Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Ibrāhīm   Ayah:
قَالَتۡ لَهُمۡ رُسُلُهُمۡ إِن نَّحۡنُ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ يَمُنُّ عَلَىٰ مَن يَشَآءُ مِنۡ عِبَادِهِۦۖ وَمَا كَانَ لَنَآ أَن نَّأۡتِيَكُم بِسُلۡطَٰنٍ إِلَّا بِإِذۡنِ ٱللَّهِۚ وَعَلَى ٱللَّهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ
Niteny tamin’izy ireo, ireo Irak’izy ireo ka nanao hoe : “ Marina fa, tsy Inona akory Izahay fa Olombelona tahaka Anareo ihany. Nefa i Allah kosa dia manome fahasoavana ho an’izay sitrany amin’ireo mpanompony Tsy anjaranay ny mitondra porofo Aminareo, raha tsy alalana avy amin’i Allah. Ary amin’i Allah no tokony hametrahan’ireo mpino ny fitokisany.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمَا لَنَآ أَلَّا نَتَوَكَّلَ عَلَى ٱللَّهِ وَقَدۡ هَدَىٰنَا سُبُلَنَاۚ وَلَنَصۡبِرَنَّ عَلَىٰ مَآ ءَاذَيۡتُمُونَاۚ وَعَلَى ٱللَّهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُتَوَكِّلُونَ
Fa inona no mbola tsy hametrahantsika ny fitokisana amin’i Allah, ka nefa Izy no nitarika Antsika tamin’ireo làlantsika ? Tsy maintsy hiaretanay ny fampijaliana izay Ataonareo Anay. Ary amin’i Allah no tokony hametrahan'ireo izay manana fitokisana ny fitokisany.”
Arabic explanations of the Qur’an:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لِرُسُلِهِمۡ لَنُخۡرِجَنَّكُم مِّنۡ أَرۡضِنَآ أَوۡ لَتَعُودُنَّ فِي مِلَّتِنَاۖ فَأَوۡحَىٰٓ إِلَيۡهِمۡ رَبُّهُمۡ لَنُهۡلِكَنَّ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary niteny ireo izay tsy nino tamin’ny Iraka’izy ireo ka nanao hoe : " Tena horoahinay hiala amin’ny tanànanay Ianareo na koa hiverina amin’ny finoanay (finoan-drazana) ianareo ! ” Ka nanambara tamin’izy ireo ny Tompon’izy ireo ka nanao hoe : " Haringanay tanteraka ireo mpanao ny tsy rariny ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَنُسۡكِنَنَّكُمُ ٱلۡأَرۡضَ مِنۢ بَعۡدِهِمۡۚ ذَٰلِكَ لِمَنۡ خَافَ مَقَامِي وَخَافَ وَعِيدِ
Ary tena hametraka Anareo amin’ny tanàna aoriany izy ireo. Izany dia ho an’ireo izay matahotra ny fisiako sy matahotra ny fandrahonako.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَٱسۡتَفۡتَحُواْ وَخَابَ كُلُّ جَبَّارٍ عَنِيدٖ
Nangataka ny fandresena izy ireo (ireo Iraka) ka diso fanantenana ireo mpangeja, mpanohitra ny marina.
Arabic explanations of the Qur’an:
مِّن وَرَآئِهِۦ جَهَنَّمُ وَيُسۡقَىٰ مِن مَّآءٖ صَدِيدٖ
Aorian’izany dia ny Afobe (jahannam), ary hampisotroina rano feno nana.
Arabic explanations of the Qur’an:
يَتَجَرَّعُهُۥ وَلَا يَكَادُ يُسِيغُهُۥ وَيَأۡتِيهِ ٱلۡمَوۡتُ مِن كُلِّ مَكَانٖ وَمَا هُوَ بِمَيِّتٖۖ وَمِن وَرَآئِهِۦ عَذَابٌ غَلِيظٞ
Ka ezahany hatelina tsikelikely izany nefa zara raha afaka hitelina izany Izy. Ary ho tonga Aminy ny fahafatesana n'aiza n'aiza misy Azy nefa tsy ho faty Izy, ary aorian’izany dia sazy mahery vaika no hanjo Azy.
Arabic explanations of the Qur’an:
مَّثَلُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِرَبِّهِمۡۖ أَعۡمَٰلُهُمۡ كَرَمَادٍ ٱشۡتَدَّتۡ بِهِ ٱلرِّيحُ فِي يَوۡمٍ عَاصِفٖۖ لَّا يَقۡدِرُونَ مِمَّا كَسَبُواْ عَلَىٰ شَيۡءٖۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلضَّلَٰلُ ٱلۡبَعِيدُ
Ny mitovy amin’ireo izay tsy nino ny Tompon’izy ireo, ny asan’izy ireo dia azo oharina amin’ny lavenona nitongavan’ny rivotra mafy tamin’ny andron’ny rivo-doza. Tsy hahazo voka-tsoa velively tamin’izay azony izy ireo. Izany no tena fahaverezana lavitra.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Ibrāhīm
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close