Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Maryam   Ayah:
رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا فَٱعۡبُدۡهُ وَٱصۡطَبِرۡ لِعِبَٰدَتِهِۦۚ هَلۡ تَعۡلَمُ لَهُۥ سَمِيّٗا
(Izy no) Tompon’ireo ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra manelanelana azy Roa ! Tompoy àry Izy, ary manàna faharetana amin’ny fanompoana Azy. Mahafantatra ny mitovy Aminy ve Ianao ?
Arabic explanations of the Qur’an:
وَيَقُولُ ٱلۡإِنسَٰنُ أَءِذَا مَا مِتُّ لَسَوۡفَ أُخۡرَجُ حَيًّا
Ary miteny ny Olombelona ka manao hoe : “ Moa ve rehefa maty dia mbola haverina ho velona indray Aho ? ”
Arabic explanations of the Qur’an:
أَوَلَا يَذۡكُرُ ٱلۡإِنسَٰنُ أَنَّا خَلَقۡنَٰهُ مِن قَبۡلُ وَلَمۡ يَكُ شَيۡـٔٗا
Moa ve tsy tadidin’ny Olombelona, fa Izahay tokoa no nahary Azy tany aloha, fony izy mbola tsy nisy ?
Arabic explanations of the Qur’an:
فَوَرَبِّكَ لَنَحۡشُرَنَّهُمۡ وَٱلشَّيَٰطِينَ ثُمَّ لَنُحۡضِرَنَّهُمۡ حَوۡلَ جَهَنَّمَ جِثِيّٗا
Marina amin’ny Tomponao ! Fa hangoninay izy ireo sy ireo satana. Avy eo dia apetrakay am-pandohalihana manodidina ny Afobe izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
ثُمَّ لَنَنزِعَنَّ مِن كُلِّ شِيعَةٍ أَيُّهُمۡ أَشَدُّ عَلَى ٱلرَّحۡمَٰنِ عِتِيّٗا
Ary avy eo, dia tena halainay avy amin’ny andiany tsirairay avy, ireo izay nikiry fatratra tamin’ny fanoherana ilay be Fiantrana.
Arabic explanations of the Qur’an:
ثُمَّ لَنَحۡنُ أَعۡلَمُ بِٱلَّذِينَ هُمۡ أَوۡلَىٰ بِهَا صِلِيّٗا
Ary Izahay no mahalala tokoa izay mendrika hodorana amin’izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَإِن مِّنكُمۡ إِلَّا وَارِدُهَاۚ كَانَ عَلَىٰ رَبِّكَ حَتۡمٗا مَّقۡضِيّٗا
Tsy misy tsy handalo amin’izany (tetezana ambonin’ny Afobe) Ianareo, izany dia didy tsy azo hidovirana (hialana) avy amin’ny Tomponao.
Arabic explanations of the Qur’an:
ثُمَّ نُنَجِّي ٱلَّذِينَ ٱتَّقَواْ وَّنَذَرُ ٱلظَّٰلِمِينَ فِيهَا جِثِيّٗا
Ary avy eo, dia havotanay ireo izay manam-patahorana. Fa havelanay am-pandohalihana ao kosa ireo mpanao ny tsy rariny.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُنَا بَيِّنَٰتٖ قَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لِلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَيُّ ٱلۡفَرِيقَيۡنِ خَيۡرٞ مَّقَامٗا وَأَحۡسَنُ نَدِيّٗا
Ary rehefa vakiana amin’izy ireo, ireo andininy mazava amin’ny teninay, dia miteny ireo tsy mpino amin’ireo mpino manao hoe : “ Iza amin’ny andiany Roa ireo, no manana toerana mampiadana, sy namana mendrika indrindra ? ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَكَمۡ أَهۡلَكۡنَا قَبۡلَهُم مِّن قَرۡنٍ هُمۡ أَحۡسَنُ أَثَٰثٗا وَرِءۡيٗا
Ary firifiry moa no naringanay tamin’ireo taranaka talohan’izy ireo, izay nihoatra azy ireo tamin’ny fananana, sy tamin’ny endrika ivelany.
Arabic explanations of the Qur’an:
قُلۡ مَن كَانَ فِي ٱلضَّلَٰلَةِ فَلۡيَمۡدُدۡ لَهُ ٱلرَّحۡمَٰنُ مَدًّاۚ حَتَّىٰٓ إِذَا رَأَوۡاْ مَا يُوعَدُونَ إِمَّا ٱلۡعَذَابَ وَإِمَّا ٱلسَّاعَةَ فَسَيَعۡلَمُونَ مَنۡ هُوَ شَرّٞ مَّكَانٗا وَأَضۡعَفُ جُندٗا
Teneno hoe : “ Izay ao anatin’ny fahaverezana, dia aoka ilay be Fiantrana hanalava ny fiainany, mandra-pahitan’izy ireo,na ilay famaizana na ilay Ora ”. Ka ho fantatr’izy ireo, iza no manana toerana ratsy indrindra, sy manana ny andiana miaramila tena osa.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَيَزِيدُ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ٱهۡتَدَوۡاْ هُدٗىۗ وَٱلۡبَٰقِيَٰتُ ٱلصَّٰلِحَٰتُ خَيۡرٌ عِندَ رَبِّكَ ثَوَابٗا وَخَيۡرٞ مَّرَدًّا
Ary ampitomboin’i Allah fahitsiana ireo izay manaraka ny làla-mahitsy. Ary ireo asa soa maharitra, dia mendrika ny valisoa tsara indrindra, sy ny fiafarana tsara indrindra eo anatrehan’ny Tomponao.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Maryam
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close