Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: An-Noor   Ayah:
رِجَالٞ لَّا تُلۡهِيهِمۡ تِجَٰرَةٞ وَلَا بَيۡعٌ عَن ذِكۡرِ ٱللَّهِ وَإِقَامِ ٱلصَّلَوٰةِ وَإِيتَآءِ ٱلزَّكَوٰةِ يَخَافُونَ يَوۡمٗا تَتَقَلَّبُ فِيهِ ٱلۡقُلُوبُ وَٱلۡأَبۡصَٰرُ
Ireo lehilahy izay tsy mahavariana azy ireo, na ny varotra na ny fifanakalozana, ny amin’ny fahatsiarovana an’I Allah sy ny fananganana ny soalat (vavaka), ary ny fanomezana ny zakat (harena fiantrana). Matahotra izy ireo ny amin’ny andro iray izay hivadibadihan’ny fo sy ny fijery.
Arabic explanations of the Qur’an:
لِيَجۡزِيَهُمُ ٱللَّهُ أَحۡسَنَ مَا عَمِلُواْ وَيَزِيدَهُم مِّن فَضۡلِهِۦۗ وَٱللَّهُ يَرۡزُقُ مَن يَشَآءُ بِغَيۡرِ حِسَابٖ
Mba hanomezan’I Allah azy ireo ny valisoa mendrika indrindra amin’izay (asa tsara) nataon’izy ireo, ary hampitomboany amin’izy ireo ny fahasoavany. Ary I Allah dia manome anjaram-pahasoavana (riziky) tsy tambo isaina ho an’izay sitrany.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَعۡمَٰلُهُمۡ كَسَرَابِۭ بِقِيعَةٖ يَحۡسَبُهُ ٱلظَّمۡـَٔانُ مَآءً حَتَّىٰٓ إِذَا جَآءَهُۥ لَمۡ يَجِدۡهُ شَيۡـٔٗا وَوَجَدَ ٱللَّهَ عِندَهُۥ فَوَفَّىٰهُ حِسَابَهُۥۗ وَٱللَّهُ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ
Ary ireo izay tsy mino kosa, ny asan’izy ireo dia tahaka ny rendrarendra (mamita-maso) amin’ny tany karakaina izay heverin’ny olona mangetaheta ho rano, kanefa raha tonga eo izy dia tsy mahita na inona na inona, fa Allah kosa no eo anatrehany, izay hanome azy tanteraka ny valin’asany, ary Allah dia haingam-panisa.
Arabic explanations of the Qur’an:
أَوۡ كَظُلُمَٰتٖ فِي بَحۡرٖ لُّجِّيّٖ يَغۡشَىٰهُ مَوۡجٞ مِّن فَوۡقِهِۦ مَوۡجٞ مِّن فَوۡقِهِۦ سَحَابٞۚ ظُلُمَٰتُۢ بَعۡضُهَا فَوۡقَ بَعۡضٍ إِذَآ أَخۡرَجَ يَدَهُۥ لَمۡ يَكَدۡ يَرَىٰهَاۗ وَمَن لَّمۡ يَجۡعَلِ ٱللَّهُ لَهُۥ نُورٗا فَمَا لَهُۥ مِن نُّورٍ
Na koa tahaka ny haizim-be ao anatin’ny ranomasina lalina, mandrakotra azy ny onja maro, izay miavovona eo ambonin'ny onja (hafa), izay rakotry ny rahona eo amboniny. Haizina mifanaingina, ny sasany ambonin’ny sasany, raha havoakany ny tanany dia mila tsy ho tazany izany. Ary izay tsy nomen’I Allah hazavana dia tsy hanana hazavana mihitsy.
Arabic explanations of the Qur’an:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ يُسَبِّحُ لَهُۥ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَٱلطَّيۡرُ صَٰٓفَّٰتٖۖ كُلّٞ قَدۡ عَلِمَ صَلَاتَهُۥ وَتَسۡبِيحَهُۥۗ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِمَا يَفۡعَلُونَ
Moa ve tsy hitanao fa mankalaza an’I Allah izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany, ary koa ireo vorona mikopak’elatra? Ny tsirairay dia efa mahafantatra ny fomba fivavahana Aminy sy ny fiderana Azy. Ary I Allah dia tena mahalala izay rehetra ataon’izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ وَإِلَى ٱللَّهِ ٱلۡمَصِيرُ
Ary ho an’I Allah ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, ary any amin’I Allah ny fiverenana farany.
Arabic explanations of the Qur’an:
أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ يُزۡجِي سَحَابٗا ثُمَّ يُؤَلِّفُ بَيۡنَهُۥ ثُمَّ يَجۡعَلُهُۥ رُكَامٗا فَتَرَى ٱلۡوَدۡقَ يَخۡرُجُ مِنۡ خِلَٰلِهِۦ وَيُنَزِّلُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مِن جِبَالٖ فِيهَا مِنۢ بَرَدٖ فَيُصِيبُ بِهِۦ مَن يَشَآءُ وَيَصۡرِفُهُۥ عَن مَّن يَشَآءُۖ يَكَادُ سَنَا بَرۡقِهِۦ يَذۡهَبُ بِٱلۡأَبۡصَٰرِ
Moa ve tsy hitanao fa I Allah tokoa no manosika ireo rahona ? Avy eo avondrony izy ireo, ary ataony ho vondron-draho-mainty mitatao, ka hitanao ny orana mivoaka eo anelanelany. Ary Izy no mampidina avy amin’ny lanitra ny avandra, avy amin’ny vondron-drahona mitovy amin’ny tendrombohitra, ka arotsany amin’izay tiany izany ary halaviriny amin’izay tiany koa, mila hanala mihitsy ny fahitana ny fahazavan’ny tsela-barany.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: An-Noor
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close