Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាន់ណះល៍   វាក្យខណ្ឌ:
وَٱللَّهُ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَحۡيَا بِهِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَآۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّقَوۡمٖ يَسۡمَعُونَ
Ary i Allah no nampidina avy eny an-danitra ny rano, mba hamelomany indray ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa ao anatin’izany, dia misy famantarana ho an’ireo vahoaka izay mihaino.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِنَّ لَكُمۡ فِي ٱلۡأَنۡعَٰمِ لَعِبۡرَةٗۖ نُّسۡقِيكُم مِّمَّا فِي بُطُونِهِۦ مِنۢ بَيۡنِ فَرۡثٖ وَدَمٖ لَّبَنًا خَالِصٗا سَآئِغٗا لِّلشَّٰرِبِينَ
Misy fampianarana ho Anareo tokoa amin’ireo biby. Hampisotro Anareo Izahay izay avy ao an-kibony, nalaina avy amin’ny fifangaroan’ny sakafo voalevona sy rà, ny ronono madio,mahafinaritra ho an’ny mpisotro Azy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَمِن ثَمَرَٰتِ ٱلنَّخِيلِ وَٱلۡأَعۡنَٰبِ تَتَّخِذُونَ مِنۡهُ سَكَرٗا وَرِزۡقًا حَسَنًاۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّقَوۡمٖ يَعۡقِلُونَ
Amin’ny voan’ny palma sy ireo voaloboka no hakanareo zava-pisotro mahamamo, sy sakafo tena tsara.Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana ho an’ireo vahoaka izay misaina.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَأَوۡحَىٰ رَبُّكَ إِلَى ٱلنَّحۡلِ أَنِ ٱتَّخِذِي مِنَ ٱلۡجِبَالِ بُيُوتٗا وَمِنَ ٱلشَّجَرِ وَمِمَّا يَعۡرِشُونَ
Ary nampilaza tamin’ireo tantely ny Tomponao ka nanao hoe : “ Manaova fonenana eny an-tendrombohitra Ianareo, amin’ny hazo ary koa amin’ny zavatra vitan’ny Olombelona ”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ كُلِي مِن كُلِّ ٱلثَّمَرَٰتِ فَٱسۡلُكِي سُبُلَ رَبِّكِ ذُلُلٗاۚ يَخۡرُجُ مِنۢ بُطُونِهَا شَرَابٞ مُّخۡتَلِفٌ أَلۡوَٰنُهُۥ فِيهِ شِفَآءٞ لِّلنَّاسِۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗ لِّقَوۡمٖ يَتَفَكَّرُونَ
Avy eo mihinàna Ianareo amin’ny karazam-boankazo rehetra, ka manaraha ny làlan’ny Tomponareo, izay namorainy ho Anareo. Mivoaka avy ao an-kibon’izy ireo ny zava-pisotro miloko maro samihafa, izay misy fanasitranana ho an’ny Olona.Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana ho an’ny vahoaka izay mandinika.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱللَّهُ خَلَقَكُمۡ ثُمَّ يَتَوَفَّىٰكُمۡۚ وَمِنكُم مَّن يُرَدُّ إِلَىٰٓ أَرۡذَلِ ٱلۡعُمُرِ لِكَيۡ لَا يَعۡلَمَ بَعۡدَ عِلۡمٖ شَيۡـًٔاۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمٞ قَدِيرٞ
Ary i Allah no nahary Anareo ! Ary Izy ihany koa no mandray ny fofon’ainareo, ka misy Aminareo no miaina tratran'ny fahanterana, hany ka tsy mahalala na inona na inona intsony, taorian’ny nananany fahalalana. Marina fa i Allah mahalalana sy manam-pahefana tokoa amin’ny zava-drehetra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱللَّهُ فَضَّلَ بَعۡضَكُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ فِي ٱلرِّزۡقِۚ فَمَا ٱلَّذِينَ فُضِّلُواْ بِرَآدِّي رِزۡقِهِمۡ عَلَىٰ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ فَهُمۡ فِيهِ سَوَآءٌۚ أَفَبِنِعۡمَةِ ٱللَّهِ يَجۡحَدُونَ
Ary i Allah dia nanome tombontsoa mihoatra ny hafa, ny sasany Taminareo eo amin’ny (fizarana) fahasoavany. Fa ireo izay nahazo tombontsoa feno, dia tsy voatery hanome ny anjarany indray ho an’ireo andevony ka hitovy Aminy. Handà ny fahasoavan’i Allah ve izy ireo ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّنۡ أَنفُسِكُمۡ أَزۡوَٰجٗا وَجَعَلَ لَكُم مِّنۡ أَزۡوَٰجِكُم بَنِينَ وَحَفَدَةٗ وَرَزَقَكُم مِّنَ ٱلطَّيِّبَٰتِۚ أَفَبِٱلۡبَٰطِلِ يُؤۡمِنُونَ وَبِنِعۡمَتِ ٱللَّهِ هُمۡ يَكۡفُرُونَ
Ary i Allah dia nanao vady ho Anareo avy tamin’ny Tenanareo, ary avy amin’ny vadinareo no nanomezan'i Allah Anareo Zanaka sy zafy. Ary nomeny anjara fivelomana tsara Ianareo. Moa ve ny diso no hinoan’izy ireo, ary ny fahasoavan’i Allah no tsy ankasitrahan’izy ireo ?
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាន់ណះល៍
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ