Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់មូរសុីឡាត   វាក្យខណ្ឌ:

Al-morsalat

وَٱلۡمُرۡسَلَٰتِ عُرۡفٗا
Mianiana amin'ireo nalefa nifanesy Aho.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَٱلۡعَٰصِفَٰتِ عَصۡفٗا
Izay mifofofofo mafy !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱلنَّٰشِرَٰتِ نَشۡرٗا
Ary niparitaka tanteraka (tamin'ny toerana rehetra).
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَٱلۡفَٰرِقَٰتِ فَرۡقٗا
Mianiana amin'ireo mpanasaraka mazava (ny tsara sy ny ratsy) Aho,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَٱلۡمُلۡقِيَٰتِ ذِكۡرًا
Izay mandefa fampahatsiarovana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
عُذۡرًا أَوۡ نُذۡرًا
ho fialan-tsiny, na ho fampitandremana !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّمَا تُوعَدُونَ لَوَٰقِعٞ
fa tsy azo ialana izay nampanantenana anareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَإِذَا ٱلنُّجُومُ طُمِسَتۡ
Rahoviana àry vao ho voafafa ireo kintana,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذَا ٱلسَّمَآءُ فُرِجَتۡ
ary hitriatra ny lanitra ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذَا ٱلۡجِبَالُ نُسِفَتۡ
ka ho levona ireo tendrombohitra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذَا ٱلرُّسُلُ أُقِّتَتۡ
ary voafaritra ny fotoanan'ireo Iraka.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لِأَيِّ يَوۡمٍ أُجِّلَتۡ
Andro inona àry no nanemorana izany ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لِيَوۡمِ ٱلۡفَصۡلِ
Amin'ny andron'ny fanapahan-kevitra !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا يَوۡمُ ٱلۡفَصۡلِ
Fa iza no hilaza aminao ny andron'ny fanapahan-kevitra !
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
Loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَمۡ نُهۡلِكِ ٱلۡأَوَّلِينَ
Moa tsy naringanay va ireo voalohany ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ نُتۡبِعُهُمُ ٱلۡأٓخِرِينَ
Moa tsy nampanarahanay azy ireo va ireo farany,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَذَٰلِكَ نَفۡعَلُ بِٱلۡمُجۡرِمِينَ
toy izany no ataonay amin'ireo mpanao ratsy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَمۡ نَخۡلُقكُّم مِّن مَّآءٖ مَّهِينٖ
Tsy noharianay tamin'ny tsiranoka ratsy va ianareo,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَجَعَلۡنَٰهُ فِي قَرَارٖ مَّكِينٍ
izay napetrakay tamin'ny toerana voaaro,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِلَىٰ قَدَرٖ مَّعۡلُومٖ
nandritra ny fotoana efa fantatra ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَقَدَرۡنَا فَنِعۡمَ ٱلۡقَٰدِرُونَ
Toy izany no nandaharanay azy, fa tonga lafatra tokoa ny fandaharana ataonay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَمۡ نَجۡعَلِ ٱلۡأَرۡضَ كِفَاتًا
Tsy nataonay toerana hipetrahan'ny rehetra ve ny tany ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَحۡيَآءٗ وَأَمۡوَٰتٗا
ireo velona, sy ireo maty ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَجَعَلۡنَا فِيهَا رَوَٰسِيَ شَٰمِخَٰتٖ وَأَسۡقَيۡنَٰكُم مَّآءٗ فُرَاتٗا
Ary tsy nataonay mafy orina tsara va, ireo tendrombohitra avo eo aminy ? Ary tsy nampisotronay ranomamy va ianareo ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱنطَلِقُوٓاْ إِلَىٰ مَا كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ
Mandehana àry any amin'izay nolazainareo ho lainga.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱنطَلِقُوٓاْ إِلَىٰ ظِلّٖ ذِي ثَلَٰثِ شُعَبٖ
mandehana any amin'ny aloka misy rantsana telo,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
لَّا ظَلِيلٖ وَلَا يُغۡنِي مِنَ ٱللَّهَبِ
izahay sady tsy manaloka, no sady tsy miaro amin'ny lel'afo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّهَا تَرۡمِي بِشَرَرٖ كَٱلۡقَصۡرِ
satria hatsipy ny pitik'afo lehibe, tahaka ny lapa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كَأَنَّهُۥ جِمَٰلَتٞ صُفۡرٞ
ka ho toy ny rameva mavo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
loza ho an'ireo izay mpandà amin'izany andro farany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
هَٰذَا يَوۡمُ لَا يَنطِقُونَ
ilay andro izay tsy hahafahan'izy ireo miteny,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا يُؤۡذَنُ لَهُمۡ فَيَعۡتَذِرُونَ
ary tsy hahazoan'izy ireo alalana hiala tsiny.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
هَٰذَا يَوۡمُ ٱلۡفَصۡلِۖ جَمَعۡنَٰكُمۡ وَٱلۡأَوَّلِينَ
Io no andron'ny fanapahan-kevitra, izay hamorianay anareo sy ireo taloha.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَإِن كَانَ لَكُمۡ كَيۡدٞ فَكِيدُونِ
Raha manana hafetsena ianareo, dia manaova àry hafetsena Amiko.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي ظِلَٰلٖ وَعُيُونٖ
ho amin'ny aloka sy loharano tokoa ireo vonto-pinoana,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَفَوَٰكِهَ مِمَّا يَشۡتَهُونَ
ao koa ireo voankazo arak'izay irin'izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ هَنِيٓـَٔۢا بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Mihinàna sy misotroa finaritra àry ianareo, noho izay nataonareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Toy izany no Hamalinay soa ireo mpanao soa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
كُلُواْ وَتَمَتَّعُواْ قَلِيلًا إِنَّكُم مُّجۡرِمُونَ
Mihinàna, ary mifalia kely ; fa mpanao ratsy tokoa ianareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذَا قِيلَ لَهُمُ ٱرۡكَعُواْ لَا يَرۡكَعُونَ
ka rehefa tenenina izy ireo hoe : "Miondreha ianareo", dia tsy miondrika izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ
loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَبِأَيِّ حَدِيثِۭ بَعۡدَهُۥ يُؤۡمِنُونَ
Fa inona àry no teny hinoan'izy ireo ankoatr'izany ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់មូរសុីឡាត
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ