Check out the new design

Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center * - Translations’ Index


Translation of the meanings Surah: Yūsuf   Ayah:

Yousouf

الٓرۚ تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡمُبِينِ
ALIF LAM RA, indro ireo andininy amin’ilay Bokin’ny fahazavana.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِنَّآ أَنزَلۡنَٰهُ قُرۡءَٰنًا عَرَبِيّٗا لَّعَلَّكُمۡ تَعۡقِلُونَ
Nataonay amin'ny fiteny arabo izany Koroany izany, mba hisainanareo
Arabic explanations of the Qur’an:
نَحۡنُ نَقُصُّ عَلَيۡكَ أَحۡسَنَ ٱلۡقَصَصِ بِمَآ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ هَٰذَا ٱلۡقُرۡءَانَ وَإِن كُنتَ مِن قَبۡلِهِۦ لَمِنَ ٱلۡغَٰفِلِينَ
Tantarahanay Aminao ny tantara tsara indrindra nohon'ny fanambarana izay ataonay Aminao ao anatin' ity Koroany ity na dia anisan’ireo tsy mahalala izany aza Ianao teo aloha.
Arabic explanations of the Qur’an:
إِذۡ قَالَ يُوسُفُ لِأَبِيهِ يَٰٓأَبَتِ إِنِّي رَأَيۡتُ أَحَدَ عَشَرَ كَوۡكَبٗا وَٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَ رَأَيۡتُهُمۡ لِي سَٰجِدِينَ
Raha niteny tamin’ny Rainy i Josefa hoe : “Ry Dada, nahita (tamin’ny nofy) kintana iraika ambiny folo, ary koa ny masoandro sy ny volana aho, nahita azy ireo niankohoka teo anatrehako.”
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ يَٰبُنَيَّ لَا تَقۡصُصۡ رُءۡيَاكَ عَلَىٰٓ إِخۡوَتِكَ فَيَكِيدُواْ لَكَ كَيۡدًاۖ إِنَّ ٱلشَّيۡطَٰنَ لِلۡإِنسَٰنِ عَدُوّٞ مُّبِينٞ
Namaly izy : Ry anaka, aza tantaraina amin’ireo rahalahinao ny nofinao, fa hanao teti-dratsy aminao izy ireo, tena marina fa i satana dia fahavalo miharihary ho an’ny olombelona.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَكَذَٰلِكَ يَجۡتَبِيكَ رَبُّكَ وَيُعَلِّمُكَ مِن تَأۡوِيلِ ٱلۡأَحَادِيثِ وَيُتِمُّ نِعۡمَتَهُۥ عَلَيۡكَ وَعَلَىٰٓ ءَالِ يَعۡقُوبَ كَمَآ أَتَمَّهَا عَلَىٰٓ أَبَوَيۡكَ مِن قَبۡلُ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡحَٰقَۚ إِنَّ رَبَّكَ عَلِيمٌ حَكِيمٞ
Ary noho izany ny Tomponao dia hisafidy Anao sy hampianatra Anao ny fandikana nofy, ary ho tanterahiny Aminao sy amin’ny fianakavian’i Jakoba ny fahasoavany tahaka ny nanaovany izany tamin’ireo razambenao roa teo aloha dia Ibrahimo sy Isaka. Tena marina fa ny Tomponao dia be Fahalalàna sy be Fahendrena.
Arabic explanations of the Qur’an:
۞ لَّقَدۡ كَانَ فِي يُوسُفَ وَإِخۡوَتِهِۦٓ ءَايَٰتٞ لِّلسَّآئِلِينَ
Tena nisy fananarana tokoa ho an’ireo izay manontany, ny amin’i Josefa sy ireo rahalahiny
Arabic explanations of the Qur’an:
إِذۡ قَالُواْ لَيُوسُفُ وَأَخُوهُ أَحَبُّ إِلَىٰٓ أَبِينَا مِنَّا وَنَحۡنُ عُصۡبَةٌ إِنَّ أَبَانَا لَفِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٍ
Raha niteny izy ireo nanao hoe: “I Josefa sy ny rahalahiny, dia tian’ny rainay kokoa noho izahay, nefa izahay dia vondron’olona matanjaka. Tena ao anatin’ny hadisoana miharihary ny rainay”.
Arabic explanations of the Qur’an:
ٱقۡتُلُواْ يُوسُفَ أَوِ ٱطۡرَحُوهُ أَرۡضٗا يَخۡلُ لَكُمۡ وَجۡهُ أَبِيكُمۡ وَتَكُونُواْ مِنۢ بَعۡدِهِۦ قَوۡمٗا صَٰلِحِينَ
“Vonoy i Josefa, na hampanalaviro any amin’ny tany hafa izy, mba hitodihan’ny tavan’ny Rainareo, aminareo manokana, ary hahatonga anareo ho olona tsara any aoriana”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ قَآئِلٞ مِّنۡهُمۡ لَا تَقۡتُلُواْ يُوسُفَ وَأَلۡقُوهُ فِي غَيَٰبَتِ ٱلۡجُبِّ يَلۡتَقِطۡهُ بَعۡضُ ٱلسَّيَّارَةِ إِن كُنتُمۡ فَٰعِلِينَ
Hoy ny anankiray tamin’izy ireo: “Aza vonoina i Josefa, fa atsipazo ao anatina vovo iray, raha vonona ny hanao izany ianareo, mba handraisan’ny andian’olona sasany mpandeha azy indray”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ يَٰٓأَبَانَا مَا لَكَ لَا تَأۡمَ۬نَّا عَلَىٰ يُوسُفَ وَإِنَّا لَهُۥ لَنَٰصِحُونَ
Hoy izy ireo : “Ry Dadanay ô! Inona no mahazo anao, no tsy matoky anay mikasika an’i Josefa ianao? Nefa tsy manana hevi-dratsy momba azy izahay”.
Arabic explanations of the Qur’an:
أَرۡسِلۡهُ مَعَنَا غَدٗا يَرۡتَعۡ وَيَلۡعَبۡ وَإِنَّا لَهُۥ لَحَٰفِظُونَ
Ka alefaso miaraka aminay izy rahampitso hitsangatsangana sy hilalao. Fa izahay dia vonona hiaro azy ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ إِنِّي لَيَحۡزُنُنِيٓ أَن تَذۡهَبُواْ بِهِۦ وَأَخَافُ أَن يَأۡكُلَهُ ٱلذِّئۡبُ وَأَنتُمۡ عَنۡهُ غَٰفِلُونَ
Hoy izy : “Marina fa malahelo aho ny hitondranareo azy, ary matahotra aho, sao lanin’ny amboadia izy amin’ny fotoana mahavariana anareo, ka tsy hitandremanareo azy”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ لَئِنۡ أَكَلَهُ ٱلذِّئۡبُ وَنَحۡنُ عُصۡبَةٌ إِنَّآ إِذٗا لَّخَٰسِرُونَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : " Raha sanatria ka ho lanin’ny amboadia tokoa Izy, nefa Izahay maro, tena faty antoka ho Anay izany.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَلَمَّا ذَهَبُواْ بِهِۦ وَأَجۡمَعُوٓاْ أَن يَجۡعَلُوهُ فِي غَيَٰبَتِ ٱلۡجُبِّۚ وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡهِ لَتُنَبِّئَنَّهُم بِأَمۡرِهِمۡ هَٰذَا وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ
Ary raha nentin’izy ireo izy, ka nifanarahan’izy ireo ny hamarina azy, anaty vovo lalina indrindra, dia nambaranay taminy hoe: “Mbola hampahafantarinao azy ireo, indray andro any, izao nataon’izy ireo izao, fa tsy tsapan’izy ireo izany ankehitriny”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَجَآءُوٓ أَبَاهُمۡ عِشَآءٗ يَبۡكُونَ
Tonga tany amin’ny Rainy izy ireo ny alina sady nitomany.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ يَٰٓأَبَانَآ إِنَّا ذَهَبۡنَا نَسۡتَبِقُ وَتَرَكۡنَا يُوسُفَ عِندَ مَتَٰعِنَا فَأَكَلَهُ ٱلذِّئۡبُۖ وَمَآ أَنتَ بِمُؤۡمِنٖ لَّنَا وَلَوۡ كُنَّا صَٰدِقِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : Oh ry Dadanay o ! nandeha nifaninana nihazakazaka Izahay, ka navelanay teo akaikin’ny entanay i Yosofa, ka nohanin’ny amboadia Izy. Ary tsy hino Anay velively Ianao, na dia milaza ny marina aza Izahay.”
Arabic explanations of the Qur’an:
وَجَآءُو عَلَىٰ قَمِيصِهِۦ بِدَمٖ كَذِبٖۚ قَالَ بَلۡ سَوَّلَتۡ لَكُمۡ أَنفُسُكُمۡ أَمۡرٗاۖ فَصَبۡرٞ جَمِيلٞۖ وَٱللَّهُ ٱلۡمُسۡتَعَانُ عَلَىٰ مَا تَصِفُونَ
Nentin’izy ireo ny akanjony lainga mihosi-drà . Niteny izy hoe : “Ny fanahy ratsinareo no nanosika anareo hanao tetika… ka tsy misy azoko atao afa-tsy ny faharetana tsara! Ary Allah no hangatahana vonjy amin’izay notantarainareo! ”
Arabic explanations of the Qur’an:
وَجَآءَتۡ سَيَّارَةٞ فَأَرۡسَلُواْ وَارِدَهُمۡ فَأَدۡلَىٰ دَلۡوَهُۥۖ قَالَ يَٰبُشۡرَىٰ هَٰذَا غُلَٰمٞۚ وَأَسَرُّوهُ بِضَٰعَةٗۚ وَٱللَّهُ عَلِيمُۢ بِمَا يَعۡمَلُونَ
Nefa, nisy andian’olona anankiray tonga. Nirahin’izy ireo ny mpaka ny ranony, dia nampidina ny fanovozana kely. Hoy izy : “Vaovao mahafaly! Indro, nahita zazalahy kely aho!”. Ary nafenin’izy ireo izy (hamidy) toy ny entam-barotra. Nefa fantatr’Allah tsara izay ataon’izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَشَرَوۡهُ بِثَمَنِۭ بَخۡسٖ دَرَٰهِمَ مَعۡدُودَةٖ وَكَانُواْ فِيهِ مِنَ ٱلزَّٰهِدِينَ
Ary dia namidin’izy ireo mora vidy izy, dirham vitsivitsy. Fa noheverin’izy ireo, ho tsy misy hajany izy.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَقَالَ ٱلَّذِي ٱشۡتَرَىٰهُ مِن مِّصۡرَ لِٱمۡرَأَتِهِۦٓ أَكۡرِمِي مَثۡوَىٰهُ عَسَىٰٓ أَن يَنفَعَنَآ أَوۡ نَتَّخِذَهُۥ وَلَدٗاۚ وَكَذَٰلِكَ مَكَّنَّا لِيُوسُفَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلِنُعَلِّمَهُۥ مِن تَأۡوِيلِ ٱلۡأَحَادِيثِۚ وَٱللَّهُ غَالِبٌ عَلَىٰٓ أَمۡرِهِۦ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary ilay nividy azy avy any Ejypta, dia niteny tamin’ny vadiny, ka hoy izy : “Raiso ampitiavana izy, fa mety hilaintsika na hatsangantsika ho zanaka”. Araka izany dia nataonay maritoerana tao an-tanàna i Josefa, ka nampianarinay azy ny fandikana ny nofy. Fa ambony amin’ny didiny Allah, nefa tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona izany.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَمَّا بَلَغَ أَشُدَّهُۥٓ ءَاتَيۡنَٰهُ حُكۡمٗا وَعِلۡمٗاۚ وَكَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Rehefa tonga ny fahamatoran-tsainy dia nomenay Azy ny fahendrena sy ny fahalalana. Tahaka izany no hamalianay ireo mpanao ny asa soa.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَرَٰوَدَتۡهُ ٱلَّتِي هُوَ فِي بَيۡتِهَا عَن نَّفۡسِهِۦ وَغَلَّقَتِ ٱلۡأَبۡوَٰبَ وَقَالَتۡ هَيۡتَ لَكَۚ قَالَ مَعَاذَ ٱللَّهِۖ إِنَّهُۥ رَبِّيٓ أَحۡسَنَ مَثۡوَايَۖ إِنَّهُۥ لَا يُفۡلِحُ ٱلظَّٰلِمُونَ
Ary ilay (Zoulaikha) nandray azy tao an-tranony, dia niezaka ny haka fanahy azy, ka nakatony tsara ireo varavarana, ary hoy izy : “Avia, (vonona ho anao aho). Ka hoy izy namaly : “Hiaro ahy anie Allah! Ny tompoko no nanome ahy fialofana tsara. Ekena, fa tsy mahomby ireo mpanao ny tsy rariny”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَقَدۡ هَمَّتۡ بِهِۦۖ وَهَمَّ بِهَا لَوۡلَآ أَن رَّءَا بُرۡهَٰنَ رَبِّهِۦۚ كَذَٰلِكَ لِنَصۡرِفَ عَنۡهُ ٱلسُّوٓءَ وَٱلۡفَحۡشَآءَۚ إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُخۡلَصِينَ
Ary naniry mafy Azy (an’i yosofa) Izy (ilay vehivavy). Ary ho naniry Azy koa Izy (yosofa), raha tsy nahita porofo miharihary tamin’ny Tompony. Tahaka izany no nampihatahanay taminy ny ratsy sy ny asa vetaveta. Marina fa Izy dia anisan’ireo mpanomponay voafidy.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَٱسۡتَبَقَا ٱلۡبَابَ وَقَدَّتۡ قَمِيصَهُۥ مِن دُبُرٖ وَأَلۡفَيَا سَيِّدَهَا لَدَا ٱلۡبَابِۚ قَالَتۡ مَا جَزَآءُ مَنۡ أَرَادَ بِأَهۡلِكَ سُوٓءًا إِلَّآ أَن يُسۡجَنَ أَوۡ عَذَابٌ أَلِيمٞ
Ary dia nihazakazaka ho eny amin’ny varavarana izy roa, ka norovitin-dravehivavy ny akanjon’i Josefa, avy aty aoriana. Hitan’izy roa teo ambaravarana ny vadin-dravehivavy, ka hoy ravehivavy: “Inona no sazin’izay nanao ratsy tamin’ny ankohonanao (vadinao) raha tsy ny fonja, na sazy mamirifiry?”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ هِيَ رَٰوَدَتۡنِي عَن نَّفۡسِيۚ وَشَهِدَ شَاهِدٞ مِّنۡ أَهۡلِهَآ إِن كَانَ قَمِيصُهُۥ قُدَّ مِن قُبُلٖ فَصَدَقَتۡ وَهُوَ مِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ
Ka hoy i Josefa : “Izy no naka fanahy ahy”, ary nijoro vavolombelona ny anankiray tamin’ny fianakavian-dravehivavy nanao hoe : “Raha rovitra avy aty anoloana ny akanjon’i Josefa, dia ravehivavy no milaza ny marina, fa izy kosa dia isan’ireo mpandainga,
Arabic explanations of the Qur’an:
وَإِن كَانَ قَمِيصُهُۥ قُدَّ مِن دُبُرٖ فَكَذَبَتۡ وَهُوَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Fa raha rovitra avy aty aoriana kosa ny fitafiny, dia ilay vehivavy no mpandainga ary izy (Youssouf) kosa dia anisan’ireo milaza ny marina.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَلَمَّا رَءَا قَمِيصَهُۥ قُدَّ مِن دُبُرٖ قَالَ إِنَّهُۥ مِن كَيۡدِكُنَّۖ إِنَّ كَيۡدَكُنَّ عَظِيمٞ
Ka rahefa hitan’ilay tompom-bady ny akanjon’i Josefa, fa rovitra avy any aoriana, dia hoy izy : “Tena fitakareo vehivavy mihitsy izao! Henjana tokoa ny fitakareo”.
Arabic explanations of the Qur’an:
يُوسُفُ أَعۡرِضۡ عَنۡ هَٰذَاۚ وَٱسۡتَغۡفِرِي لِذَنۢبِكِۖ إِنَّكِ كُنتِ مِنَ ٱلۡخَاطِـِٔينَ
Yosofa, aza mieritreritra izany intsony Ianao ! Ary Ianao, (ravehivavy) mangataha famelan-keloka nohon'ny fahotanao, marina fa Ianao dia anisan’ireo mpanao hadisoana ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
۞ وَقَالَ نِسۡوَةٞ فِي ٱلۡمَدِينَةِ ٱمۡرَأَتُ ٱلۡعَزِيزِ تُرَٰوِدُ فَتَىٰهَا عَن نَّفۡسِهِۦۖ قَدۡ شَغَفَهَا حُبًّاۖ إِنَّا لَنَرَىٰهَا فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ
Ary niteny ireo vehivavy tao an-tànana hoe : “Niezaka naka fanahy ny mpanompony ny vadin’i Aziz, nataony adalampitiavana taminy mihitsy izy. Hitanay, fa tao amin’ny fahaverezana miharihary tokoa izy”.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَلَمَّا سَمِعَتۡ بِمَكۡرِهِنَّ أَرۡسَلَتۡ إِلَيۡهِنَّ وَأَعۡتَدَتۡ لَهُنَّ مُتَّكَـٔٗا وَءَاتَتۡ كُلَّ وَٰحِدَةٖ مِّنۡهُنَّ سِكِّينٗا وَقَالَتِ ٱخۡرُجۡ عَلَيۡهِنَّۖ فَلَمَّا رَأَيۡنَهُۥٓ أَكۡبَرۡنَهُۥ وَقَطَّعۡنَ أَيۡدِيَهُنَّ وَقُلۡنَ حَٰشَ لِلَّهِ مَا هَٰذَا بَشَرًا إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا مَلَكٞ كَرِيمٞ
ka rehefa naheno ny fifosana nataon’izy ireo Izy, dia nandefa fanasana tamin’izy ireo, ka nanomana sakafo maivana ho azy ireo Izy, ary notolorany antsy tsirairay avy izy ireo. Ary niteny Izy (vadin’ny mpanjaka ) ka nanao hoe : " Mivoaha mankany amin’izy ireo Ianao (Yosofa) ! ” Nony nahita azy izy ireo, dia talanjona taminy, ka nandidy ny tànany izy ireo, ary niteny ka nanao hoe : " Ny fahadiovana anie ho an’i Allah ! ity dia tsy mba olombelona, tsy inona Izy io fa Anjely mihaja ! ”
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَتۡ فَذَٰلِكُنَّ ٱلَّذِي لُمۡتُنَّنِي فِيهِۖ وَلَقَدۡ رَٰوَدتُّهُۥ عَن نَّفۡسِهِۦ فَٱسۡتَعۡصَمَۖ وَلَئِن لَّمۡ يَفۡعَلۡ مَآ ءَامُرُهُۥ لَيُسۡجَنَنَّ وَلَيَكُونٗا مِّنَ ٱلصَّٰغِرِينَ
Hoy izy : “Indro ary ilay nanankiananareo ahy. Niezaka ny haka fanahy azy aho, nefa niaro tena fatratra tamin’izany izy. Raha ohatra ka tsy nanao izay nandidiako azy izy, dia ho any am-ponja, ary ho isan’ireo nanetri-tena”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ رَبِّ ٱلسِّجۡنُ أَحَبُّ إِلَيَّ مِمَّا يَدۡعُونَنِيٓ إِلَيۡهِۖ وَإِلَّا تَصۡرِفۡ عَنِّي كَيۡدَهُنَّ أَصۡبُ إِلَيۡهِنَّ وَأَكُن مِّنَ ٱلۡجَٰهِلِينَ
Niteny i Yousofa ka nanao hoe : Oh ry Tompoko, ny fonja no tiako kokoa noho izay hiantsoan’izy ireo Ahy ka raha tsy mampihataka Amiko ny teti-dratsin’izy ireo Ianao, dia hirona amin’izy ireo Aho ary ho anisan’ireo tsy Mahalala (mpanota) Aho ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَٱسۡتَجَابَ لَهُۥ رَبُّهُۥ فَصَرَفَ عَنۡهُ كَيۡدَهُنَّۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ
Ka namaly ny antsony ny Tompony ary nampiatahany taminy ny teti-dratsin’izy ireo. Tena marina fa Izy tokoa ilay Maheno sy ilay Mahalala ny zava-drehetra.
Arabic explanations of the Qur’an:
ثُمَّ بَدَا لَهُم مِّنۢ بَعۡدِ مَا رَأَوُاْ ٱلۡأٓيَٰتِ لَيَسۡجُنُنَّهُۥ حَتَّىٰ حِينٖ
Ary rehefa hitan’izy ireo niseho miharihary ireo porofo (amin’ny maha tsy manan-tsiny azy) dia nihevitra ihany izy ireo ny hampigadrana Azy mandritry ny fotoana fohy.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَدَخَلَ مَعَهُ ٱلسِّجۡنَ فَتَيَانِۖ قَالَ أَحَدُهُمَآ إِنِّيٓ أَرَىٰنِيٓ أَعۡصِرُ خَمۡرٗاۖ وَقَالَ ٱلۡأٓخَرُ إِنِّيٓ أَرَىٰنِيٓ أَحۡمِلُ فَوۡقَ رَأۡسِي خُبۡزٗا تَأۡكُلُ ٱلطَّيۡرُ مِنۡهُۖ نَبِّئۡنَا بِتَأۡوِيلِهِۦٓۖ إِنَّا نَرَىٰكَ مِنَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Niaraka niditra Taminy tao am-ponja ny mpanompo lahy anakiroa. Ny ankiray tamin’izy ireo dia niteny ka nanao hoe : " Nahita ny tenako tamin’ny nofy Aho fa namotsipotsika (voaloboka) atao toaka; ny iray hafa kosa dia niteny ka nanao hoe : " Izaho dia nahita ny tenako fa miloloha mofo izay nohanin’ireo voro-manidina. Hazavao Aminay ny dikan’ireo nofinay ireo. Tena marina fa Izahay dia mahita fa Ianao dia isan’ireo mpanao soa ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ لَا يَأۡتِيكُمَا طَعَامٞ تُرۡزَقَانِهِۦٓ إِلَّا نَبَّأۡتُكُمَا بِتَأۡوِيلِهِۦ قَبۡلَ أَن يَأۡتِيَكُمَاۚ ذَٰلِكُمَا مِمَّا عَلَّمَنِي رَبِّيٓۚ إِنِّي تَرَكۡتُ مِلَّةَ قَوۡمٖ لَّا يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ كَٰفِرُونَ
“ Mbola tsy tonga eo Aminareo akory ny sakafo izay omena Anareo, hoy Izy, dia ho lazaiko Aminareo sahady ny dikan’ireo nofy ireo mialoha ny fahatongavan’ny sakafo Aminareo roa. Izany dia anisan’izay nampianarin’ny Tompoko Ahy .Marina fa Izaho dia namela ny finoan’ny vahoaka izay tsy mino an’i Allah sy mandà ny fisian’ny fiainana any an-koatra ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَٱتَّبَعۡتُ مِلَّةَ ءَابَآءِيٓ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَۚ مَا كَانَ لَنَآ أَن نُّشۡرِكَ بِٱللَّهِ مِن شَيۡءٖۚ ذَٰلِكَ مِن فَضۡلِ ٱللَّهِ عَلَيۡنَا وَعَلَى ٱلنَّاسِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَشۡكُرُونَ
Ary Izaho dia nanaraka ny finoan’ireo razambeko Ibrahimo, Isaka sy i Jakoba. Izahay dia tsy mendrika hampikambana an’i Allah na amin’inona na amin’inona. Izany dia isan’ny fahasoavana nomen’i Allah anay sy ny olombelona rehetra, nefa kosa ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahay mankasitraka.
Arabic explanations of the Qur’an:
يَٰصَٰحِبَيِ ٱلسِّجۡنِ ءَأَرۡبَابٞ مُّتَفَرِّقُونَ خَيۡرٌ أَمِ ٱللَّهُ ٱلۡوَٰحِدُ ٱلۡقَهَّارُ
Oh Ianareo roa lahy namako ato am-ponja ! Moa ve tompo maro misaratsaraka no tsara indrindra sa i Allah ilay Tokana, ilay Mpifehy ambony indrindra ?
Arabic explanations of the Qur’an:
مَا تَعۡبُدُونَ مِن دُونِهِۦٓ إِلَّآ أَسۡمَآءٗ سَمَّيۡتُمُوهَآ أَنتُمۡ وَءَابَآؤُكُم مَّآ أَنزَلَ ٱللَّهُ بِهَا مِن سُلۡطَٰنٍۚ إِنِ ٱلۡحُكۡمُ إِلَّا لِلَّهِ أَمَرَ أَلَّا تَعۡبُدُوٓاْ إِلَّآ إِيَّاهُۚ ذَٰلِكَ ٱلدِّينُ ٱلۡقَيِّمُ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Ianareo dia tsy manompo ankoatr'Azy, afa-tsy ireo anarana izay noforoninareo sy ny razambenareo, izay tsy nampidinan’i Allah porofo. Tsy an’iza ny fahefana afa-tsy an’i Allah irery ihany. Nandidy Anareo Izy tsy hanompo afa-tsy Izy ihany. Izany no finoana mahitsy, nefa ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahafantatra.
Arabic explanations of the Qur’an:
يَٰصَٰحِبَيِ ٱلسِّجۡنِ أَمَّآ أَحَدُكُمَا فَيَسۡقِي رَبَّهُۥ خَمۡرٗاۖ وَأَمَّا ٱلۡأٓخَرُ فَيُصۡلَبُ فَتَأۡكُلُ ٱلطَّيۡرُ مِن رَّأۡسِهِۦۚ قُضِيَ ٱلۡأَمۡرُ ٱلَّذِي فِيهِ تَسۡتَفۡتِيَانِ
Ô Ianareo roalahy namako ato am-ponja ! Ny iray Aminareo dia hampisotro divay (toaka) ny tompony, ny ankiray Aminareo kosa dia ho fantsihana (amin’ny hazo fijaliana) ary ireo vorona dia ihinana ny lohany, efa tontosa izany ny raharaha izay nanontanianareo roalahy Ahy ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَقَالَ لِلَّذِي ظَنَّ أَنَّهُۥ نَاجٖ مِّنۡهُمَا ٱذۡكُرۡنِي عِندَ رَبِّكَ فَأَنسَىٰهُ ٱلشَّيۡطَٰنُ ذِكۡرَ رَبِّهِۦ فَلَبِثَ فِي ٱلسِّجۡنِ بِضۡعَ سِنِينَ
Ary hoy izy tamin’ny iray amin’izy roa, ilay nihevitra fa ho avotra: “Ampahatsiahivo any amin’ny tomponao any aho”, saingy nampanadinoin’ny devoly azy, ny filazana momba an’i Josefa tany amin’ny tompony. Koa dia nijanona taona vitsivitsy tao am-ponja i Josefa.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَقَالَ ٱلۡمَلِكُ إِنِّيٓ أَرَىٰ سَبۡعَ بَقَرَٰتٖ سِمَانٖ يَأۡكُلُهُنَّ سَبۡعٌ عِجَافٞ وَسَبۡعَ سُنۢبُلَٰتٍ خُضۡرٖ وَأُخَرَ يَابِسَٰتٖۖ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمَلَأُ أَفۡتُونِي فِي رُءۡيَٰيَ إِن كُنتُمۡ لِلرُّءۡيَا تَعۡبُرُونَ
Ary hoy ny mpanjaka: “Marina fa Izaho dia nahita tamin’ny nofy, ombivavy matavy fito natelin’ny ombivavy mahia fito, ary salohy maitso fito sy salohy maina hafa mitovy isa. Ry loholona mpanolotsaina, omeo fanazavana amin’io fahitako io aho raha hainareo ny mandika ny nofy”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُوٓاْ أَضۡغَٰثُ أَحۡلَٰمٖۖ وَمَا نَحۡنُ بِتَأۡوِيلِ ٱلۡأَحۡلَٰمِ بِعَٰلِمِينَ
Niteny izy ireo nanao hoe : " izany dia nofy maro mifangaro ! ary Izahay dia tsy mahay mandika ny nofy ! “
Arabic explanations of the Qur’an:
وَقَالَ ٱلَّذِي نَجَا مِنۡهُمَا وَٱدَّكَرَ بَعۡدَ أُمَّةٍ أَنَا۠ أُنَبِّئُكُم بِتَأۡوِيلِهِۦ فَأَرۡسِلُونِ
Ary niteny ny iray tamin’izy roalahy izay afaka tao am-ponja taorian’ny fotoana fohy nahatsiarovany : “ Omeko Anareo ny dikany ka alefaso àry Aho ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
يُوسُفُ أَيُّهَا ٱلصِّدِّيقُ أَفۡتِنَا فِي سَبۡعِ بَقَرَٰتٖ سِمَانٖ يَأۡكُلُهُنَّ سَبۡعٌ عِجَافٞ وَسَبۡعِ سُنۢبُلَٰتٍ خُضۡرٖ وَأُخَرَ يَابِسَٰتٖ لَّعَلِّيٓ أَرۡجِعُ إِلَى ٱلنَّاسِ لَعَلَّهُمۡ يَعۡلَمُونَ
“ Oh ry Yosofa, Ianao ilay olona marina ! Hazavao Aminay ny momba’ny omby vavy matavy fito nohanin’ny omby vavy mahia fito, sy salohin-java-maniry maitso fito ary salohin-java-maniry maina hafa mitovy isa Aminy, mba hiverenako amin’ireo olona, angamba ahafantatra ny dikan’izany nofy izany izy ireo ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ تَزۡرَعُونَ سَبۡعَ سِنِينَ دَأَبٗا فَمَا حَصَدتُّمۡ فَذَرُوهُ فِي سُنۢبُلِهِۦٓ إِلَّا قَلِيلٗا مِّمَّا تَأۡكُلُونَ
Namaly izy (Josefa) ka nanao hoe : “ Aoka hamboly mandritry ny fito taona misesy Ianareo.Izay rehetra voanjinjanareo dia avelao amin’ny salohiny, afa-tsy izay kelikely ho haninareo.
Arabic explanations of the Qur’an:
ثُمَّ يَأۡتِي مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ سَبۡعٞ شِدَادٞ يَأۡكُلۡنَ مَا قَدَّمۡتُمۡ لَهُنَّ إِلَّا قَلِيلٗا مِّمَّا تُحۡصِنُونَ
Ary manaraka izany dia hisy fito taona ny hain-tany sy ny mosary ihinananareo izay nangoninareo afa-tsy ireo kelikely ataonareo voa hafafy.
Arabic explanations of the Qur’an:
ثُمَّ يَأۡتِي مِنۢ بَعۡدِ ذَٰلِكَ عَامٞ فِيهِ يُغَاثُ ٱلنَّاسُ وَفِيهِ يَعۡصِرُونَ
Ary avy eo, dia hisy taona iray hamonjena ny olona (amin’ny alalan’ny orana) ka handeha izy ireo eny amin’ny famiazam-boankazo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَقَالَ ٱلۡمَلِكُ ٱئۡتُونِي بِهِۦۖ فَلَمَّا جَآءَهُ ٱلرَّسُولُ قَالَ ٱرۡجِعۡ إِلَىٰ رَبِّكَ فَسۡـَٔلۡهُ مَا بَالُ ٱلنِّسۡوَةِ ٱلَّٰتِي قَطَّعۡنَ أَيۡدِيَهُنَّۚ إِنَّ رَبِّي بِكَيۡدِهِنَّ عَلِيمٞ
Ary niteny ilay mpanjaka ka nanao hoe : “ Ento aty Amiko Izy ”. Nony tonga teo aminy ny Iraka dia niteny i Yosofa (A.s) nanao hoe : " Miverena any amin’ny Tomponao Ianao ka hanontanio Azy, ahoana ny momba ireo vehivavy nandidy ny tànany (izy ireo) ? Marina fa ny Tompoko dia mahalala tanteraka ny teti-dratsin’izy ireo ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ مَا خَطۡبُكُنَّ إِذۡ رَٰوَدتُّنَّ يُوسُفَ عَن نَّفۡسِهِۦۚ قُلۡنَ حَٰشَ لِلَّهِ مَا عَلِمۡنَا عَلَيۡهِ مِن سُوٓءٖۚ قَالَتِ ٱمۡرَأَتُ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡـَٰٔنَ حَصۡحَصَ ٱلۡحَقُّ أَنَا۠ رَٰوَدتُّهُۥ عَن نَّفۡسِهِۦ وَإِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ
Tamin’izay dia hoy ny mpanjaka tamin’izy ireo : “Inona àry no nahatonga anareo hiezaka haka fanahy an’i Josefa?”, ka hoy izy ireo namaly : “Tsy sitrak’Allah izany! Tsy mahalala na inona na inona ratsy aminy izahay”, ary hoy ny vadin’i Aziz : “Miseho ny marina ankehitriny, izaho no te-haka fanahy azy, ary ekena fa isan’ny olo-marina izy”
Arabic explanations of the Qur’an:
ذَٰلِكَ لِيَعۡلَمَ أَنِّي لَمۡ أَخُنۡهُ بِٱلۡغَيۡبِ وَأَنَّ ٱللَّهَ لَا يَهۡدِي كَيۡدَ ٱلۡخَآئِنِينَ
Izany dia mba ahafantarany (vadin'ilay vehivavy) fa tsy namadika Azy Aho nandritry ny tsy nahateo Azy, ary marina fa i Allah dia tsy mitari-dàlana ny tetik’ireo mpamadika.
Arabic explanations of the Qur’an:
۞ وَمَآ أُبَرِّئُ نَفۡسِيٓۚ إِنَّ ٱلنَّفۡسَ لَأَمَّارَةُۢ بِٱلسُّوٓءِ إِلَّا مَا رَحِمَ رَبِّيٓۚ إِنَّ رَبِّي غَفُورٞ رَّحِيمٞ
Tsy manadio ny tenako Aho ; fa ny fanahy dia tena mandrisika amin’ny fanaovan-dratsy tokoa, raha tsy nohon'ny indrafon’ny Tompoko (miaro Ahy amin’ny fahotana). Marina fa ny Tompoko dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَقَالَ ٱلۡمَلِكُ ٱئۡتُونِي بِهِۦٓ أَسۡتَخۡلِصۡهُ لِنَفۡسِيۖ فَلَمَّا كَلَّمَهُۥ قَالَ إِنَّكَ ٱلۡيَوۡمَ لَدَيۡنَا مَكِينٌ أَمِينٞ
Ary niteny ilay Mpanjaka ka nanao hoe : “ Ento aty Amiko Izy, atokako ho Ahy samy irery Izy ”. Ary rehefa niteny taminy Izy, dia nanao hoe : “ Tena marina fa Ianao manomboka androany dia akaiky Anay, hanana fahefana feno sy fitokisana ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ ٱجۡعَلۡنِي عَلَىٰ خَزَآئِنِ ٱلۡأَرۡضِۖ إِنِّي حَفِيظٌ عَلِيمٞ
Dia hoy izy (Josefa): “Ankino amiko ny fametrahana ireo entana eto an-tanàna, fa mpiambina tsara, sy mpahalala aho”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَكَذَٰلِكَ مَكَّنَّا لِيُوسُفَ فِي ٱلۡأَرۡضِ يَتَبَوَّأُ مِنۡهَا حَيۡثُ يَشَآءُۚ نُصِيبُ بِرَحۡمَتِنَا مَن نَّشَآءُۖ وَلَا نُضِيعُ أَجۡرَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Tahaka izany no nanamafisanay (fahefana) an’i Yosofa (Josefa) amin’io faritra io ary nipetraka tao Izy araka izay tiany. Omenay ny Famindran-ponay izay sitrakay ary tsy ho avelanay ho very ny valin’asan’ireo Mpanao soa.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَأَجۡرُ ٱلۡأٓخِرَةِ خَيۡرٞ لِّلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَكَانُواْ يَتَّقُونَ
Ary ny valisoa any an-koatra no mendrika indrindra ho an’ireo izay nino sy nanam-patahorana.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَجَآءَ إِخۡوَةُ يُوسُفَ فَدَخَلُواْ عَلَيۡهِ فَعَرَفَهُمۡ وَهُمۡ لَهُۥ مُنكِرُونَ
Ary tonga ireo Rahalahin’i Yosofa (Josefa) ka niditra tao Aminy. Nahafantatra azy ireo Izy, fa izy ireo kosa dia tsy nahafantatra Azy.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَمَّا جَهَّزَهُم بِجَهَازِهِمۡ قَالَ ٱئۡتُونِي بِأَخٖ لَّكُم مِّنۡ أَبِيكُمۡۚ أَلَا تَرَوۡنَ أَنِّيٓ أُوفِي ٱلۡكَيۡلَ وَأَنَا۠ خَيۡرُ ٱلۡمُنزِلِينَ
Ary rehefa nanome tahirin-tsakafo voahomana ho Azy ireo Izy, dia niteny hoe : ” Ento aty Amiko ny Rahalahinareo anankiray avy amin’ny Rainareo. Moa ve tsy hitanareo fa Izaho no nanome Anareo fatra feno tsara, ary Izaho no mendrika indrindra amin’ireo mpampian-trano ?
Arabic explanations of the Qur’an:
فَإِن لَّمۡ تَأۡتُونِي بِهِۦ فَلَا كَيۡلَ لَكُمۡ عِندِي وَلَا تَقۡرَبُونِ
Raha tsy entinareo mankaty Amiko Izy, dia tsy hisy tahirin-tsakafonareo intsony aty Amiko. Ary aza manatona Ahy mihitsy ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ سَنُرَٰوِدُ عَنۡهُ أَبَاهُ وَإِنَّا لَفَٰعِلُونَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” Hiezaka Izahay handresy lahatra ny Rainay, ary tena hataonay tokoa izany.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَقَالَ لِفِتۡيَٰنِهِ ٱجۡعَلُواْ بِضَٰعَتَهُمۡ فِي رِحَالِهِمۡ لَعَلَّهُمۡ يَعۡرِفُونَهَآ إِذَا ٱنقَلَبُوٓاْ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِمۡ لَعَلَّهُمۡ يَرۡجِعُونَ
Ary niteny izy tamin’ireo mpanompony : “ Averinareo any amin’ny kitapon’izy ireo ny entany, angamba ho fantatr’izy ireo izany rehefa tafaverina any amin’ny fianakaviany izy ireo, angamba hiverina indray izy ireo ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَلَمَّا رَجَعُوٓاْ إِلَىٰٓ أَبِيهِمۡ قَالُواْ يَٰٓأَبَانَا مُنِعَ مِنَّا ٱلۡكَيۡلُ فَأَرۡسِلۡ مَعَنَآ أَخَانَا نَكۡتَلۡ وَإِنَّا لَهُۥ لَحَٰفِظُونَ
Ary nony tafaverina tany amin’ny Rainy izy ireo, dia niteny ka nanao hoe : ” O ry Dadanay o ! Tsy hahazo tahirin-tsakafo intsony Izahay (amin’ny manaraka) koa alefaso miaraka Aminay ny Rahalahinay mba hahazoanay vatsy, ary Izahay dia tena hiaro Azy tsara.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ هَلۡ ءَامَنُكُمۡ عَلَيۡهِ إِلَّا كَمَآ أَمِنتُكُمۡ عَلَىٰٓ أَخِيهِ مِن قَبۡلُ فَٱللَّهُ خَيۡرٌ حَٰفِظٗاۖ وَهُوَ أَرۡحَمُ ٱلرَّٰحِمِينَ
Niteny Izy (rain’izy ireo) ka nanao hoe : ” Moa va hatoky Anareo indray Aho, tahaka ny fahatokisako Anareo tamin’ny Rahalahiny teo aloha ? Nefa i Allah no Mpiaro mendrika indrindra, ary Izy no tena be Indrafo amin’ireo Mpamindra-fo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَمَّا فَتَحُواْ مَتَٰعَهُمۡ وَجَدُواْ بِضَٰعَتَهُمۡ رُدَّتۡ إِلَيۡهِمۡۖ قَالُواْ يَٰٓأَبَانَا مَا نَبۡغِيۖ هَٰذِهِۦ بِضَٰعَتُنَا رُدَّتۡ إِلَيۡنَاۖ وَنَمِيرُ أَهۡلَنَا وَنَحۡفَظُ أَخَانَا وَنَزۡدَادُ كَيۡلَ بَعِيرٖۖ ذَٰلِكَ كَيۡلٞ يَسِيرٞ
Ary rehefa nanokatra ny kitapony izy ireo, dia hitan’izy ireo tao fa naverina tamin’izy ireo ny entany. Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” O ry dadanay o ! Inona indray no tadiavintsika ? Fa indro naverina amintsika ny entantsika, ka afaka hamatsy ny fianakaviana Isika, koa hanara-maso akaiky ny Rahalahinay Izahay, ary hampianay iray hafa indray ny entan’ny rameva. Izany dia mora amin’ny fahazoana entana.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ لَنۡ أُرۡسِلَهُۥ مَعَكُمۡ حَتَّىٰ تُؤۡتُونِ مَوۡثِقٗا مِّنَ ٱللَّهِ لَتَأۡتُنَّنِي بِهِۦٓ إِلَّآ أَن يُحَاطَ بِكُمۡۖ فَلَمَّآ ءَاتَوۡهُ مَوۡثِقَهُمۡ قَالَ ٱللَّهُ عَلَىٰ مَا نَقُولُ وَكِيلٞ
Niteny Yakoba (Jakoba) hoe : ” Tsy handefa Azy miaraka Aminareo mihitsy Aho mandra-panomezanareo Ahy ny fifanekena hentitra amin’ny anaran’i Allah fa hitondra Azy hiverina aty Amiko Ianareo, raha tsy hoe voasakana Ianareo ”. rehefa nanome ny fifanekena taminy izy ireo dia niteny Izy (Yakoba) ka nanao hoe : ” i Allah no Mpiantoka amin’izay tenenintsika ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَقَالَ يَٰبَنِيَّ لَا تَدۡخُلُواْ مِنۢ بَابٖ وَٰحِدٖ وَٱدۡخُلُواْ مِنۡ أَبۡوَٰبٖ مُّتَفَرِّقَةٖۖ وَمَآ أُغۡنِي عَنكُم مِّنَ ٱللَّهِ مِن شَيۡءٍۖ إِنِ ٱلۡحُكۡمُ إِلَّا لِلَّهِۖ عَلَيۡهِ تَوَكَّلۡتُۖ وَعَلَيۡهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُتَوَكِّلُونَ
Ary hoy izy : “Ry zanako! Aza miditra amin’ny varavarana tokana ianareo, fa midira amin’ny varavarana samihafa. Tsy misy ilanareo ahy na kely aza amin’ny lahatr’Allah. Fa an’Allah ny fanapahan-kevitra, Aminy no ametrahako ny fitokiako. Ary izay mametraka ny fitokiany dia aoka hametraka izany Aminy”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَمَّا دَخَلُواْ مِنۡ حَيۡثُ أَمَرَهُمۡ أَبُوهُم مَّا كَانَ يُغۡنِي عَنۡهُم مِّنَ ٱللَّهِ مِن شَيۡءٍ إِلَّا حَاجَةٗ فِي نَفۡسِ يَعۡقُوبَ قَضَىٰهَاۚ وَإِنَّهُۥ لَذُو عِلۡمٖ لِّمَا عَلَّمۡنَٰهُ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary rehefa niditra izy ireo araka ny nandidian’ny Rainy azy ireo, dia tsy nahavita na inona na inona manoloana izany izy ireo teo anatrehan’ny didin’i Allah, fahamalinana fotsiny ihany no niheverin’i Yakoba izany hafatra izany. Tena marina fa izy dia manam-pahalalana feno amin’izay nampianarinay Azy. Nefa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mahalala.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَمَّا دَخَلُواْ عَلَىٰ يُوسُفَ ءَاوَىٰٓ إِلَيۡهِ أَخَاهُۖ قَالَ إِنِّيٓ أَنَا۠ أَخُوكَ فَلَا تَبۡتَئِسۡ بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Raha niditra tao amin’ny Yosofa (Josefa) izy ireo, dia notazoniny teo Aminy ny Rahalahiny sady niteny izy hoe : ” Rahalahinao Aho, koa aza malahelo amin’izay nataon’izy ireo ianao ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَلَمَّا جَهَّزَهُم بِجَهَازِهِمۡ جَعَلَ ٱلسِّقَايَةَ فِي رَحۡلِ أَخِيهِ ثُمَّ أَذَّنَ مُؤَذِّنٌ أَيَّتُهَا ٱلۡعِيرُ إِنَّكُمۡ لَسَٰرِقُونَ
Rehefa avy nanome tahirin-tsakafon’izy ireo Izy, dia nataony tao anaty kitapon’ireo Rahalahiny ny kaopy. Dia nisy mpiantso nanao hoe :“ O Ianareo mpandeha ! mpangalatra Ianareo ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ وَأَقۡبَلُواْ عَلَيۡهِم مَّاذَا تَفۡقِدُونَ
Nitodika izy ireo sady niteny ka nanao hoe : “ Inona no tadiavinareo ? ”
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ نَفۡقِدُ صُوَاعَ ٱلۡمَلِكِ وَلِمَن جَآءَ بِهِۦ حِمۡلُ بَعِيرٖ وَأَنَا۠ بِهِۦ زَعِيمٞ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mitady ny kaopy lehibe an’i mpanjaka Izahay. ka izay mahita azy, dia ahazo valisoa entana tongan’ny rameva anakiray. Ary Izaho no mpiantoka amin’izany ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ تَٱللَّهِ لَقَدۡ عَلِمۡتُم مَّا جِئۡنَا لِنُفۡسِدَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا كُنَّا سَٰرِقِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah ! fantatrareo tsara fa tsy tonga handoto ity faritra ity Izahay ary tsy mpangalatra ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ فَمَا جَزَٰٓؤُهُۥٓ إِن كُنتُمۡ كَٰذِبِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Inona àry no saziny raha mpandainga Ianareo ? ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ جَزَٰٓؤُهُۥ مَن وُجِدَ فِي رَحۡلِهِۦ فَهُوَ جَزَٰٓؤُهُۥۚ كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلظَّٰلِمِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Ny sazy mendrika hoan'izay ahitana ilay kaopy ao amin’ny entany, dia ny tenany ihany no lasa hatao andevo amin'izay nataony tahaka izany tokoa no hanasazianay ireo mpanao ny tsy rariny ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَبَدَأَ بِأَوۡعِيَتِهِمۡ قَبۡلَ وِعَآءِ أَخِيهِ ثُمَّ ٱسۡتَخۡرَجَهَا مِن وِعَآءِ أَخِيهِۚ كَذَٰلِكَ كِدۡنَا لِيُوسُفَۖ مَا كَانَ لِيَأۡخُذَ أَخَاهُ فِي دِينِ ٱلۡمَلِكِ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُۚ نَرۡفَعُ دَرَجَٰتٖ مَّن نَّشَآءُۗ وَفَوۡقَ كُلِّ ذِي عِلۡمٍ عَلِيمٞ
Nanomboka nisava kitapon’ireo hafa izy (Yosofa) mialohan’ny hisavany ny kitapon’ny Rahalahiny; avy eo dia navoakany izany avy tao anatin’ny kitapon’ny Rahalahiny. Ary tahaka izany no nanoroanay hevitra an’i Yosofa (Josefa), satria tsy afaka hisambotra ny Rahalahiny Izy, araka ny lalànan’ny mpanjaka, raha tsy sitrak’i Allah izany. Izahay no mampiakatra amin’ny laharana ambony izay sitrakay. Ary misy manam-pahaizana hatrany ambon’izay Olona manam-pahalalana.
Arabic explanations of the Qur’an:
۞ قَالُوٓاْ إِن يَسۡرِقۡ فَقَدۡ سَرَقَ أَخٞ لَّهُۥ مِن قَبۡلُۚ فَأَسَرَّهَا يُوسُفُ فِي نَفۡسِهِۦ وَلَمۡ يُبۡدِهَا لَهُمۡۚ قَالَ أَنتُمۡ شَرّٞ مَّكَانٗاۖ وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا تَصِفُونَ
. Niteny Izy Ireo ka nanao hoe : “ Raha mangalatra Izy dia efa nangalatra ihany koa ny Ralahiny teo aloha fa nafenin’i Yosofa (Josefa) tamin’ny tenany ihany izany (teny Izany), ka tsy navoakany azy ireo ”. Niteny Izy nanao hoe : ” Ianareo no tena ratsy toerana indrindra ! fa i Allah no tena Mahalala izay tanisanareo ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡعَزِيزُ إِنَّ لَهُۥٓ أَبٗا شَيۡخٗا كَبِيرٗا فَخُذۡ أَحَدَنَا مَكَانَهُۥٓۖ إِنَّا نَرَىٰكَ مِنَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” O ry manam-boninahitra hajaina; manan-dray tena antitra Izy, koa tazony amin’ny toerany ny iray Aminay. Tena hitanay fa anisan’ny mpanao soa Ianao ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ مَعَاذَ ٱللَّهِ أَن نَّأۡخُذَ إِلَّا مَن وَجَدۡنَا مَتَٰعَنَا عِندَهُۥٓ إِنَّآ إِذٗا لَّظَٰلِمُونَ
Miaro Anay anie i Allah amin’ny fakana Olona hafa ankoatr’izay nahitanay ny fanananay ! Raha tsy izany dia tena mpanao ny tsy rariny Izahay.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَلَمَّا ٱسۡتَيۡـَٔسُواْ مِنۡهُ خَلَصُواْ نَجِيّٗاۖ قَالَ كَبِيرُهُمۡ أَلَمۡ تَعۡلَمُوٓاْ أَنَّ أَبَاكُمۡ قَدۡ أَخَذَ عَلَيۡكُم مَّوۡثِقٗا مِّنَ ٱللَّهِ وَمِن قَبۡلُ مَا فَرَّطتُمۡ فِي يُوسُفَۖ فَلَنۡ أَبۡرَحَ ٱلۡأَرۡضَ حَتَّىٰ يَأۡذَنَ لِيٓ أَبِيٓ أَوۡ يَحۡكُمَ ٱللَّهُ لِيۖ وَهُوَ خَيۡرُ ٱلۡحَٰكِمِينَ
Rehefa very fanantenana hitondra (an’i Bejamina hody) izy Ireo, dia nifampidinika mangina. Niteny ny lahimatoa tamin’izy ireo nanao hoe : “ Moa ve tsy fantatrareo fa efa nanao fifanekena amin’ny anaran’i Allah Taminareo ny Rainareo ary Ianareo efa tsy nahantanteraka izany taloha mikasika an’i Yosofa (Josefa) ? Tsy hiala amin’ity faritra ity mihitsy Aho mandra-pahamelan’i Raiko Ahy na mandra-pitsaran’i Allah Ahy. Ary Izy no Mendrika indrindra amin’ireo mpitsara.
Arabic explanations of the Qur’an:
ٱرۡجِعُوٓاْ إِلَىٰٓ أَبِيكُمۡ فَقُولُواْ يَٰٓأَبَانَآ إِنَّ ٱبۡنَكَ سَرَقَ وَمَا شَهِدۡنَآ إِلَّا بِمَا عَلِمۡنَا وَمَا كُنَّا لِلۡغَيۡبِ حَٰفِظِينَ
Miverena any amin’ny Rainareo Ianareo ary teneno Aminy hoe : “ O ry Dadanay ! Nangalatra ny Zanakao. Izahay dia tsy mitsangana ho vavolombelona afa-tsy amin’izay fantatray ary Izahay dia tsy mahalala mihitsy ny zava-miafina.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَسۡـَٔلِ ٱلۡقَرۡيَةَ ٱلَّتِي كُنَّا فِيهَا وَٱلۡعِيرَ ٱلَّتِيٓ أَقۡبَلۡنَا فِيهَاۖ وَإِنَّا لَصَٰدِقُونَ
Ary hanontanio ny Olona tao amin’ny tanàna izay nisy Anay (Egypta), ary koa ny andian’ny mpandeha niaraka tonga Taminay. Izahay dia tena miteny ny marina ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ بَلۡ سَوَّلَتۡ لَكُمۡ أَنفُسُكُمۡ أَمۡرٗاۖ فَصَبۡرٞ جَمِيلٌۖ عَسَى ٱللَّهُ أَن يَأۡتِيَنِي بِهِمۡ جَمِيعًاۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡعَلِيمُ ٱلۡحَكِيمُ
Niteny izy ka nanao hoe : “ Ny fanahy ratsinareo no nanosika Anareo nanao tetika... Ka (tsy misy azoko atao afa-tsy) ny faharetana tsara. Angamba Allah dia hamerina Amiko izy roa. Marina fa Izy tena Mahalala sy be Fahendrena ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَتَوَلَّىٰ عَنۡهُمۡ وَقَالَ يَٰٓأَسَفَىٰ عَلَىٰ يُوسُفَ وَٱبۡيَضَّتۡ عَيۡنَاهُ مِنَ ٱلۡحُزۡنِ فَهُوَ كَظِيمٞ
Ary nitodika nandao azy ireo Izy ka niteny nanao hoe : “ Tena lehibe tokoa izany alaheloko amin’i Yosofa (Josefa) izany ! ” ary nahafotsy ny masony ny alahelo. Tena vonton’alahelo tokoa Izy.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ تَٱللَّهِ تَفۡتَؤُاْ تَذۡكُرُ يُوسُفَ حَتَّىٰ تَكُونَ حَرَضًا أَوۡ تَكُونَ مِنَ ٱلۡهَٰلِكِينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah ! Fa ianao dia tsy hijanona ahatsiaro an’i Yosofa (Josefa) mandra-paharerakao na mandra-pahafatinao.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ إِنَّمَآ أَشۡكُواْ بَثِّي وَحُزۡنِيٓ إِلَى ٱللَّهِ وَأَعۡلَمُ مِنَ ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Tena marina fa Izaho dia mitaraina sy miampanga ny fahoriako sy ny alaheloko amin’i Allah. Ary Izaho dia mahafantatra avy fa amin’i Allah izay tsy fantatrareo.
Arabic explanations of the Qur’an:
يَٰبَنِيَّ ٱذۡهَبُواْ فَتَحَسَّسُواْ مِن يُوسُفَ وَأَخِيهِ وَلَا تَاْيۡـَٔسُواْ مِن رَّوۡحِ ٱللَّهِۖ إِنَّهُۥ لَا يَاْيۡـَٔسُ مِن رَّوۡحِ ٱللَّهِ إِلَّا ٱلۡقَوۡمُ ٱلۡكَٰفِرُونَ
O ry Zanako, mandehana Ianareo ka tadiavinareo i Yosofa sy ny Rahalahiny. Ary aza kivy amin’ny famindram-pon’i Allah. Fa ireo vahoaka tsy Mpino ihany no mora kivy amin’ny famindram-pon’i Allah.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَلَمَّا دَخَلُواْ عَلَيۡهِ قَالُواْ يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡعَزِيزُ مَسَّنَا وَأَهۡلَنَا ٱلضُّرُّ وَجِئۡنَا بِبِضَٰعَةٖ مُّزۡجَىٰةٖ فَأَوۡفِ لَنَا ٱلۡكَيۡلَ وَتَصَدَّقۡ عَلَيۡنَآۖ إِنَّ ٱللَّهَ يَجۡزِي ٱلۡمُتَصَدِّقِينَ
Ary nony niditra tao amin'i Yosofa (Josefa) izy ireo dia niteny ka nanao hoe : “ O ry manam-boninahitra hajaina, tratry ny mosary Izahay sy ny fianakavinay ka tonga Izahay miaraka amin’ny entam-barotra tsy dia misy vidiny loatra. Omeo fatra feno Izahay ary miantrà Anay Ianao. Tena marina fa i Allah dia manome valisoa an’ireo mpiantra ! ”
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ هَلۡ عَلِمۡتُم مَّا فَعَلۡتُم بِيُوسُفَ وَأَخِيهِ إِذۡ أَنتُمۡ جَٰهِلُونَ
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Moa ve fantatrareo ny zavatra nataonareo tamin’i Yosofa (Josefa) sy ny Rahalahiny. nefa Ianareo tsy mahalala izany ? ”
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُوٓاْ أَءِنَّكَ لَأَنتَ يُوسُفُۖ قَالَ أَنَا۠ يُوسُفُ وَهَٰذَآ أَخِيۖ قَدۡ مَنَّ ٱللَّهُ عَلَيۡنَآۖ إِنَّهُۥ مَن يَتَّقِ وَيَصۡبِرۡ فَإِنَّ ٱللَّهَ لَا يُضِيعُ أَجۡرَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ
Dia hoy izy ireo : “Moa va ianao…tena marina fa i Josefa ianao!”, dia hoy izy namaly: “Josefa tokoa aho, ary ity ny rahalahiko. Marina fa nanasoa anay Allah. Na iza na iza manam-pahatahorana sy manam-paharetana...Ary marina, fa tsy avelan’Allah ho very, ny valisoan’ireo mpanao soa”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ تَٱللَّهِ لَقَدۡ ءَاثَرَكَ ٱللَّهُ عَلَيۡنَا وَإِن كُنَّا لَخَٰطِـِٔينَ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : ” Mianiana amin’i Allah ! Tena marina, fa notiavin’i Allah mihoatra Anay Ianao ary diso tokoa Izahay ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ لَا تَثۡرِيبَ عَلَيۡكُمُ ٱلۡيَوۡمَۖ يَغۡفِرُ ٱللَّهُ لَكُمۡۖ وَهُوَ أَرۡحَمُ ٱلرَّٰحِمِينَ
Niteny izy ka nanao hoe : “ Tsy misy fanakianana Anareo androany ! hamela ny helokareo anie i Allah ary Izy, ilay Mpamindra-fo indrindra amin’ireo mpamindra-fo.
Arabic explanations of the Qur’an:
ٱذۡهَبُواْ بِقَمِيصِي هَٰذَا فَأَلۡقُوهُ عَلَىٰ وَجۡهِ أَبِي يَأۡتِ بَصِيرٗا وَأۡتُونِي بِأَهۡلِكُمۡ أَجۡمَعِينَ
Entonareo ity fitafiako ity ary apetaho amin’ny tavan’i Raiko dia hahiratra avy hatrany Izy. Ary ento mankaty Amiko avokoa ny fianakavianareo rehetra ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَلَمَّا فَصَلَتِ ٱلۡعِيرُ قَالَ أَبُوهُمۡ إِنِّي لَأَجِدُ رِيحَ يُوسُفَۖ لَوۡلَآ أَن تُفَنِّدُونِ
Raha vao tafavoaka ny sisin-tany (kanana) ny andian’ny mpandeha, Niteny ny Rain’izy ireo ka nanao hoe : “ Marina fa Izaho dia maheno ny fofon’i Yosofa (Josefa) na dia teneninareo fa mirediredy Aho ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ تَٱللَّهِ إِنَّكَ لَفِي ضَلَٰلِكَ ٱلۡقَدِيمِ
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Mianiana amin’i Allah fa indro indray Ianao dia miverina amin’ny fahaverezanao taloha ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَلَمَّآ أَن جَآءَ ٱلۡبَشِيرُ أَلۡقَىٰهُ عَلَىٰ وَجۡهِهِۦ فَٱرۡتَدَّ بَصِيرٗاۖ قَالَ أَلَمۡ أَقُل لَّكُمۡ إِنِّيٓ أَعۡلَمُ مِنَ ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Rehefa tonga ilay mpitondra vaovao mahafaly dia napetany tamin’ny tavan’ny Yakoba (Jakoba) ilay fitafiana. Avy hatrany dia nahiratra Izy, sy niteny ka nanao hoe : “ Moa ve tsy efa nolazaiko taminareo fa Izaho dia mahazo fahalalana avy amin’i Allah, izay tsy fantatrareo ? ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالُواْ يَٰٓأَبَانَا ٱسۡتَغۡفِرۡ لَنَا ذُنُوبَنَآ إِنَّا كُنَّا خَٰطِـِٔينَ
Hoy izy ireo : “Ry Dada ô! Mangataha ho anay, ho famelana ny fahotanay, fa tena diso tokoa izahay”.
Arabic explanations of the Qur’an:
قَالَ سَوۡفَ أَسۡتَغۡفِرُ لَكُمۡ رَبِّيٓۖ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡغَفُورُ ٱلرَّحِيمُ
Niteny Izy ka nanao hoe : “ Izaho dia hitalaho amin’ny Tompoko ny hamelana ny helokareo satria Izy ilay Mpamela ny heloka, ilay be Fiantrana ”.
Arabic explanations of the Qur’an:
فَلَمَّا دَخَلُواْ عَلَىٰ يُوسُفَ ءَاوَىٰٓ إِلَيۡهِ أَبَوَيۡهِ وَقَالَ ٱدۡخُلُواْ مِصۡرَ إِن شَآءَ ٱللَّهُ ءَامِنِينَ
Fa rehefa niditra tao amin’i Yosofa (Josefa) izy Ireo dia noraisiny ireo Ray aman-dreniny ka niteny tamin’izy ireo izy nanao hoe : “ Midira any Egypta am-piadanana Ianareo, raha sitrak’i Allah !
Arabic explanations of the Qur’an:
وَرَفَعَ أَبَوَيۡهِ عَلَى ٱلۡعَرۡشِ وَخَرُّواْ لَهُۥ سُجَّدٗاۖ وَقَالَ يَٰٓأَبَتِ هَٰذَا تَأۡوِيلُ رُءۡيَٰيَ مِن قَبۡلُ قَدۡ جَعَلَهَا رَبِّي حَقّٗاۖ وَقَدۡ أَحۡسَنَ بِيٓ إِذۡ أَخۡرَجَنِي مِنَ ٱلسِّجۡنِ وَجَآءَ بِكُم مِّنَ ٱلۡبَدۡوِ مِنۢ بَعۡدِ أَن نَّزَغَ ٱلشَّيۡطَٰنُ بَيۡنِي وَبَيۡنَ إِخۡوَتِيٓۚ إِنَّ رَبِّي لَطِيفٞ لِّمَا يَشَآءُۚ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡعَلِيمُ ٱلۡحَكِيمُ
Ary dia nakariny teny ambonin’ny seza fiandrianana ireo Ray aman-dReniny, ka dia niankohoka teo anatrehany ny rehetra. Ary hoy izy : “Ry Dada ô! Izany no dikan’ny nofiko fahiny. Fa notanterahin’Allah tokoa izany. Ary tena nanao soa ahy Izy, raha namoaka ahy tao am-ponja, ka nahatonga anareo avy tany ambanivohitra (tany efitra), rehefa avy nampitranga tsy fifanarahana teo amiko sy ny rahalahiko ny devoly. Feno hamoram-po amin’izay tiany ny Tompoko. Ary Izy no Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, sady be Fahendrena.
Arabic explanations of the Qur’an:
۞ رَبِّ قَدۡ ءَاتَيۡتَنِي مِنَ ٱلۡمُلۡكِ وَعَلَّمۡتَنِي مِن تَأۡوِيلِ ٱلۡأَحَادِيثِۚ فَاطِرَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ أَنتَ وَلِيِّۦ فِي ٱلدُّنۡيَا وَٱلۡأٓخِرَةِۖ تَوَفَّنِي مُسۡلِمٗا وَأَلۡحِقۡنِي بِٱلصَّٰلِحِينَ
Ry Tompoko oh, efa nanome fahefana Ahy Ianao sy nampianatra ny fandikana ireo nofy. Mpahary ireo lanitra sy ny tany Ianao. Ianao no Mpiahy Ahy ento an-tany sy any an-koatra. Ataovy maty ao anaty fankatoavana Anao Aho, ary ataovy miaraka amin’ireo Olona mpanao asa soa.
Arabic explanations of the Qur’an:
ذَٰلِكَ مِنۡ أَنۢبَآءِ ٱلۡغَيۡبِ نُوحِيهِ إِلَيۡكَۖ وَمَا كُنتَ لَدَيۡهِمۡ إِذۡ أَجۡمَعُوٓاْ أَمۡرَهُمۡ وَهُمۡ يَمۡكُرُونَ
Izany dia anisan’ireo tantara miafina nolazainay Aminao. Ary Ianao dia tsy teo anatrehan’izy ireo raha niombo-kevitra hanao teti-dratsy izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمَآ أَكۡثَرُ ٱلنَّاسِ وَلَوۡ حَرَصۡتَ بِمُؤۡمِنِينَ
Ary ny ankamaroan’ny Olona dia tsy mpino na dia teo aza ny fanirianao fatratra mba ho mpino izy ireo.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمَا تَسۡـَٔلُهُمۡ عَلَيۡهِ مِنۡ أَجۡرٍۚ إِنۡ هُوَ إِلَّا ذِكۡرٞ لِّلۡعَٰلَمِينَ
Ary aza mangataka tambi-karama noho izany Ianao, fa tsy inona akory ity afa-tsy fampahatsiahivana ihany ho an’izao tontolo izao.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَكَأَيِّن مِّنۡ ءَايَةٖ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ يَمُرُّونَ عَلَيۡهَا وَهُمۡ عَنۡهَا مُعۡرِضُونَ
Any amin’ireo lanitra sy ety ambonin’ny tany, dia misy ireo famantarana izay andalovan’ny Olona kanefa itodihany lamosina !
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمَا يُؤۡمِنُ أَكۡثَرُهُم بِٱللَّهِ إِلَّا وَهُم مُّشۡرِكُونَ
Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino an’i Allah raha tsy mampikambana Azy amin’ny zanahary hafa.
Arabic explanations of the Qur’an:
أَفَأَمِنُوٓاْ أَن تَأۡتِيَهُمۡ غَٰشِيَةٞ مِّنۡ عَذَابِ ٱللَّهِ أَوۡ تَأۡتِيَهُمُ ٱلسَّاعَةُ بَغۡتَةٗ وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ
Inona no tokin’izy ireo raha tonga handrakotra azy ireo ny sazin’i Allah, na koa ho tonga tampoka amin’ny fotoana tsy ampoizin’izy ireo ilay ora nefa tsy hatsapa izany izy ireo ?
Arabic explanations of the Qur’an:
قُلۡ هَٰذِهِۦ سَبِيلِيٓ أَدۡعُوٓاْ إِلَى ٱللَّهِۚ عَلَىٰ بَصِيرَةٍ أَنَا۠ وَمَنِ ٱتَّبَعَنِيۖ وَسُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ وَمَآ أَنَا۠ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ
Teneno hoe : ” Ity no làlako, miantso ny Olona mankany amin’i Allah Aho, amin’ny alalan’ny porofo mazava, Izaho sy ireo izay manaraka Ahy.Voninahitra anie ho an’i Allah. Izaho dia tsy anisan’ireo manana zanahary maro.
Arabic explanations of the Qur’an:
وَمَآ أَرۡسَلۡنَا مِن قَبۡلِكَ إِلَّا رِجَالٗا نُّوحِيٓ إِلَيۡهِم مِّنۡ أَهۡلِ ٱلۡقُرَىٰٓۗ أَفَلَمۡ يَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَيَنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۗ وَلَدَارُ ٱلۡأٓخِرَةِ خَيۡرٞ لِّلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ
Izahay dia tsy nandefa, talohanao, afa-tsy ireo lehilahy avy tamin’ireo tanàna izay nanaovanay fanambarana. Moa tsy nielipatrana eran-tany va izy ireo, ary jereonareo ny fiafaran’ireo teo alohan’izy ireo? Hamafisina, fa tena tsara ho an’ireo izay manam-pahatahorana ny fonenana any an-koatra. Moa tsy misaina izany va ianareo?
Arabic explanations of the Qur’an:
حَتَّىٰٓ إِذَا ٱسۡتَيۡـَٔسَ ٱلرُّسُلُ وَظَنُّوٓاْ أَنَّهُمۡ قَدۡ كُذِبُواْ جَآءَهُمۡ نَصۡرُنَا فَنُجِّيَ مَن نَّشَآءُۖ وَلَا يُرَدُّ بَأۡسُنَا عَنِ ٱلۡقَوۡمِ ٱلۡمُجۡرِمِينَ
Raha efa very fanantenana ireo Iraka sy nieritreritra fa voampanga ho mpandainga izy ireo, dia tonga tamin’izy ireo avy hatrany ny Famonjenay. Ary navotanay izay sitrakay. Nefa tsy misy afaka manakana ny sazinay izay miantefa amin’ireo vahoaka mpanao heloka be vava.
Arabic explanations of the Qur’an:
لَقَدۡ كَانَ فِي قَصَصِهِمۡ عِبۡرَةٞ لِّأُوْلِي ٱلۡأَلۡبَٰبِۗ مَا كَانَ حَدِيثٗا يُفۡتَرَىٰ وَلَٰكِن تَصۡدِيقَ ٱلَّذِي بَيۡنَ يَدَيۡهِ وَتَفۡصِيلَ كُلِّ شَيۡءٖ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٗ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ
Ao amin’ny tantaran’izy ireo dia tena feno lesona fananarana ho an’ireo Olona manan-tsaina. Tsy tantara noforonina izany. Fa fanamafisana kosa izay efa nisy teo alohany, ary famakafakana antsipiriany ny zava-drehetra, tari-dàlana sy famindram-po ho an’ireo vahoaka izay mino.
Arabic explanations of the Qur’an:
 
Translation of the meanings Surah: Yūsuf
Surahs’ Index Page Number
 
Translation of the Meanings of the Noble Qur'an - Malagasy translation - Rowwad Translation Center - Translations’ Index

translated by Rowwad Translation Center, in cooperation with the Islamic Propagation Office in Rabwah and the Association for Serving Islamic Content in Languages.

close