Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'fath   Aya:
وَهُوَ ٱلَّذِي كَفَّ أَيۡدِيَهُمۡ عَنكُمۡ وَأَيۡدِيَكُمۡ عَنۡهُم بِبَطۡنِ مَكَّةَ مِنۢ بَعۡدِ أَنۡ أَظۡفَرَكُمۡ عَلَيۡهِمۡۚ وَكَانَ ٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرًا
Izy no nampihataka ny tanan’izy ireo taminareo, tao amin’ny lohasahan’i Makkat (Lameka), sady nampihataka ny tananareo tamin’izy ireo koa taorian’ny nampandreseny anareo. Ary hitan’I Allah tsara izay ataonareo.
Tafsiran larabci:
هُمُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَصَدُّوكُمۡ عَنِ ٱلۡمَسۡجِدِ ٱلۡحَرَامِ وَٱلۡهَدۡيَ مَعۡكُوفًا أَن يَبۡلُغَ مَحِلَّهُۥۚ وَلَوۡلَا رِجَالٞ مُّؤۡمِنُونَ وَنِسَآءٞ مُّؤۡمِنَٰتٞ لَّمۡ تَعۡلَمُوهُمۡ أَن تَطَـُٔوهُمۡ فَتُصِيبَكُم مِّنۡهُم مَّعَرَّةُۢ بِغَيۡرِ عِلۡمٖۖ لِّيُدۡخِلَ ٱللَّهُ فِي رَحۡمَتِهِۦ مَن يَشَآءُۚ لَوۡ تَزَيَّلُواْ لَعَذَّبۡنَا ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡهُمۡ عَذَابًا أَلِيمًا
Izy ireo no tsy nino sy nisakana anareo tsy ho any amin’ny trano masina fiankohofana sy nisakana ihany koa ny tsy hahatongavan’ny sorona voafatotra eo amin’ny toerana fanaovana izany. Raha tsy nisy ireo lehilahy mpino sy ireo vehivavy mpino, tsy fantatrareo (tao Lameka) izay saika voahitsakareo, ka nahatonga anareo ho sosotra tamin’izany nohon'ny tsy fahalalana izany dia mba hampidiran’I Allah izay tiany ao amin’ny famindram-pony. Ary raha navahana ireo mpino, dia tsy maintsy nofaizinay tamin’ny famaizana mamirifiry tokoa izay tsy nino tamin’izy ireo (ireo mponin’i Lameka).
Tafsiran larabci:
إِذۡ جَعَلَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فِي قُلُوبِهِمُ ٱلۡحَمِيَّةَ حَمِيَّةَ ٱلۡجَٰهِلِيَّةِ فَأَنزَلَ ٱللَّهُ سَكِينَتَهُۥ عَلَىٰ رَسُولِهِۦ وَعَلَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَأَلۡزَمَهُمۡ كَلِمَةَ ٱلتَّقۡوَىٰ وَكَانُوٓاْ أَحَقَّ بِهَا وَأَهۡلَهَاۚ وَكَانَ ٱللَّهُ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٗا
Rehefa nataon'ireo tsy mpino tao am-pony ny hatezerana mafy nohon'ny tsy fahalalana, dia nampidinin’I Allah tamin’ny Irany sy tamin’ireo mpino kosa ny fahatoniana avy Aminy, ary nodidiny hanao teny fitiavam-bavaka izy ireo, izay izy ireo no mendrika sy akaiky izany. Fa mahafantatra ny zava-drehetra Allah.
Tafsiran larabci:
لَّقَدۡ صَدَقَ ٱللَّهُ رَسُولَهُ ٱلرُّءۡيَا بِٱلۡحَقِّۖ لَتَدۡخُلُنَّ ٱلۡمَسۡجِدَ ٱلۡحَرَامَ إِن شَآءَ ٱللَّهُ ءَامِنِينَ مُحَلِّقِينَ رُءُوسَكُمۡ وَمُقَصِّرِينَ لَا تَخَافُونَۖ فَعَلِمَ مَا لَمۡ تَعۡلَمُواْ فَجَعَلَ مِن دُونِ ذَٰلِكَ فَتۡحٗا قَرِيبًا
Nohamarinin’I Allah ny fahitan’ny irany, tamin’izy nanambara tamim-pahamarinana hoe : “Hiditra ao amin’ny trano masina fiankohofana amim-piadanana tokoa ianareo raha sitrak’I Allah izany, rehefa avy nanala volo tanteraka ianareo na nitapa-bolo, tsy amim-pahatahorana”. Fantany izay tsy mbola fantatrareo. Ary ankoatra izany dia napetrany ny fandresena efa akaiky.
Tafsiran larabci:
هُوَ ٱلَّذِيٓ أَرۡسَلَ رَسُولَهُۥ بِٱلۡهُدَىٰ وَدِينِ ٱلۡحَقِّ لِيُظۡهِرَهُۥ عَلَى ٱلدِّينِ كُلِّهِۦۚ وَكَفَىٰ بِٱللَّهِ شَهِيدٗا
Izy no nandefa ny irany miaraka amin’ny tari-dalana sy ny finoana marina, mba hametrahany azy ho ambonin’ny finoana hafa rehetra. Ampy hahita (ny zava-drehetra)I Allah.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'fath
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa