Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നിസാഅ്   ആയത്ത്:
۞ يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ كُونُواْ قَوَّٰمِينَ بِٱلۡقِسۡطِ شُهَدَآءَ لِلَّهِ وَلَوۡ عَلَىٰٓ أَنفُسِكُمۡ أَوِ ٱلۡوَٰلِدَيۡنِ وَٱلۡأَقۡرَبِينَۚ إِن يَكُنۡ غَنِيًّا أَوۡ فَقِيرٗا فَٱللَّهُ أَوۡلَىٰ بِهِمَاۖ فَلَا تَتَّبِعُواْ ٱلۡهَوَىٰٓ أَن تَعۡدِلُواْۚ وَإِن تَلۡوُۥٓاْ أَوۡ تُعۡرِضُواْ فَإِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِمَا تَعۡمَلُونَ خَبِيرٗا
Ô ianareo izay nino ! Mitsangana amim-pahamarinana hatrany ianareo, ho vavolombelon’I Allah na dia manohitra ny tenanareo aza, na ny ray aman-dreny sy ireo havana akaiky. Na dia manan-karena aza izy, na mahantra dia I Allah no mendrika kokoa amin’izy roa. Ka aza manaraka ny sitrapo ianareo, mba tsy hialanareo amin’ny rariny. Raha mitsangana ho vavolombelona mandainga ianareo, na koa mandà izany, tena marina fa I Allah dia Mahafantatra tanteraka izay ataonareo.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ ءَامِنُواْ بِٱللَّهِ وَرَسُولِهِۦ وَٱلۡكِتَٰبِ ٱلَّذِي نَزَّلَ عَلَىٰ رَسُولِهِۦ وَٱلۡكِتَٰبِ ٱلَّذِيٓ أَنزَلَ مِن قَبۡلُۚ وَمَن يَكۡفُرۡ بِٱللَّهِ وَمَلَٰٓئِكَتِهِۦ وَكُتُبِهِۦ وَرُسُلِهِۦ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ فَقَدۡ ضَلَّ ضَلَٰلَۢا بَعِيدًا
Ô ianareo izay nino ! Aoka ho matotra amin'ny finoanareo an’I Allah sy ny Irany ianareo, ary ny Boky izay nampidininy tamin’ny Irany, ary ny Boky izay nampidininy tany aloha. Ka izay tsy nino an’I Allah sy ireo Anjeliny, ireo Bokiny, ireo Irany ary ny Andro farany, dia tena very làlana lavitra tokoa.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ثُمَّ كَفَرُواْ ثُمَّ ءَامَنُواْ ثُمَّ كَفَرُواْ ثُمَّ ٱزۡدَادُواْ كُفۡرٗا لَّمۡ يَكُنِ ٱللَّهُ لِيَغۡفِرَ لَهُمۡ وَلَا لِيَهۡدِيَهُمۡ سَبِيلَۢا
Tena marina fa ireo izay nino, avy eo tsy nino, avy eo nino indray, avy eo niverina tsy nino izy ireo, dia vao maika nampitombo ny tsy finoany; tsy hamela heloka na koa hitari-dalana azy ireo I Allah.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
بَشِّرِ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ بِأَنَّ لَهُمۡ عَذَابًا أَلِيمًا
Lazao amin’ireo mpihatsaravelatsihy, fa ho azy ireo ny famaizana mamirifiry.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
ٱلَّذِينَ يَتَّخِذُونَ ٱلۡكَٰفِرِينَ أَوۡلِيَآءَ مِن دُونِ ٱلۡمُؤۡمِنِينَۚ أَيَبۡتَغُونَ عِندَهُمُ ٱلۡعِزَّةَ فَإِنَّ ٱلۡعِزَّةَ لِلَّهِ جَمِيعٗا
Ireo izay mandray ireo tsy mpino ho sakaiza ankoatra ireo mpino, mitady hery amin’izy ireny ve izy ireo ? Kanefa tena marina fa an’I Allah ny hery rehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَقَدۡ نَزَّلَ عَلَيۡكُمۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ أَنۡ إِذَا سَمِعۡتُمۡ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ يُكۡفَرُ بِهَا وَيُسۡتَهۡزَأُ بِهَا فَلَا تَقۡعُدُواْ مَعَهُمۡ حَتَّىٰ يَخُوضُواْ فِي حَدِيثٍ غَيۡرِهِۦٓ إِنَّكُمۡ إِذٗا مِّثۡلُهُمۡۗ إِنَّ ٱللَّهَ جَامِعُ ٱلۡمُنَٰفِقِينَ وَٱلۡكَٰفِرِينَ فِي جَهَنَّمَ جَمِيعًا
Ary efa nampidina taminareo ao anat'ilay rakitsoratra fa : “Raha maheno ny fanambaran’I Allah ianareo,ka toherina sy tsiratsiraina izany, dia aoka tsy hipetraka amin’izy ireo ianareo mandra-panaovan’izy ireo resaka hafa ankoatra izany”. Raha tsy izany, dia mitovy amin’izy ireo ianareo. Tena marina fa I Allah dia hanangona ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo tsy mpino ao anatin'ny afobe.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നിസാഅ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക