Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Al-Ahzāb   Ayah:
۞ تُرۡجِي مَن تَشَآءُ مِنۡهُنَّ وَتُـٔۡوِيٓ إِلَيۡكَ مَن تَشَآءُۖ وَمَنِ ٱبۡتَغَيۡتَ مِمَّنۡ عَزَلۡتَ فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكَۚ ذَٰلِكَ أَدۡنَىٰٓ أَن تَقَرَّ أَعۡيُنُهُنَّ وَلَا يَحۡزَنَّ وَيَرۡضَيۡنَ بِمَآ ءَاتَيۡتَهُنَّ كُلُّهُنَّۚ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ مَا فِي قُلُوبِكُمۡۚ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلِيمًا حَلِيمٗا
Azonao atao ny mampiandry izay tianao ampiandrasina amin’izy ireo, ary azonao atao ny mampiantrano izay tianao ampiantranoina. Avy eo dia tsy misy fanakianana ho anao raha manasa ho ao an-tranonao ny iray amin’ireo izay nisintahanao. Izany no fomba madio kokoa mahafaly azy ireo, ka tsy ananan’izy ireo alahelo sy ankasitrahan’izy ireo izay nomenao azy rehetra. Fa Allah dia Mahafantatra izay rehetra ao am-ponareo, ary Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy Malemy fanahy.
Arabic explanations of the Qur’an:
لَّا يَحِلُّ لَكَ ٱلنِّسَآءُ مِنۢ بَعۡدُ وَلَآ أَن تَبَدَّلَ بِهِنَّ مِنۡ أَزۡوَٰجٖ وَلَوۡ أَعۡجَبَكَ حُسۡنُهُنَّ إِلَّا مَا مَلَكَتۡ يَمِينُكَۗ وَكَانَ ٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ رَّقِيبٗا
Tsy azonao atao intsony ny maka vehivavy hafa aorian’izany, na manolo vady na dia mahafinaritra anao aza ny fahatsaran’izy ireo, afa-tsy ireo andevo vavy izay anananao, ary Allah dia manara-maso ny zava-drehetra.
Arabic explanations of the Qur’an:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ لَا تَدۡخُلُواْ بُيُوتَ ٱلنَّبِيِّ إِلَّآ أَن يُؤۡذَنَ لَكُمۡ إِلَىٰ طَعَامٍ غَيۡرَ نَٰظِرِينَ إِنَىٰهُ وَلَٰكِنۡ إِذَا دُعِيتُمۡ فَٱدۡخُلُواْ فَإِذَا طَعِمۡتُمۡ فَٱنتَشِرُواْ وَلَا مُسۡتَـٔۡنِسِينَ لِحَدِيثٍۚ إِنَّ ذَٰلِكُمۡ كَانَ يُؤۡذِي ٱلنَّبِيَّ فَيَسۡتَحۡيِۦ مِنكُمۡۖ وَٱللَّهُ لَا يَسۡتَحۡيِۦ مِنَ ٱلۡحَقِّۚ وَإِذَا سَأَلۡتُمُوهُنَّ مَتَٰعٗا فَسۡـَٔلُوهُنَّ مِن وَرَآءِ حِجَابٖۚ ذَٰلِكُمۡ أَطۡهَرُ لِقُلُوبِكُمۡ وَقُلُوبِهِنَّۚ وَمَا كَانَ لَكُمۡ أَن تُؤۡذُواْ رَسُولَ ٱللَّهِ وَلَآ أَن تَنكِحُوٓاْ أَزۡوَٰجَهُۥ مِنۢ بَعۡدِهِۦٓ أَبَدًاۚ إِنَّ ذَٰلِكُمۡ كَانَ عِندَ ٱللَّهِ عَظِيمًا
Ô ianareo izay mino ! Aoka ianareo tsy hiditra amin’ireo tranon’ny Mpaminany, raha tsy hoe nahazo fanasana hisakafo ianareo, kanefa tsy hijanona ao, hiandry ny fanomanana azy. Nefa raha antsoina ianareo dia midira. Ary rehefa avy nisakafo ianareo, dia mandehana miparitaka, aza mitady hiseho ho olona mifankazatra ka hitari-dresaka. Fa izany dia manahirana ny Mpaminany satria menatra anareo izy, Allah dia tsy menatra (miteny) ny marina. Ary raha mangataka zavatra amin’izy ireo (vadin’ny Mpaminany) ianareo dia mangataha avy ao ambadiky ny lamba manelanelana, izany dia tena madio ho an’ny fonareo sy ny fon’izy ireo; tsy tokony ataonareo ny manelingelina ny Irak’i Allah na sanatria manambady ireo vadiny aoriany; satria izany dia tena fahotana lehibe eo anatrehan’i Allah.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِن تُبۡدُواْ شَيۡـًٔا أَوۡ تُخۡفُوهُ فَإِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٗا
Raha maneho zavatra ianareo na koa manafina izany, Allah no tena Mahalala ny zava-drehetra.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Al-Ahzāb
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close