Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'ahzab   Aya:
وَإِذۡ أَخَذۡنَا مِنَ ٱلنَّبِيِّـۧنَ مِيثَٰقَهُمۡ وَمِنكَ وَمِن نُّوحٖ وَإِبۡرَٰهِيمَ وَمُوسَىٰ وَعِيسَى ٱبۡنِ مَرۡيَمَۖ وَأَخَذۡنَا مِنۡهُم مِّيثَٰقًا غَلِيظٗا
Ary rehefa nandray fifanekena avy tamin’ireo mpaminany izahay, ny avy taminao koa, avy tamin’i Noa, Ibrahimo, Mosa ary Issa (Jesoa) zanak’i Mariamo (Maria), dia nandray avy tamin’izy ireo ny fifanekena hentitra izahay,
Tafsiran larabci:
لِّيَسۡـَٔلَ ٱلصَّٰدِقِينَ عَن صِدۡقِهِمۡۚ وَأَعَدَّ لِلۡكَٰفِرِينَ عَذَابًا أَلِيمٗا
Mba hanontany ireo mpilaza ny marina Izy amin’ny fahamarinan’izy ireo. Ary nanomana famaizana mamirifiry ho an’ireo tsy mpino Izy.
Tafsiran larabci:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱذۡكُرُواْ نِعۡمَةَ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ إِذۡ جَآءَتۡكُمۡ جُنُودٞ فَأَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمۡ رِيحٗا وَجُنُودٗا لَّمۡ تَرَوۡهَاۚ وَكَانَ ٱللَّهُ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرًا
Ô ianareo izay mino ! Tsarovinareo ny fahasoavan’i Allah taminareo, raha nisy miaramila maro tonga taminareo, dia nandefasanay rivotra sy ireo miaramila (Anjely) izay tsy hitanareo maso (hanohitra azy ireo). Ary i Allah dia Mahita mazava izay rehetra ataonareo.
Tafsiran larabci:
إِذۡ جَآءُوكُم مِّن فَوۡقِكُمۡ وَمِنۡ أَسۡفَلَ مِنكُمۡ وَإِذۡ زَاغَتِ ٱلۡأَبۡصَٰرُ وَبَلَغَتِ ٱلۡقُلُوبُ ٱلۡحَنَاجِرَ وَتَظُنُّونَ بِٱللَّهِ ٱلظُّنُونَا۠
Rehefa tonga teo aminareo izy ireo, avy erỳ ambony sy avy any ambaninareo, nitsimbadimbadika ny fijery sy niakatra an-tenda ny fò (an-tenda ny aina), dia nisaina ny momba an’i Allah ianareo tamin’ny fiheverana maro samihafa.
Tafsiran larabci:
هُنَالِكَ ٱبۡتُلِيَ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ وَزُلۡزِلُواْ زِلۡزَالٗا شَدِيدٗا
Tamin’izany dia voatsapa sy voahozongozona tamin’ny fihozongozonana mafy ireo mpino.
Tafsiran larabci:
وَإِذۡ يَقُولُ ٱلۡمُنَٰفِقُونَ وَٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٞ مَّا وَعَدَنَا ٱللَّهُ وَرَسُولُهُۥٓ إِلَّا غُرُورٗا
Ary rehefa niteny ireo mpiatsaravelatsihy sy ireo izay manana aretina ao am-pòny hoe : “Tsy nampanantena anay afa-tsy ny fitaka i Allah sy ny Irany”.
Tafsiran larabci:
وَإِذۡ قَالَت طَّآئِفَةٞ مِّنۡهُمۡ يَٰٓأَهۡلَ يَثۡرِبَ لَا مُقَامَ لَكُمۡ فَٱرۡجِعُواْۚ وَيَسۡتَـٔۡذِنُ فَرِيقٞ مِّنۡهُمُ ٱلنَّبِيَّ يَقُولُونَ إِنَّ بُيُوتَنَا عَوۡرَةٞ وَمَا هِيَ بِعَوۡرَةٍۖ إِن يُرِيدُونَ إِلَّا فِرَارٗا
Tahaka izany koa, ny andiany iray tamin’izy ireo dia niteny hoe : “Ry olon’i Iasrib ! Aza mijanona eto ianareo. Miverena ianareo (any aminareo)”. Ary ny andiany iray hafa tamin’izy ireo, dia nangataka fahazoan-dàlana tamin’ny Mpaminany tamim-pitenenana hoe : “Tena marina fa ireo tranonay dia tsy misy fiarovana”, tsy hoe tsy misy fiarovana izany, fa tsy mitady afa-tsy ny handositra izy ireo.
Tafsiran larabci:
وَلَوۡ دُخِلَتۡ عَلَيۡهِم مِّنۡ أَقۡطَارِهَا ثُمَّ سُئِلُواْ ٱلۡفِتۡنَةَ لَأٓتَوۡهَا وَمَا تَلَبَّثُواْ بِهَآ إِلَّا يَسِيرٗا
Ary raha nidirana tao amin’izy ireo avy tamin’ny ilan’ny tanàna; avy eo nanontaniana azy ireo ny fitsapana (fialana amin’ny finoana), dia notanterahan’izy ireo tokoa izany, ary tsy nisy afa-tsy fotoana kely ihany no nandrasan’izy ireo tamin’izany.
Tafsiran larabci:
وَلَقَدۡ كَانُواْ عَٰهَدُواْ ٱللَّهَ مِن قَبۡلُ لَا يُوَلُّونَ ٱلۡأَدۡبَٰرَۚ وَكَانَ عَهۡدُ ٱللَّهِ مَسۡـُٔولٗا
Ary efa tena nanao fifanekena tamin’i Allah izy ireo teo aloha, fa tsy hitodi-damosina. Ary ny fifanekena rehetra natao tamin’i Allah dia ho hanontaniana.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'ahzab
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa