Check out the new design

Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad * - Teburin Bayani kan wasu Fassarori


Fassarar Ma'anoni Sura: Maryam   Aya:
فَكُلِي وَٱشۡرَبِي وَقَرِّي عَيۡنٗاۖ فَإِمَّا تَرَيِنَّ مِنَ ٱلۡبَشَرِ أَحَدٗا فَقُولِيٓ إِنِّي نَذَرۡتُ لِلرَّحۡمَٰنِ صَوۡمٗا فَلَنۡ أُكَلِّمَ ٱلۡيَوۡمَ إِنسِيّٗا
Koa mihinàna sy misotroa Ianao, ary aoka hifaly ny masonao ! Raha mahita Olona Ianao dia mitenena hoe : “ Marina fa Izaho dia nanao voady fifehezana tamin’ilay be Fiantrana, ka tsy hiteny amin’ny Olona na iza na iza Aho Androany ”.
Tafsiran larabci:
فَأَتَتۡ بِهِۦ قَوۡمَهَا تَحۡمِلُهُۥۖ قَالُواْ يَٰمَرۡيَمُ لَقَدۡ جِئۡتِ شَيۡـٔٗا فَرِيّٗا
Avy eo dia tonga teo anatrehan’ny mpiara-monina Aminy Izy nitondra ilay Zazakely. ka Niteny izy ireo (mpiara-monina) nanao hoe : “ Ô Mariamo (Maria) ! Nanao zavatra mahatsiravina Ianao ! ”
Tafsiran larabci:
يَٰٓأُخۡتَ هَٰرُونَ مَا كَانَ أَبُوكِ ٱمۡرَأَ سَوۡءٖ وَمَا كَانَتۡ أُمُّكِ بَغِيّٗا
Ô ry anabavin’i Harona ! Ny Rainao dia tsy mba Olon-dratsy, ary ny Reninao dia tsy mba mpijangajanga akory.
Tafsiran larabci:
فَأَشَارَتۡ إِلَيۡهِۖ قَالُواْ كَيۡفَ نُكَلِّمُ مَن كَانَ فِي ٱلۡمَهۡدِ صَبِيّٗا
Ka nanondro ilay Zazakely Izy (Mariamo). ka Niteny izy ireo nanao hoe : “ Ahoana no hitenenanay amin’ny Zazakely mbola eo am-pandriana ? ”
Tafsiran larabci:
قَالَ إِنِّي عَبۡدُ ٱللَّهِ ءَاتَىٰنِيَ ٱلۡكِتَٰبَ وَجَعَلَنِي نَبِيّٗا
Niteny izy (ilay zazakely) nanao hoe : “ Tena marina fa Izaho dia mpanompon’i Allah. Nomeny Ahy ny Boky, ary nanendry Ahy ho Mpaminany Izy,
Tafsiran larabci:
وَجَعَلَنِي مُبَارَكًا أَيۡنَ مَا كُنتُ وَأَوۡصَٰنِي بِٱلصَّلَوٰةِ وَٱلزَّكَوٰةِ مَا دُمۡتُ حَيّٗا
Ary na aiza na aiza misy ahy, dia nohamasininy aho, ary nandidy ahy hanatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat) sy ny harena fiantrana (zakat) Izy, raha mbola velona aho.
Tafsiran larabci:
وَبَرَّۢا بِوَٰلِدَتِي وَلَمۡ يَجۡعَلۡنِي جَبَّارٗا شَقِيّٗا
Ary mba hiantra (hanao soa) ny reniko. Fa tsy nataony mahery setra, na ory Aho.
Tafsiran larabci:
وَٱلسَّلَٰمُ عَلَيَّ يَوۡمَ وُلِدتُّ وَيَوۡمَ أَمُوتُ وَيَوۡمَ أُبۡعَثُ حَيّٗا
Ary ho Amiko ny fiadanana tamin’ny Andro izay nahaterahako, sy amin’ny Andro izay ahafatesako, ary amin’ny Andro izay hananganana Ahy ho velona.
Tafsiran larabci:
ذَٰلِكَ عِيسَى ٱبۡنُ مَرۡيَمَۖ قَوۡلَ ٱلۡحَقِّ ٱلَّذِي فِيهِ يَمۡتَرُونَ
Izany no Issa (A.s) i (Jesoa) Zanakin’i Mariamo (A.s) (Maria), tenin’ny fahamarinana izay mampisalasala azy ireo.
Tafsiran larabci:
مَا كَانَ لِلَّهِ أَن يَتَّخِذَ مِن وَلَدٖۖ سُبۡحَٰنَهُۥٓۚ إِذَا قَضَىٰٓ أَمۡرٗا فَإِنَّمَا يَقُولُ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ
Tsy mendrika an’i Allah ny hanan-janaka fa Azy ny voninahitra sy ny fahadiovana ! Rehefa mandidy zavatra iray Izy, dia miteny hoe : “ Misia ! ” dia misy tokoa izany.
Tafsiran larabci:
وَإِنَّ ٱللَّهَ رَبِّي وَرَبُّكُمۡ فَٱعۡبُدُوهُۚ هَٰذَا صِرَٰطٞ مُّسۡتَقِيمٞ
Ary tena marina fa i Allah no Tompoko sy Tomponareo ka tompoinareo Izy, izany no làlana mahitsy.
Tafsiran larabci:
فَٱخۡتَلَفَ ٱلۡأَحۡزَابُ مِنۢ بَيۡنِهِمۡۖ فَوَيۡلٞ لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن مَّشۡهَدِ يَوۡمٍ عَظِيمٍ
Tsy nitovy hevitra ireo antokon’Olona teo amin’ny samy izy ireo (taty aoriana), loza ho an’ireo izay tsy nino ny fiatrehana ilay Andro lehibe.
Tafsiran larabci:
أَسۡمِعۡ بِهِمۡ وَأَبۡصِرۡ يَوۡمَ يَأۡتُونَنَا لَٰكِنِ ٱلظَّٰلِمُونَ ٱلۡيَوۡمَ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ
Tahaka ny handrenesan’izy ireo sy ny ahitany tsara ilay Andro hiaviany any Aminay ! Nefa ankehitriny, ireo mpanao ny tsy rariny dia ao anatin’ny fahaverezana tanteraka.
Tafsiran larabci:
 
Fassarar Ma'anoni Sura: Maryam
Teburin Jerin Sunayen Surori Lambar shafi
 
Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad - Teburin Bayani kan wasu Fassarori

Wani gungu na cibiyar fassara ta Ruwad ne suka fassarasu tare da haɗin gwiwar Ƙungiyar Da'awa ta Rabwah da Kungiyar hidimtawa abinda Musulunci ya kunsa da yaruka

Rufewa