Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Ash-Shu‘arā’   Ayah:
كَذَّبَتۡ قَوۡمُ لُوطٍ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Nilaza ireo Iraka ho mpandainga ny vahoakan' i Lota.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِذۡ قَالَ لَهُمۡ أَخُوهُمۡ لُوطٌ أَلَا تَتَّقُونَ
Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Lota hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?"
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ
Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !
Arabic explanations of the Qur’an:
فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’i Tompon’izao Tontolo izao.
Arabic explanations of the Qur’an:
أَتَأۡتُونَ ٱلذُّكۡرَانَ مِنَ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Moa ve manao firaisana ara-nofo amin’ny lehilahin’izao tontolo izao ianareo ?
Arabic explanations of the Qur’an:
وَتَذَرُونَ مَا خَلَقَ لَكُمۡ رَبُّكُم مِّنۡ أَزۡوَٰجِكُمۚ بَلۡ أَنتُمۡ قَوۡمٌ عَادُونَ
Ary avelanareo ireo vehivavy vadinareo izay noharian’i Tomponareo ho anareo ? Ary ianareo dia tena vahoaka mpandika lalàna.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ لَئِن لَّمۡ تَنتَهِ يَٰلُوطُ لَتَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡمُخۡرَجِينَ
Niteny izy ireo hoe : “Raha tsy mitsahatra ianao ry Lota, dia tena ho anisan’ireo atao sesi-tany".
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ إِنِّي لِعَمَلِكُم مِّنَ ٱلۡقَالِينَ
Niteny izy (Lota) hoe : “Marina fa izaho dia anisan’ireo mankahala ny asa izay ataonareo".
Arabic explanations of the Qur’an:
رَبِّ نَجِّنِي وَأَهۡلِي مِمَّا يَعۡمَلُونَ
Tompo o ! Avoty aho sy ny fianakaviako amin’izay ataon’izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَنَجَّيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥٓ أَجۡمَعِينَ
Ka navotanay àry izy sy ny fianakaviany rehetra.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِلَّا عَجُوزٗا فِي ٱلۡغَٰبِرِينَ
Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana.
Arabic explanations of the Qur’an:
ثُمَّ دَمَّرۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ
Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَأَمۡطَرۡنَا عَلَيۡهِم مَّطَرٗاۖ فَسَآءَ مَطَرُ ٱلۡمُنذَرِينَ
Ary narotsakay tamin’izy ireo ny orana (oram-bato). Tena ratsy tokoa izany orana izany ho an’ireo izay nampitandremana.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
Arabic explanations of the Qur’an:
كَذَّبَ أَصۡحَٰبُ لۡـَٔيۡكَةِ ٱلۡمُرۡسَلِينَ
Nilaza ireo iraka ho mpandainga ireo olon’ny Al-Aikaty.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِذۡ قَالَ لَهُمۡ شُعَيۡبٌ أَلَا تَتَّقُونَ
Rehefa niteny tamin’izy ireo i Choaymbo hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنِّي لَكُمۡ رَسُولٌ أَمِينٞ
Izaho dia Iraka mendri-pitokisana ho anareo !
Arabic explanations of the Qur’an:
فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَطِيعُونِ
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمَآ أَسۡـَٔلُكُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho momba izany, tsy misy karama aho afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao.
Arabic explanations of the Qur’an:
۞ أَوۡفُواْ ٱلۡكَيۡلَ وَلَا تَكُونُواْ مِنَ ٱلۡمُخۡسِرِينَ
Manomeza fatra feno ianareo,fa azamanao ho isan'ieo mpanena fatra.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَزِنُواْ بِٱلۡقِسۡطَاسِ ٱلۡمُسۡتَقِيمِ
Ary mandanjà amin’ny fandanjana marina ianareo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَا تَبۡخَسُواْ ٱلنَّاسَ أَشۡيَآءَهُمۡ وَلَا تَعۡثَوۡاْ فِي ٱلۡأَرۡضِ مُفۡسِدِينَ
Ary aza manome ny olona izay latsaky ny tokony ho azy ianareo; ary aza manao fanakorontanana sy asa fanimbana eto an-tany ianareo.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Ash-Shu‘arā’
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close