Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Al'bakara   Aya:
إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ سَوَآءٌ عَلَيۡهِمۡ ءَأَنذَرۡتَهُمۡ أَمۡ لَمۡ تُنذِرۡهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ
Ireo tsy nino kosa dia sahala ihany na hampitandrina azy ireny ianao na tsia, dia tsy hino na oviana na oviana izy ireo.
Tafsiran larabci:
خَتَمَ ٱللَّهُ عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ وَعَلَىٰ سَمۡعِهِمۡۖ وَعَلَىٰٓ أَبۡصَٰرِهِمۡ غِشَٰوَةٞۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٞ
Efa nakaton’Allah ny fo sy ny sofin’izy ireo, tsy hino sy tsy handre; ary efa misy takona ny masony. Ka famaizana lehibe no miandry azy ireo.
Tafsiran larabci:
وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَقُولُ ءَامَنَّا بِٱللَّهِ وَبِٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِ وَمَا هُم بِمُؤۡمِنِينَ
Misy ny sasany amin’ireo olombelona no milaza fa : “Izahay dia mino an’Allah sy ny andro farany”, kanefa izy ireny dia tsy mino akory.
Tafsiran larabci:
يُخَٰدِعُونَ ٱللَّهَ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَمَا يَخۡدَعُونَ إِلَّآ أَنفُسَهُمۡ وَمَا يَشۡعُرُونَ
Mihevitra ny hamitaka an’Allah sy ireo mpino izy ireny, kanefa tsy mahavoafitaka afa-tsy ny tenany ihany; fa saingy tsy tsapany izany.
Tafsiran larabci:
فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٞ فَزَادَهُمُ ٱللَّهُ مَرَضٗاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ أَلِيمُۢ بِمَا كَانُواْ يَكۡذِبُونَ
Misy aretina mitoetra ao am-pon’izy ireo, ary vao mainka ampitomboin’Allah izany aretina izany. Koa miandry azy ireo ny famaizana feno fanaintainana tamin’ny lainga nataony.
Tafsiran larabci:
وَإِذَا قِيلَ لَهُمۡ لَا تُفۡسِدُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ قَالُوٓاْ إِنَّمَا نَحۡنُ مُصۡلِحُونَ
Raha ilazana izy ireo hoe : “Aza manao fanimbana ety ambonin’ny tany ianareo”, dia toy izao ny valinteniny : “Mpamboatra ny simba fotsiny ihany izahay”.
Tafsiran larabci:
أَلَآ إِنَّهُمۡ هُمُ ٱلۡمُفۡسِدُونَ وَلَٰكِن لَّا يَشۡعُرُونَ
Moa va tsy izy ireny indrindra no tena manao ny fanimbana, fa saingy tsy tsapany izany.
Tafsiran larabci:
وَإِذَا قِيلَ لَهُمۡ ءَامِنُواْ كَمَآ ءَامَنَ ٱلنَّاسُ قَالُوٓاْ أَنُؤۡمِنُ كَمَآ ءَامَنَ ٱلسُّفَهَآءُۗ أَلَآ إِنَّهُمۡ هُمُ ٱلسُّفَهَآءُ وَلَٰكِن لَّا يَعۡلَمُونَ
Ary raha tenenina izy ireo fa hoe : ” Minoa Ianareo tahaka ny finoan’olona rehetra izay nino ”, dia hoy izy ireo indray mamaly ka manao hoe : ” Izahay ve hino tahakan'izay ninoan’ireo olona kely saina ireo ? ” ka moa va tsy izy ireo mihitsy no tena kely saina; saingy tsy fatan'izy ireo akory izany.
Tafsiran larabci:
وَإِذَا لَقُواْ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ قَالُوٓاْ ءَامَنَّا وَإِذَا خَلَوۡاْ إِلَىٰ شَيَٰطِينِهِمۡ قَالُوٓاْ إِنَّا مَعَكُمۡ إِنَّمَا نَحۡنُ مُسۡتَهۡزِءُونَ
Ary rehefa mifanena amin’ireo olona mpino izy ireo, dia milaza hoe : “Mino izahay”; saingy rehefa any an-takonana miaraka amin’ireo satana namany izy, dia manamafy fa : “Izahay dia tena miaraka aminareo; fa vazivazy fotsiny no ataonay”.
Tafsiran larabci:
ٱللَّهُ يَسۡتَهۡزِئُ بِهِمۡ وَيَمُدُّهُمۡ فِي طُغۡيَٰنِهِمۡ يَعۡمَهُونَ
Allah no hamazivazy azy ireo, ary hanosika azy hanampy ny fihoaram-pefy fanaony, ka hizotra hatrany amin’ny fahaverezany izy ireo.
Tafsiran larabci:
أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ ٱشۡتَرَوُاْ ٱلضَّلَٰلَةَ بِٱلۡهُدَىٰ فَمَا رَبِحَت تِّجَٰرَتُهُمۡ وَمَا كَانُواْ مُهۡتَدِينَ
Ireo olona ireo no nividy ny fahaverezana tamin’ny làlamarina; kanefa dia tsy namokatra ny raharaham-barotra nataony, no sady tsy nizotra tamin'ny làla-marina.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Al'bakara
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa