Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Al-An‘ām   Ayah:
قُلۡ أَيُّ شَيۡءٍ أَكۡبَرُ شَهَٰدَةٗۖ قُلِ ٱللَّهُۖ شَهِيدُۢ بَيۡنِي وَبَيۡنَكُمۡۚ وَأُوحِيَ إِلَيَّ هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانُ لِأُنذِرَكُم بِهِۦ وَمَنۢ بَلَغَۚ أَئِنَّكُمۡ لَتَشۡهَدُونَ أَنَّ مَعَ ٱللَّهِ ءَالِهَةً أُخۡرَىٰۚ قُل لَّآ أَشۡهَدُۚ قُلۡ إِنَّمَا هُوَ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞ وَإِنَّنِي بَرِيٓءٞ مِّمَّا تُشۡرِكُونَ
Teneno hoe : “Inona no zava-dehibe indrindra amin’ny fijoroana vavolombelona?” Teneno hoe : “Allah dia vavolombelona manoloana ahy sy ianareo. Nalefa amiko ity Koro’any ity mba hampitandremako anareo sy izay rehetra hahatongavany". Moa va ianareo dia sahy mijoro vavolombelona fa misy tompo hafa miaraka amin'i Allah? Valio hoe :"Izaho kosa dia tsy sahy mijoro vavolombelona", Lazao hoe : "Tsy misy afa tsy Allah tokana ihany. Ary izaho dia mandà izay atambatrareo Aminy".
Arabic explanations of the Qur’an:
ٱلَّذِينَ ءَاتَيۡنَٰهُمُ ٱلۡكِتَٰبَ يَعۡرِفُونَهُۥ كَمَا يَعۡرِفُونَ أَبۡنَآءَهُمُۘ ٱلَّذِينَ خَسِرُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ فَهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ
Ireo izay nomenay ny Boky dia mahafantatra azy tsara, tahaka izy ireo mahafantatra ireo zanany. Fa ireo izay nanome fatiantoka ny tenany kosa dia izy ireo no tsy mino.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًا أَوۡ كَذَّبَ بِـَٔايَٰتِهِۦٓۚ إِنَّهُۥ لَا يُفۡلِحُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Iza àry no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra izay nampandainga an’I Allah na nilaza fa lainga ireo famantarany ? Tena marina fa tsy hahita fahombiazana mihitsy ireo mpanao ny tsy rariny.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَيَوۡمَ نَحۡشُرُهُمۡ جَمِيعٗا ثُمَّ نَقُولُ لِلَّذِينَ أَشۡرَكُوٓاْ أَيۡنَ شُرَكَآؤُكُمُ ٱلَّذِينَ كُنتُمۡ تَزۡعُمُونَ
Ary amin’ny andro izay hamorianay azy rehetra ireo ka hitenenanay amin’ireo izay nampikambana an'I Allah amin’ny hafa hoe : “Aiza avokoa ireo izay nakambanareo tamin'I Allah izay nireharehanareo ?
Arabic explanations of the Qur’an:
ثُمَّ لَمۡ تَكُن فِتۡنَتُهُمۡ إِلَّآ أَن قَالُواْ وَٱللَّهِ رَبِّنَا مَا كُنَّا مُشۡرِكِينَ
Noho izany, ny hany mba fialantsin'izy ireo dia ny milaza hoe : “Mianiana amin’i Allah Tomponay izahay fa tsy nampikambana Azy tamin'ny hafa velively!”
Arabic explanations of the Qur’an:
ٱنظُرۡ كَيۡفَ كَذَبُواْ عَلَىٰٓ أَنفُسِهِمۡۚ وَضَلَّ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ
Jereo ahoana ny fandaingan'izy ireo amin’ny tenany ihany, ary nialan'izy ireo tamin'izay noforoniny.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمِنۡهُم مَّن يَسۡتَمِعُ إِلَيۡكَۖ وَجَعَلۡنَا عَلَىٰ قُلُوبِهِمۡ أَكِنَّةً أَن يَفۡقَهُوهُ وَفِيٓ ءَاذَانِهِمۡ وَقۡرٗاۚ وَإِن يَرَوۡاْ كُلَّ ءَايَةٖ لَّا يُؤۡمِنُواْ بِهَاۖ حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءُوكَ يُجَٰدِلُونَكَ يَقُولُ ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّآ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Ary misy amin’izy ireo izay mihaino anao, nefa nasianay sarona ny fon’izy ireo; mba tsy ahazoan’izy ireo azy, ary voatampina ny sofin’izy ireo. Na dia mahita ireo porofo rehetra aza izy ireo dia tsy hino izany velively. Rehefa tonga hiady hevitra aminao izy ireo dia hiteny ireo izay tsy nino manao hoe : “Tsy inona izany afa-tsy anganon’ireo olona taloha”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَهُمۡ يَنۡهَوۡنَ عَنۡهُ وَيَنۡـَٔوۡنَ عَنۡهُۖ وَإِن يُهۡلِكُونَ إِلَّآ أَنفُسَهُمۡ وَمَا يَشۡعُرُونَ
Izy ireo dia mandrara ny olona tsy hanatona azy no sady manalavitra azy.Tsy manapotika afa-tsy ny tenany ihany, saingy tsy tsapan’izy ireo izany.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَوۡ تَرَىٰٓ إِذۡ وُقِفُواْ عَلَى ٱلنَّارِ فَقَالُواْ يَٰلَيۡتَنَا نُرَدُّ وَلَا نُكَذِّبَ بِـَٔايَٰتِ رَبِّنَا وَنَكُونَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Ary raha hitanao, rehefa hatsangana izy ireo eo amoron’ny Afobe, dia hiteny izy ireo manao hoe : “Indrisy ! Raha mba haverina izahay dia tsy hilaza lainga ireo fanambaran’ny Tomponay ary ho anisan’ireo olona mpino izahay.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Al-An‘ām
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close