Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់អាក់រ៉ហ្វ   វាក្យខណ្ឌ:
قُل لَّآ أَمۡلِكُ لِنَفۡسِي نَفۡعٗا وَلَا ضَرًّا إِلَّا مَا شَآءَ ٱللَّهُۚ وَلَوۡ كُنتُ أَعۡلَمُ ٱلۡغَيۡبَ لَٱسۡتَكۡثَرۡتُ مِنَ ٱلۡخَيۡرِ وَمَا مَسَّنِيَ ٱلسُّوٓءُۚ إِنۡ أَنَا۠ إِلَّا نَذِيرٞ وَبَشِيرٞ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ
Teneno hoe : “Tsy manana ho an’ny tenako na ny soa na ny ratsy Aho, afa-tsy izay sitrak’I Allah. Raha nahafantatra ny miafina aho dia ho nataoko maro an’isa ny soa ho azoko, ary tsy hisy ratsy hahazo Ahy akory. Tsy inona aho afa-tsy mpampitandrina sy mpilaza vaovao mahafaly ho an’ny vahoaka mino.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ هُوَ ٱلَّذِي خَلَقَكُم مِّن نَّفۡسٖ وَٰحِدَةٖ وَجَعَلَ مِنۡهَا زَوۡجَهَا لِيَسۡكُنَ إِلَيۡهَاۖ فَلَمَّا تَغَشَّىٰهَا حَمَلَتۡ حَمۡلًا خَفِيفٗا فَمَرَّتۡ بِهِۦۖ فَلَمَّآ أَثۡقَلَت دَّعَوَا ٱللَّهَ رَبَّهُمَا لَئِنۡ ءَاتَيۡتَنَا صَٰلِحٗا لَّنَكُونَنَّ مِنَ ٱلشَّٰكِرِينَ
Izy Ilay Nahary anareo avy tamin’ny vatana tokana, ary nataony avy amin’izany (vatana izany) ny vadiny, mba ho tony eo anilany izy, ary rehefa niray taminy izy, dia nitoe-jaza ankamorana ravehivavy izay mbola maivana taminy. Avy eo rehefa navesatra taminy izany, dia niara-nangataka tamin’ny Tompony izy roa nanao hoe : “Raha zaza Hendry no omenao anay, dia tena ho anisan’ireo mpankasitraka izahay.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
فَلَمَّآ ءَاتَىٰهُمَا صَٰلِحٗا جَعَلَا لَهُۥ شُرَكَآءَ فِيمَآ ءَاتَىٰهُمَاۚ فَتَعَٰلَى ٱللَّهُ عَمَّا يُشۡرِكُونَ
Ary rehefa nomeny zaza hendry izy roa, dia indro fa nampitambatra an’I Allah tamin’ny hafa tamin’izay nomena azy izy roa. Nefa I Allah dia Ambony indrindra amin’izay atambatr’izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَيُشۡرِكُونَ مَا لَا يَخۡلُقُ شَيۡـٔٗا وَهُمۡ يُخۡلَقُونَ
Moa ve hanakambana (Azy) amin’izay tsy nahary zavatra na dia iray aza, ary izy ireo kosa dia nohariana,
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَا يَسۡتَطِيعُونَ لَهُمۡ نَصۡرٗا وَلَآ أَنفُسَهُمۡ يَنصُرُونَ
ary izy ireo (ireo sampy) dia tsy afaka hamonjy azy ireo (olombelona), ary na ny tenan’izy ireo aza tsy ho voavonjiny ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِن تَدۡعُوهُمۡ إِلَى ٱلۡهُدَىٰ لَا يَتَّبِعُوكُمۡۚ سَوَآءٌ عَلَيۡكُمۡ أَدَعَوۡتُمُوهُمۡ أَمۡ أَنتُمۡ صَٰمِتُونَ
ary raha antsoinareo ho amin’ny tari-dàlana izy ireo dia tsy hanaraka anareo velively izy ireo. Mitovy ihany ny vokany aminareo, na antsoinareo izy ireo na ianareo mangina.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ ٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ عِبَادٌ أَمۡثَالُكُمۡۖ فَٱدۡعُوهُمۡ فَلۡيَسۡتَجِيبُواْ لَكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Marina fa ireo izay antsoinareo ankoatr’I Allah dia mpanompo mitovy aminareo. Antsoinareo àry izy ireo, ary aoka izy ireo hamaly ny antsonareo raha toa ka marina ny anareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
أَلَهُمۡ أَرۡجُلٞ يَمۡشُونَ بِهَآۖ أَمۡ لَهُمۡ أَيۡدٖ يَبۡطِشُونَ بِهَآۖ أَمۡ لَهُمۡ أَعۡيُنٞ يُبۡصِرُونَ بِهَآۖ أَمۡ لَهُمۡ ءَاذَانٞ يَسۡمَعُونَ بِهَاۗ قُلِ ٱدۡعُواْ شُرَكَآءَكُمۡ ثُمَّ كِيدُونِ فَلَا تُنظِرُونِ
Moa ve manana tongotra hamindrana izy ireo ? Sa manana tànana hikapohana ? Na manana maso hijerena ? Sa manana sofina hihainoana ? Teneno hoe : “Antsoy daholo ireo mpikambana ao aminareo, avy eo homano ny tetika hamelezanareo Ahy, ary aza manome fe-potoana Ahy”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់អាក់រ៉ហ្វ
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ