Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നജ്മ്   ആയത്ത്:

An-najm

وَٱلنَّجۡمِ إِذَا هَوَىٰ
Mianiana amin’ny kintana izay efa hilentika Aho !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَا ضَلَّ صَاحِبُكُمۡ وَمَا غَوَىٰ
Fa tsy diso lalana ny namanareo, ary tsy tafiditra anatin'ny fahadisoana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَا يَنطِقُ عَنِ ٱلۡهَوَىٰٓ
Ary tsy miteny araka ny sitrapony izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنۡ هُوَ إِلَّا وَحۡيٞ يُوحَىٰ
Fa izany dia faminaniana tonga taminy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
عَلَّمَهُۥ شَدِيدُ ٱلۡقُوَىٰ
Izay nampianarin’ilay hery lehibe taminy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ذُو مِرَّةٖ فَٱسۡتَوَىٰ
Manan-tsaina ; ary niseho tamin’ny endrika maha izy azy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَهُوَ بِٱلۡأُفُقِ ٱلۡأَعۡلَىٰ
Raha teo amin’ny fara-vodilanitra ambony izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ثُمَّ دَنَا فَتَدَلَّىٰ
Avy eo dia nanatona sy nidina ambanimbany kokoa izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَكَانَ قَابَ قَوۡسَيۡنِ أَوۡ أَدۡنَىٰ
Hatreo amin’izay tratran’ny zana-tsipika indroa, na akaiky kokoa noho izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَوۡحَىٰٓ إِلَىٰ عَبۡدِهِۦ مَآ أَوۡحَىٰ
Nambarany tamin’ny mpanompony izay nambarany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَا كَذَبَ ٱلۡفُؤَادُ مَا رَأَىٰٓ
Tsy nandainga tamin’izay hitany ny fo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَفَتُمَٰرُونَهُۥ عَلَىٰ مَا يَرَىٰ
Moa toherinareo amin’izay hitany va izy ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلَقَدۡ رَءَاهُ نَزۡلَةً أُخۡرَىٰ
Efa hitany tamin’ny fidinana hafa koa anefa izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
عِندَ سِدۡرَةِ ٱلۡمُنتَهَىٰ
Teo akaikin'ny Sidratoul-mountaha.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
عِندَهَا جَنَّةُ ٱلۡمَأۡوَىٰٓ
Eo akaikiny no misy ny zaridainan’ny fialofana (mandrakizay).
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِذۡ يَغۡشَى ٱلسِّدۡرَةَ مَا يَغۡشَىٰ
Tamin’ny fotoana izay nahasarona ny hazo na mokonazy, tamin’izay nandrakotra azy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مَا زَاغَ ٱلۡبَصَرُ وَمَا طَغَىٰ
Tsy nivily ny fahitany na nihoatra ny tokony ho izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَقَدۡ رَأَىٰ مِنۡ ءَايَٰتِ رَبِّهِ ٱلۡكُبۡرَىٰٓ
Hitany tokoa ny sasany tamin’ireo fahagagana lehibe avy amin’ny Tompony.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَفَرَءَيۡتُمُ ٱللَّٰتَ وَٱلۡعُزَّىٰ
Ka ahoana àry ny fahitanareo ny sampy Làt sy Ozzà?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَنَوٰةَ ٱلثَّالِثَةَ ٱلۡأُخۡرَىٰٓ
Ary koa i Manat, ilay sampy fahatelo hafa ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَلَكُمُ ٱلذَّكَرُ وَلَهُ ٱلۡأُنثَىٰ
Ho anareo va ny zazalahy, fa ho Azy kosa ny zazavavy ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
تِلۡكَ إِذٗا قِسۡمَةٞ ضِيزَىٰٓ
Tena fizarana vilana kosa izany !
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنۡ هِيَ إِلَّآ أَسۡمَآءٞ سَمَّيۡتُمُوهَآ أَنتُمۡ وَءَابَآؤُكُم مَّآ أَنزَلَ ٱللَّهُ بِهَا مِن سُلۡطَٰنٍۚ إِن يَتَّبِعُونَ إِلَّا ٱلظَّنَّ وَمَا تَهۡوَى ٱلۡأَنفُسُۖ وَلَقَدۡ جَآءَهُم مِّن رَّبِّهِمُ ٱلۡهُدَىٰٓ
Anarana noforoninareo ihany izany, ianareo sy ny razam-benareo, fa tsy nampidina porofo mikasika izany I Allah. Tsy manaraka afa-tsy ny fiheverany sy ny sitrapony ihany izy ireo, nefa efa tonga tamin’izy ireo ny tari-dalana avy amin’ny Tompony .
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمۡ لِلۡإِنسَٰنِ مَا تَمَنَّىٰ
Sa efa nahazo izay rehetra niriny kosa ny olombelona.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَلِلَّهِ ٱلۡأٓخِرَةُ وَٱلۡأُولَىٰ
An’I Allah ny fiainana any ankoatra, sy ny fiainana eto an-tany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
۞ وَكَم مِّن مَّلَكٖ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ لَا تُغۡنِي شَفَٰعَتُهُمۡ شَيۡـًٔا إِلَّا مِنۢ بَعۡدِ أَن يَأۡذَنَ ٱللَّهُ لِمَن يَشَآءُ وَيَرۡضَىٰٓ
Ary firifiry ireo anjely any an-danitra, no tsy hahazoana tombotsoa mihitsy ny fanelanelanan’izy ireo, raha tsy aorian’ny alalana avy amin’I Allah, ho an’izay tiany sy ankasitrahany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡمِنُونَ بِٱلۡأٓخِرَةِ لَيُسَمُّونَ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ تَسۡمِيَةَ ٱلۡأُنثَىٰ
Ireo izay tsy mino ny any ankoatra, dia manome anaram-behivavy ireo Anjely.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَا لَهُم بِهِۦ مِنۡ عِلۡمٍۖ إِن يَتَّبِعُونَ إِلَّا ٱلظَّنَّۖ وَإِنَّ ٱلظَّنَّ لَا يُغۡنِي مِنَ ٱلۡحَقِّ شَيۡـٔٗا
Nefa tsy manana fahalalana avy amin’izany izy ireo, fa izay fiheverany ihany no arahiny, nefa tsy misy ilaina ny fiheverana eo anatrehan’ny fahamarinana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَأَعۡرِضۡ عَن مَّن تَوَلَّىٰ عَن ذِكۡرِنَا وَلَمۡ يُرِدۡ إِلَّا ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا
Koa misintaha ary ianao amin’izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy Aminy, ka tsy maniry afa-tsy ny fiainana ankehitriny.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ذَٰلِكَ مَبۡلَغُهُم مِّنَ ٱلۡعِلۡمِۚ إِنَّ رَبَّكَ هُوَ أَعۡلَمُ بِمَن ضَلَّ عَن سَبِيلِهِۦ وَهُوَ أَعۡلَمُ بِمَنِ ٱهۡتَدَىٰ
Izany ihany no takatry ny fahalalany. Fantatry ny Tomponao tokoa izay mihataka amin’ny lalany, ary fantany tanteraka ihany koa izay voatari-dalana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ لِيَجۡزِيَ ٱلَّذِينَ أَسَٰٓـُٔواْ بِمَا عَمِلُواْ وَيَجۡزِيَ ٱلَّذِينَ أَحۡسَنُواْ بِٱلۡحُسۡنَى
An'I Allah izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany, mba hamaliany izay rehetra nanao ny ratsy, araka izay nataony, fahamaliany ny soa kosa izay nanao ny tsara, amin’izay tsara indrindra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلَّذِينَ يَجۡتَنِبُونَ كَبَٰٓئِرَ ٱلۡإِثۡمِ وَٱلۡفَوَٰحِشَ إِلَّا ٱللَّمَمَۚ إِنَّ رَبَّكَ وَٰسِعُ ٱلۡمَغۡفِرَةِۚ هُوَ أَعۡلَمُ بِكُمۡ إِذۡ أَنشَأَكُم مِّنَ ٱلۡأَرۡضِ وَإِذۡ أَنتُمۡ أَجِنَّةٞ فِي بُطُونِ أُمَّهَٰتِكُمۡۖ فَلَا تُزَكُّوٓاْ أَنفُسَكُمۡۖ هُوَ أَعۡلَمُ بِمَنِ ٱتَّقَىٰٓ
Ireo izay mihataka ny fahotana lehibe, sy ny fahavetavetana, ka tsy manao afa-tsy ny hadisoana madinika, dia hamafisina, fa lehibe tokoa ny fahamelan-kelokan'ny Tomponao. Izy no tena mahafantatra anareo, rehefa nahary anareo avy amin’ny tany Izy, sy fony ianareo mbola zazarano tao an-kibon-dreninareo. Aza manadio tena ianareo, fa Izy no tena mahalala izay tena vonto-pinoana.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَفَرَءَيۡتَ ٱلَّذِي تَوَلَّىٰ
Hitanao va ilay nanome lamosina ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَعۡطَىٰ قَلِيلٗا وَأَكۡدَىٰٓ
Nanome kely, avy eo, nitsahatra tsy nanome ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَعِندَهُۥ عِلۡمُ ٱلۡغَيۡبِ فَهُوَ يَرَىٰٓ
Manana fahalalana ny zava-miafina va izy ka hitany ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَمۡ لَمۡ يُنَبَّأۡ بِمَا فِي صُحُفِ مُوسَىٰ
Tsy nambara taminy va izay tao anatin’ny takelak’i Mosesy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَإِبۡرَٰهِيمَ ٱلَّذِي وَفَّىٰٓ
Sy ny an’i Abrahama izay nitazona tanteraka ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَلَّا تَزِرُ وَازِرَةٞ وِزۡرَ أُخۡرَىٰ
Fa tsy hisy hizaka ny enta-mavesatry ny hafa,
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَن لَّيۡسَ لِلۡإِنسَٰنِ إِلَّا مَا سَعَىٰ
Ary raha ny marina dia arakaraka izay fiezahan'ny olombelona ihany no azony.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنَّ سَعۡيَهُۥ سَوۡفَ يُرَىٰ
Ary hamafisina, fa ny fiezahany dia haseho azy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ثُمَّ يُجۡزَىٰهُ ٱلۡجَزَآءَ ٱلۡأَوۡفَىٰ
Avy eo, dia homena valisoa feno tanteraka izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنَّ إِلَىٰ رَبِّكَ ٱلۡمُنتَهَىٰ
Ary hamafisina , fa ho any amin’ny Tomponao avokoa ny zavatra rehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنَّهُۥ هُوَ أَضۡحَكَ وَأَبۡكَىٰ
Fa Izy no hampihomehy sy hampitomany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنَّهُۥ هُوَ أَمَاتَ وَأَحۡيَا
Ary Izy no mamono sy mamelona.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنَّهُۥ خَلَقَ ٱلزَّوۡجَيۡنِ ٱلذَّكَرَ وَٱلۡأُنثَىٰ
Izy no nahary ireo mpivady tsirairay , lahy sy vavy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
مِن نُّطۡفَةٍ إِذَا تُمۡنَىٰ
Avy amin’ny tsirairay rehefa mivoaka.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنَّ عَلَيۡهِ ٱلنَّشۡأَةَ ٱلۡأُخۡرَىٰ
Fa andraikiny ny fahariana faharoa.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنَّهُۥ هُوَ أَغۡنَىٰ وَأَقۡنَىٰ
Ary Izy no mampanan-karena sy mampahazo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنَّهُۥ هُوَ رَبُّ ٱلشِّعۡرَىٰ
Izy no Tompon’ny kintana Sirius.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنَّهُۥٓ أَهۡلَكَ عَادًا ٱلۡأُولَىٰ
Izy no nandringana ireo Aad taloha.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَثَمُودَاْ فَمَآ أَبۡقَىٰ
Toy izany koa ireo Tamod, ka nataony tsy nisy tavela.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَوۡمَ نُوحٖ مِّن قَبۡلُۖ إِنَّهُمۡ كَانُواْ هُمۡ أَظۡلَمَ وَأَطۡغَىٰ
Sy ny vahoakan’i Noa taloha, tena olon’ny tsy fahamarinana sy mpihoa-pefy tokoa izy ireo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَٱلۡمُؤۡتَفِكَةَ أَهۡوَىٰ
Naringany toy izany koa ireo tanàna nivadika.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَغَشَّىٰهَا مَا غَشَّىٰ
ka nosaronany tamin’izay nanaronany azy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكَ تَتَمَارَىٰ
Inona amin’ireo fahasoavan’ny Tomponao àry no mampisalasala anao ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
هَٰذَا نَذِيرٞ مِّنَ ٱلنُّذُرِ ٱلۡأُولَىٰٓ
Indro mpampitandrina, mitovy amin’ireo mpampitandrina taloha.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَزِفَتِ ٱلۡأٓزِفَةُ
Manantona ilay akaiky (ilay Ora Fitsarana).
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَيۡسَ لَهَا مِن دُونِ ٱللَّهِ كَاشِفَةٌ
Tsy misy ankoatra an’I Allah no afaka hampiseho izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
أَفَمِنۡ هَٰذَا ٱلۡحَدِيثِ تَعۡجَبُونَ
Moa mahagaga anareo va io lahateny io (koroany) ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَتَضۡحَكُونَ وَلَا تَبۡكُونَ
Ka mihomehy amin’izany ianareo fa tsy mba mitomany akory ?
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَأَنتُمۡ سَٰمِدُونَ
Variana tanteraka amin’ny fialambolinareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
فَٱسۡجُدُواْۤ لِلَّهِۤ وَٱعۡبُدُواْ۩
Koa miankohofa amin’I Allah àry ianareo, ka tompoy Izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നജ്മ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക