Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Ayah: (102) Surah: Al-Baqarah
وَٱتَّبَعُواْ مَا تَتۡلُواْ ٱلشَّيَٰطِينُ عَلَىٰ مُلۡكِ سُلَيۡمَٰنَۖ وَمَا كَفَرَ سُلَيۡمَٰنُ وَلَٰكِنَّ ٱلشَّيَٰطِينَ كَفَرُواْ يُعَلِّمُونَ ٱلنَّاسَ ٱلسِّحۡرَ وَمَآ أُنزِلَ عَلَى ٱلۡمَلَكَيۡنِ بِبَابِلَ هَٰرُوتَ وَمَٰرُوتَۚ وَمَا يُعَلِّمَانِ مِنۡ أَحَدٍ حَتَّىٰ يَقُولَآ إِنَّمَا نَحۡنُ فِتۡنَةٞ فَلَا تَكۡفُرۡۖ فَيَتَعَلَّمُونَ مِنۡهُمَا مَا يُفَرِّقُونَ بِهِۦ بَيۡنَ ٱلۡمَرۡءِ وَزَوۡجِهِۦۚ وَمَا هُم بِضَآرِّينَ بِهِۦ مِنۡ أَحَدٍ إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِۚ وَيَتَعَلَّمُونَ مَا يَضُرُّهُمۡ وَلَا يَنفَعُهُمۡۚ وَلَقَدۡ عَلِمُواْ لَمَنِ ٱشۡتَرَىٰهُ مَا لَهُۥ فِي ٱلۡأٓخِرَةِ مِنۡ خَلَٰقٖۚ وَلَبِئۡسَ مَا شَرَوۡاْ بِهِۦٓ أَنفُسَهُمۡۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ
Ary dia nanaraka izay nolazain’ireo satana tao amin’ny fanjakan’i Souleiman izy ireo. Tsy mbola nitsipaka ny didin’Allah velively raha i Souleiman, fa ireo satana indrindra no nitsipaka ny didin’Allah; nampianatra mosavy ny olona izy ireo, sy izay nampidinina tamin’ireo Anjely roa tany Babilôna : Harota sy Marota. Ary tsy nampianatra na iza na iza ireo anjely roa ireo raha tsy niteny mialoha nanao hoe : “Tsy inona akory izahay raha tsy fakam-panahy ihany; ka aoka ianareo mba tsy ho isan’ireo tsy mpino”; koa dia nianaran’izy ireo tamin’ireto anjely ireto tamin’izany ny fomba fampisarahana ny olona amin’ny vadiny. Kanefa tsy afaka nisompatra olona izy ireny raha tsy sitrak’Allah. Ary ny zavatra nanimba ny tenan’izy ireo ihany no nianarany, fa tsy izay misy vokatsoa ho azy. Ary efa fantatr’izy ireo tsara ihany koa, fa izay misafidy izany, dia tsy hahazo anjara intsony any an-koatra. Ka tena faharatsiana tokoa no natakalon’izy ireny ny fanahiny! Raha mba fantatr’izy ireny mantsy izany!
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Ayah: (102) Surah: Al-Baqarah
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close