Check out the new design

ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ * - មាតិកានៃការបកប្រែ


ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាន់ណះល៍   វាក្យខណ្ឌ:
ثُمَّ إِنَّ رَبَّكَ لِلَّذِينَ عَمِلُواْ ٱلسُّوٓءَ بِجَهَٰلَةٖ ثُمَّ تَابُواْ مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ وَأَصۡلَحُوٓاْ إِنَّ رَبَّكَ مِنۢ بَعۡدِهَا لَغَفُورٞ رَّحِيمٌ
Fa ny Tomponao tokoa, ho an’ireo izay nanao ny asa ratsy tamin’ny habadoana, avy eo dia nibebaka taorian’izany, sy nanarina ny fitondran-tenany...ny Tomponao aorian’izany dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ إِبۡرَٰهِيمَ كَانَ أُمَّةٗ قَانِتٗا لِّلَّهِ حَنِيفٗا وَلَمۡ يَكُ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Marina fa i Ibrahimo dia mpitarika tonga lafatra. Mpankato Allah Izy, tao anatin’ny fanompoana Allah tokana, ary tsy mba anisan’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
شَاكِرٗا لِّأَنۡعُمِهِۚ ٱجۡتَبَىٰهُ وَهَدَىٰهُ إِلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Nahalala nankasitraka ireo fahasoavany Izy, ka nosafidiany sy notarihiny làlana Izy mankany amin’ny làla-mahitsy.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَءَاتَيۡنَٰهُ فِي ٱلدُّنۡيَا حَسَنَةٗۖ وَإِنَّهُۥ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ لَمِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Ary nomenay anjara tsara Izy teto an-tany. Marina fa Izy dia ho isan’ireo Olo-mendrika tokoa any an-koatra.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ثُمَّ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ أَنِ ٱتَّبِعۡ مِلَّةَ إِبۡرَٰهِيمَ حَنِيفٗاۖ وَمَا كَانَ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Avy eo dia nandefa fanambarana Taminao Izahay : “ Araho ny fivavahan’i Ibrahimo amin’ny fanompoana Allah tokana, ary izy dia tsy mba anisan’ireo mpampikambana Allah amin’ny hafa”.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّمَا جُعِلَ ٱلسَّبۡتُ عَلَى ٱلَّذِينَ ٱخۡتَلَفُواْ فِيهِۚ وَإِنَّ رَبَّكَ لَيَحۡكُمُ بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ
Marina fa natao ny Andro sabata, ho an’ireo izay nifanditra momba izany. Fa ny Tomponao, dia hitsara tokoa azy ireo amin’ny Andro Fitsanganana mahakasika izay nifandiran’izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
ٱدۡعُ إِلَىٰ سَبِيلِ رَبِّكَ بِٱلۡحِكۡمَةِ وَٱلۡمَوۡعِظَةِ ٱلۡحَسَنَةِۖ وَجَٰدِلۡهُم بِٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُۚ إِنَّ رَبَّكَ هُوَ أَعۡلَمُ بِمَن ضَلَّ عَن سَبِيلِهِۦ وَهُوَ أَعۡلَمُ بِٱلۡمُهۡتَدِينَ
Miantsoa amin’ny làlan’ny Tomponao, amim-pahendrena sy amim-pananarana tsara Ianao. Ary miadia hevitra amin’izy ireo amin’ny fomba mendrika indrindra ianao. Marina fa ny Tomponao no tena mahalala izay niala ny làlany, ary Izy ihany koa no mahalala ireo voatari-dàlana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَإِنۡ عَاقَبۡتُمۡ فَعَاقِبُواْ بِمِثۡلِ مَا عُوقِبۡتُم بِهِۦۖ وَلَئِن صَبَرۡتُمۡ لَهُوَ خَيۡرٞ لِّلصَّٰبِرِينَ
Ary raha manasazy Ianareo, dia ampiharo aminy ny sazy mitovy amin’izay (heloka) nataony Taminareo. Fa raha miaritra Ianareo...izany no tena tsara kokoa ho an’izay manam-paharetana.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
وَٱصۡبِرۡ وَمَا صَبۡرُكَ إِلَّا بِٱللَّهِۚ وَلَا تَحۡزَنۡ عَلَيۡهِمۡ وَلَا تَكُ فِي ضَيۡقٖ مِّمَّا يَمۡكُرُونَ
Mahareta ! Ary tsy hanam-paharetana Ianao raha tsy avy amin’i Allah. Koa aza malahelo azy ireo ianao, ary aza mitebiteby nohon'ny teti-dratsin’izy ireo.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
إِنَّ ٱللَّهَ مَعَ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَواْ وَّٱلَّذِينَ هُم مُّحۡسِنُونَ
Marina fa i Allah dia miaraka amin’ireo izay matahotra (Azy), sy ireo mpanao asa soa.
ការបកស្រាយជាភាសា​អារ៉ាប់:
 
ការបកប្រែអត្ថន័យ ជំពូក​: អាន់ណះល៍
មាតិកានៃជំពូក លេខ​ទំព័រ
 
ការបកប្រែអត្ថន័យនៃគម្ពីរគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - ដោយមជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ - មាតិកានៃការបកប្រែ

បកប្រែដោយក្រុមមជ្ឈមណ្ឌលរ៉ូវ៉ាតនៃការបកប្រែ ដោយសហការជាមួយសមាគមអំពាវនាវនៅរ៉ាប់វ៉ា និងសមាគមបម្រើមាតិកាអ៊ីស្លាមជាភាសាផ្សេងៗ។

បិទ