokana tamin’izy ireo Izahay, ka indro fa tahaka ny mololo anaty vala izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ يَسَّرۡنَا ٱلۡقُرۡءَانَ لِلذِّكۡرِ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ
Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
كَذَّبَتۡ قَوۡمُ لُوطِۭ بِٱلنُّذُرِ
Nataon’ny vahoakan’i Lota ho lainga ny fampitandremana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّآ أَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمۡ حَاصِبًا إِلَّآ ءَالَ لُوطٖۖ نَّجَّيۡنَٰهُم بِسَحَرٖ
Nandefa rivo-mahery tamin’izy ireo izahay, afa tsy tamin’ny fianakavian'i Lota, izay novonjenay talohan’ny mangiran-dratsy,
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
نِّعۡمَةٗ مِّنۡ عِندِنَاۚ كَذَٰلِكَ نَجۡزِي مَن شَكَرَ
Fahasoavana avy Aminay, toy izany no amalianay soa izay mahay mankasitraka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ أَنذَرَهُم بَطۡشَتَنَا فَتَمَارَوۡاْ بِٱلنُّذُرِ
Nampitandrina azy ireo ny amin’ny famaizana avy Aminay anefa izy. Saingy nampisalasala azy ireo ny fampitandremana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ رَٰوَدُوهُ عَن ضَيۡفِهِۦ فَطَمَسۡنَآ أَعۡيُنَهُمۡ فَذُوقُواْ عَذَابِي وَنُذُرِ
Araka izany, dia nitady haka fanahy ireo vahinin'izy ireo, ka nataonay jamba ny masony : “Andramo ary ny Famaizako sy ny fampitandremako.”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ صَبَّحَهُم بُكۡرَةً عَذَابٞ مُّسۡتَقِرّٞ
Vao maraina dia azon’ny famaizana maharitra izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَذُوقُواْ عَذَابِي وَنُذُرِ
Andramo àry ny famaizako sy ny fampitandremako.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ يَسَّرۡنَا ٱلۡقُرۡءَانَ لِلذِّكۡرِ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ
Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany mba misy mieritreritra va ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ جَآءَ ءَالَ فِرۡعَوۡنَ ٱلنُّذُرُ
Tonga tamin’ireo olon’i Faraona tokoa ireo fampitandremana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا كُلِّهَا فَأَخَذۡنَٰهُمۡ أَخۡذَ عَزِيزٖ مُّقۡتَدِرٍ
Nataon’izy ireo ho lainga avokoa ny famantarana avy Aminay. Dia nosazianay izy ireo, amin’ny fanasazian’ilay tsitoha, ilay mahefa ny zavatra rehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَكُفَّارُكُمۡ خَيۡرٞ مِّنۡ أُوْلَٰٓئِكُمۡ أَمۡ لَكُم بَرَآءَةٞ فِي ٱلزُّبُرِ
Moa tsara kokoa noho izy ireny va ireo tsy mpino aminareo ? Sa misy fanafahana anareo tsy hanan-tsiny ao amin’ny raki-tsoratra ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمۡ يَقُولُونَ نَحۡنُ جَمِيعٞ مُّنتَصِرٞ
Na hilaza izy ireo hoe : “Andehahitambatra isika, ary handresy.”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
سَيُهۡزَمُ ٱلۡجَمۡعُ وَيُوَلُّونَ ٱلدُّبُرَ
Ho rava tsy ho ela ny fitambaran’izy ireo, ka samy handositra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
بَلِ ٱلسَّاعَةُ مَوۡعِدُهُمۡ وَٱلسَّاعَةُ أَدۡهَىٰ وَأَمَرُّ
Fa ny Ora no hifamotoanan’izy ireo ka hahatsiravina tokoa ilay Orano sady hangidy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّ ٱلۡمُجۡرِمِينَ فِي ضَلَٰلٖ وَسُعُرٖ
Anatin’ny fahaverezana sy ny hadalana tokoa ireo mpanao ratsy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَوۡمَ يُسۡحَبُونَ فِي ٱلنَّارِ عَلَىٰ وُجُوهِهِمۡ ذُوقُواْ مَسَّ سَقَرَ
Ny andro hitaritarihana azy ireo amin’ny tarehiny ao amin’ny afo (dia ho lazaina aminy hoe) : “Andramo ny fikasihana ny afobe.”
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّا كُلَّ شَيۡءٍ خَلَقۡنَٰهُ بِقَدَرٖ
Nahary ny zavatra rehetra amin’ny antony Izahay.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَآ أَمۡرُنَآ إِلَّا وَٰحِدَةٞ كَلَمۡحِۭ بِٱلۡبَصَرِ
Ary tokana ihany ny baikonay toy ny indray mipi-maso.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ أَهۡلَكۡنَآ أَشۡيَاعَكُمۡ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ
Nandringana vahoaka mitovy aminareo tokoa Izahay. Misy mba mahatsiaro izany va ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَكُلُّ شَيۡءٖ فَعَلُوهُ فِي ٱلزُّبُرِ
Ary voasoratra ao amin’ny Boky avokoa izay nataon’izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَكُلُّ صَغِيرٖ وَكَبِيرٖ مُّسۡتَطَرٌ
Ka voatahiry avokoa ny zava-nitranga na kely na lehibe.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي جَنَّٰتٖ وَنَهَرٖ
Ho ao amin’ireo zaridaina sy renirano tokoa ireo vontom-pinoana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فِي مَقۡعَدِ صِدۡقٍ عِندَ مَلِيكٖ مُّقۡتَدِرِۭ
Ao amin’ny toeram-pialan-tsasatra marina eo anatrehan’ilay Tompo Mahefa ny zavatra rehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ഖമർ
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക