Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Tā-ha   Ayah:

Twà-hà

طه
Toã-Hã.
Arabic explanations of the Qur’an:
مَآ أَنزَلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡقُرۡءَانَ لِتَشۡقَىٰٓ
Tsy nampidina velively Taminao ny Koroany Izahay mba hampahory Anao.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِلَّا تَذۡكِرَةٗ لِّمَن يَخۡشَىٰ
Fa fampahatsiahivana ho an’izay matahotra (an’i Allah);
Arabic explanations of the Qur’an:
تَنزِيلٗا مِّمَّنۡ خَلَقَ ٱلۡأَرۡضَ وَٱلسَّمَٰوَٰتِ ٱلۡعُلَى
Nidina avy tamin’Ilay nahary ny tany sy ireo lanitra ambony.
Arabic explanations of the Qur’an:
ٱلرَّحۡمَٰنُ عَلَى ٱلۡعَرۡشِ ٱسۡتَوَىٰ
Ilay be Fiantrana nitoetra eo amin’ny Seza Fiandrianana.
Arabic explanations of the Qur’an:
لَهُۥ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا وَمَا تَحۡتَ ٱلثَّرَىٰ
Ary Azy avokoa izay any amin’ireo lanitra, sy ety an-tany, ary izay eo anelanelan’izy ireo, sy izay any ambanin’ny tany.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَإِن تَجۡهَرۡ بِٱلۡقَوۡلِ فَإِنَّهُۥ يَعۡلَمُ ٱلسِّرَّ وَأَخۡفَى
Ary raha mampiaka-peo Ianao, Izy dia mahafantatra tokoa ireo zava-miafina, na dia ireo izay tena miafina aza.
Arabic explanations of the Qur’an:
ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ لَهُ ٱلۡأَسۡمَآءُ ٱلۡحُسۡنَىٰ
Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ! Azy ireo anarana tsara indrindra.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَهَلۡ أَتَىٰكَ حَدِيثُ مُوسَىٰٓ
Moa ve tonga Taminao ny tantaran’i Mosa ?
Arabic explanations of the Qur’an:
إِذۡ رَءَا نَارٗا فَقَالَ لِأَهۡلِهِ ٱمۡكُثُوٓاْ إِنِّيٓ ءَانَسۡتُ نَارٗا لَّعَلِّيٓ ءَاتِيكُم مِّنۡهَا بِقَبَسٍ أَوۡ أَجِدُ عَلَى ٱلنَّارِ هُدٗى
Raha nahita afo Izy, dia niteny tamin’ny fianakaviany ka nanao hoe : “ Mijanona eto ianareo ! Fa Izaho dia nahatazana afo tokoa erý lavitra erý, angamba hitondra tapa-porohana ho Anareo Aho, na ahita toro-làlana eo anatrehan’io afo io Aho ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَلَمَّآ أَتَىٰهَا نُودِيَ يَٰمُوسَىٰٓ
Ary nony tonga teo izy, dia nisy feo niantso azy hoe : “ Ry Moussa ! "
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنِّيٓ أَنَا۠ رَبُّكَ فَٱخۡلَعۡ نَعۡلَيۡكَ إِنَّكَ بِٱلۡوَادِ ٱلۡمُقَدَّسِ طُوٗى
Izaho no Tomponao ! Esory ny Kapanao, satria eo amin’ny lohasaha masina, “ Towa ” Ianao.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Tā-ha
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close