Check out the new design

വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ * - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക


പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നിസാഅ്   ആയത്ത്:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ سَنُدۡخِلُهُمۡ جَنَّٰتٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۖ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقّٗاۚ وَمَنۡ أَصۡدَقُ مِنَ ٱللَّهِ قِيلٗا
Ary ny amin'ireo Mpino sady nanao asa-soa dia hampidirinay amin’ny Paradisa izy ireo,izay ikorianan’ireo renirano isan-karazany avy eo ambaniny. Ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo. Izany dia fampanantenana avy amin’i Allah. Ary iza moa no manana teny marina mihoatra an’I Allah.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
لَّيۡسَ بِأَمَانِيِّكُمۡ وَلَآ أَمَانِيِّ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِۗ مَن يَعۡمَلۡ سُوٓءٗا يُجۡزَ بِهِۦ وَلَا يَجِدۡ لَهُۥ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَلِيّٗا وَلَا نَصِيرٗا
Tsy miankina amin’ny fanirianareo izany, na koa amin’ny fanirian’ireo olon’ny Boky. Fa n’iza n’iza manao asa ratsy, dia ho valiana aminy izany. Ary tsy hahita mpiahy sy mpanavotra azy ankoatr’I Allah izy.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَن يَعۡمَلۡ مِنَ ٱلصَّٰلِحَٰتِ مِن ذَكَرٍ أَوۡ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤۡمِنٞ فَأُوْلَٰٓئِكَ يَدۡخُلُونَ ٱلۡجَنَّةَ وَلَا يُظۡلَمُونَ نَقِيرٗا
Ary n'iza n'iza manao ireo asa soa, na lahy na vavy, ka mpino izy, dia izy ireny no hiditra ao amin’ny Paradisa, ary tsy ho ambakaina na dia mitovy amin’ny singan’ny atrendry aza.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَمَنۡ أَحۡسَنُ دِينٗا مِّمَّنۡ أَسۡلَمَ وَجۡهَهُۥ لِلَّهِ وَهُوَ مُحۡسِنٞ وَٱتَّبَعَ مِلَّةَ إِبۡرَٰهِيمَ حَنِيفٗاۗ وَٱتَّخَذَ ٱللَّهُ إِبۡرَٰهِيمَ خَلِيلٗا
Ary iza no manana finoana mendrika indrindra noho izay manolotra ny tavany ho an’i Allah, sy mpanao asa soa, ary manaraka ny finoan’i Abrahama, finoana madio. Ary i Allah dia nandray an’i Abrahama ho sakaiza mahatoky.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَلِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ وَكَانَ ٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٖ مُّحِيطٗا
Ary an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay ety an-tany. Ary I Allah dia Mahafehy ny zava-drehetra.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
وَيَسۡتَفۡتُونَكَ فِي ٱلنِّسَآءِۖ قُلِ ٱللَّهُ يُفۡتِيكُمۡ فِيهِنَّ وَمَا يُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ فِي يَتَٰمَى ٱلنِّسَآءِ ٱلَّٰتِي لَا تُؤۡتُونَهُنَّ مَا كُتِبَ لَهُنَّ وَتَرۡغَبُونَ أَن تَنكِحُوهُنَّ وَٱلۡمُسۡتَضۡعَفِينَ مِنَ ٱلۡوِلۡدَٰنِ وَأَن تَقُومُواْ لِلۡيَتَٰمَىٰ بِٱلۡقِسۡطِۚ وَمَا تَفۡعَلُواْ مِنۡ خَيۡرٖ فَإِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِهِۦ عَلِيمٗا
Ary hanontany anao izy ireo mahakasik’ireo vehivavy. Teneno hoe : “Allah no hanambara aminareo ny didy momba azy ireo, miampy izay efa novakiana taminareo ao anatin’ilay Boky, mahakasika ny kamboty vavy, izay tsy omenareo azy ireo izay voadidy ho azy ireo. Nefa ianareo naniry hanambady azy ireo. Ary ny momba ireo ankizy lahy tsy ampy taona”. Ary aoka mba hikarakara ara-drariny ireo kamboty ianareo. Ary izay tsara ataonareo dia I Allah no tena Mahalala izany.
അറബി ഖുർആൻ വിവരണങ്ങൾ:
 
പരിഭാഷ അദ്ധ്യായം: ന്നിസാഅ്
സൂറത്തുകളുടെ സൂചിക പേജ് നമ്പർ
 
വിശുദ്ധ ഖുർആൻ പരിഭാഷ - മലഗാസി വിവർത്തനം - റുവ്വാദ് തർജമ സെൻ്റർ - വിവർത്തനങ്ങളുടെ സൂചിക

റബ്‌വ ഇസ്‌ലാമിക് ദഅ്വാ ആൻഡ് ഗൈഡൻസ് സെൻററിൻ്റെയും കോൺടെന്റ് ഇൻ ലാംഗ്വേജസ് സർവീസ് അസോസിയേഷൻ്റെയും സഹകരണത്തോടെ മർകസ് റുവാദ് തർജമ വിഭാഗം വിവർത്തനം ചെയ്തത്.

അടക്കുക