Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'zumar   Aya:
قُلۡ إِنِّيٓ أُمِرۡتُ أَنۡ أَعۡبُدَ ٱللَّهَ مُخۡلِصٗا لَّهُ ٱلدِّينَ
Ka lazao hoe : “ Voadidy hanompo an’I Allah tokoa aho, ka hivavaka Aminy irery ihany,
Tafsiran larabci:
وَأُمِرۡتُ لِأَنۡ أَكُونَ أَوَّلَ ٱلۡمُسۡلِمِينَ
Ary nodidiana mba ho voalohany amin’ireo mpankato aho .
Tafsiran larabci:
قُلۡ إِنِّيٓ أَخَافُ إِنۡ عَصَيۡتُ رَبِّي عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٖ
Teneno hoe : “ Tena matahotra aho, raha tsy mankatò ny Tompoko aho, ny sazy amin’ny andro lehibe".
Tafsiran larabci:
قُلِ ٱللَّهَ أَعۡبُدُ مُخۡلِصٗا لَّهُۥ دِينِي
Lazao hoe : “ Allah no Tompoko, ary Izy irery ihay no hivavahako"
Tafsiran larabci:
فَٱعۡبُدُواْ مَا شِئۡتُم مِّن دُونِهِۦۗ قُلۡ إِنَّ ٱلۡخَٰسِرِينَ ٱلَّذِينَ خَسِرُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ وَأَهۡلِيهِمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِۗ أَلَا ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡخُسۡرَانُ ٱلۡمُبِينُ
Tompoy àry izay sitrakareo ho tompoina ankoatra Azy .Lazao hoe : “ ny tena matiantoka, dia ireo izay nanao izay hahavery ny tenany sy ny fianakaviany,ny amin’ny andron'ny fitsanganana”. Moa tsy izany ve no tena fatiantoka miharihary ?
Tafsiran larabci:
لَهُم مِّن فَوۡقِهِمۡ ظُلَلٞ مِّنَ ٱلنَّارِ وَمِن تَحۡتِهِمۡ ظُلَلٞۚ ذَٰلِكَ يُخَوِّفُ ٱللَّهُ بِهِۦ عِبَادَهُۥۚ يَٰعِبَادِ فَٱتَّقُونِ
Hisy afo matevina eo ambonin’izy ireo sy eo ambaniny. Izany no hampitahoran’I Allah ireo mpanompony. Ry mpanompoko ! Matahora Ahy ianareo !
Tafsiran larabci:
وَٱلَّذِينَ ٱجۡتَنَبُواْ ٱلطَّٰغُوتَ أَن يَعۡبُدُوهَا وَأَنَابُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِ لَهُمُ ٱلۡبُشۡرَىٰۚ فَبَشِّرۡ عِبَادِ
Ary izay mihataka ny fanompoan-tsampy, tsy hanompoany azy, ka niverina amin’I Allah, dia ho azy ireo ny vaovao mahafaly ! Koa lazao amin’ireo mpanompoko izany,
Tafsiran larabci:
ٱلَّذِينَ يَسۡتَمِعُونَ ٱلۡقَوۡلَ فَيَتَّبِعُونَ أَحۡسَنَهُۥٓۚ أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ هَدَىٰهُمُ ٱللَّهُۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمۡ أُوْلُواْ ٱلۡأَلۡبَٰبِ
Ireo izay mihaino ny teny, ka manaraka izay tsara indrindra amin’izany, dia izy ireny no hitsian’I Allah lalana, ary izy ireny no matsilo saina tokoa.
Tafsiran larabci:
أَفَمَنۡ حَقَّ عَلَيۡهِ كَلِمَةُ ٱلۡعَذَابِ أَفَأَنتَ تُنقِذُ مَن فِي ٱلنَّارِ
Moa izay iharan’ny didy famaizana! Ary mbola afaka hanavotra izay ao anaty afo ve ianao ?
Tafsiran larabci:
لَٰكِنِ ٱلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ رَبَّهُمۡ لَهُمۡ غُرَفٞ مِّن فَوۡقِهَا غُرَفٞ مَّبۡنِيَّةٞ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۖ وَعۡدَ ٱللَّهِ لَا يُخۡلِفُ ٱللَّهُ ٱلۡمِيعَادَ
Fa ireo izay matahotra ny Tompony kosa, dia ho any amin’ny rihana ao amin’ny Paradisa, izay misy rihana hafa ao amboniny, ary renirano mikoriana ao ambaniny. Izany dia fampanantenana avy amin’I Allah. Satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany I Allah.
Tafsiran larabci:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَسَلَكَهُۥ يَنَٰبِيعَ فِي ٱلۡأَرۡضِ ثُمَّ يُخۡرِجُ بِهِۦ زَرۡعٗا مُّخۡتَلِفًا أَلۡوَٰنُهُۥ ثُمَّ يَهِيجُ فَتَرَىٰهُ مُصۡفَرّٗا ثُمَّ يَجۡعَلُهُۥ حُطَٰمًاۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَذِكۡرَىٰ لِأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِ
Moa tsy hitanao ve, fa mampidina rano avy any an-danitra tokoa I Allah, ka alefany amin’ny loharano ao anatin’ny tany izany, avy eo, amin’ny alalan’izany no hampaniriany ny zava-maniry maro, samy hafa loko, izay mihamalazo avy eo, ka ho hitanao mihamavo, ary hataony ho potipotika izany. Hamafisina, fa izany dia misy fampahatsiahivana ho an’izay manan-tsaina.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'zumar
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa