Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់អាក់រ៉ហ្វ   វាក្យខណ្ឌ:
وَجَٰوَزۡنَا بِبَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱلۡبَحۡرَ فَأَتَوۡاْ عَلَىٰ قَوۡمٖ يَعۡكُفُونَ عَلَىٰٓ أَصۡنَامٖ لَّهُمۡۚ قَالُواْ يَٰمُوسَى ٱجۡعَل لَّنَآ إِلَٰهٗا كَمَا لَهُمۡ ءَالِهَةٞۚ قَالَ إِنَّكُمۡ قَوۡمٞ تَجۡهَلُونَ
Ary nampitanay ny ranomasina ireo zanak’Israely, dia nandalo teo amin’ny vahoaka nanompo ny sampiny, dia niteny izy ireo hoe : “O ry Mosesy ! Omeo tompo tahaka ireto vahoaka manana tompo ireto izahay". Namaly izy hoe : “Tena marina fa vahoaka tsy mahalala ianareo".
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ مُتَبَّرٞ مَّا هُمۡ فِيهِ وَبَٰطِلٞ مَّا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Ny fomba fivavahana izay ianteheran’izy ireo dia ho rava, ary ho zava-poana izay rehetra ataon’izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
قَالَ أَغَيۡرَ ٱللَّهِ أَبۡغِيكُمۡ إِلَٰهٗا وَهُوَ فَضَّلَكُمۡ عَلَى ٱلۡعَٰلَمِينَ
Niteny Izy nanao hoe : “Izaho ve no hitady zanahary hafa ho anareo ankoatr’I Allah nefa Izy no nanome anareo tombom-pahasoavana teo amin’izao Tontolo izao ?”
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِذۡ أَنجَيۡنَٰكُم مِّنۡ ءَالِ فِرۡعَوۡنَ يَسُومُونَكُمۡ سُوٓءَ ٱلۡعَذَابِ يُقَتِّلُونَ أَبۡنَآءَكُمۡ وَيَسۡتَحۡيُونَ نِسَآءَكُمۡۚ وَفِي ذَٰلِكُم بَلَآءٞ مِّن رَّبِّكُمۡ عَظِيمٞ
Ary tsarovinareo ny nanavotanay anareo tamin'ireo olon'i Faraona, izay nampitondra faisana anareo tamin'ny fampijaliana mahatsiravina; notapahan'izy ireo tenda ireo zanaka lahinareo ary navelan'izy ireo velona ireo vehivavinareo. Ary izany dia mifono fitsapana lehibe avy tamin'ny Tomponareo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
۞ وَوَٰعَدۡنَا مُوسَىٰ ثَلَٰثِينَ لَيۡلَةٗ وَأَتۡمَمۡنَٰهَا بِعَشۡرٖ فَتَمَّ مِيقَٰتُ رَبِّهِۦٓ أَرۡبَعِينَ لَيۡلَةٗۚ وَقَالَ مُوسَىٰ لِأَخِيهِ هَٰرُونَ ٱخۡلُفۡنِي فِي قَوۡمِي وَأَصۡلِحۡ وَلَا تَتَّبِعۡ سَبِيلَ ٱلۡمُفۡسِدِينَ
Ary nampanantenanay fihaonana telopolo alina i Mosesy ary nampianay folo izany ka feno efapolo alina ny fihaonana tamin’ny Tompony. Niteny i Mosesy tamin’i Harona rahalahiny hoe : “Soloy aho eo anatrehan’ireo vahoakako, ary manaova ny tsara fa aza manaraka ny làlan’ireo mpanao ny fanimbana”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَلَمَّا جَآءَ مُوسَىٰ لِمِيقَٰتِنَا وَكَلَّمَهُۥ رَبُّهُۥ قَالَ رَبِّ أَرِنِيٓ أَنظُرۡ إِلَيۡكَۚ قَالَ لَن تَرَىٰنِي وَلَٰكِنِ ٱنظُرۡ إِلَى ٱلۡجَبَلِ فَإِنِ ٱسۡتَقَرَّ مَكَانَهُۥ فَسَوۡفَ تَرَىٰنِيۚ فَلَمَّا تَجَلَّىٰ رَبُّهُۥ لِلۡجَبَلِ جَعَلَهُۥ دَكّٗا وَخَرَّ مُوسَىٰ صَعِقٗاۚ فَلَمَّآ أَفَاقَ قَالَ سُبۡحَٰنَكَ تُبۡتُ إِلَيۡكَ وَأَنَا۠ أَوَّلُ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Nony tonga tamin’ny toerana nanaovanay ny fihaonana i Mosesy, dia niresaka taminy ny Tompony, ary niteny izy hoe : “Tompoko, misehoa amiko Ianao mba ho itako!” Dia niteny Izy hoe : “Tsy hahita Ahy velively ianao, fa jereo kosa irý tendrombohitra irý raha mbola miorina eo amin’ny toerany, dia hahita Ahy ianao”. Rehefa niseho tamin’ny tendrombohitra ny Tompony dia nataony potipotika izany, ary nianjera i Mosesy sady torana. Rehefa nahatsiaro tena izy dia niteny hoe : “Voninahitra anie ho Anao, mibebaka Aminao aho, ary izaho no voalohany amin’ireo olona mpino”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាល់អាក់រ៉ហ្វ
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ