Check out the new design

Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad * - Sadržaj prijevodā


Prijevod značenja Sura: Eš-Šuara   Ajet:
لَعَلَّنَا نَتَّبِعُ ٱلسَّحَرَةَ إِن كَانُواْ هُمُ ٱلۡغَٰلِبِينَ
Angamba hanaraka ireo mpanao majika isika raha izy ireo no mivoaka mpandresy.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَلَمَّا جَآءَ ٱلسَّحَرَةُ قَالُواْ لِفِرۡعَوۡنَ أَئِنَّ لَنَا لَأَجۡرًا إِن كُنَّا نَحۡنُ ٱلۡغَٰلِبِينَ
Ka rehefa tonga ireo mpanao majika dia niteny izy ireo tamin’i Faraona hoe : “Moa ve tena hisy valisoa marina ho anay, raha izahay no mivoaka ho mpandresy ?”
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ نَعَمۡ وَإِنَّكُمۡ إِذٗا لَّمِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ
Niteny izy (Faraona) hoe : “Eny ! Ary tena ho isan’ireo akaiky ahy ianareo”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ لَهُم مُّوسَىٰٓ أَلۡقُواْ مَآ أَنتُم مُّلۡقُونَ
Niteny tamin’izy ireo i Mosesy hoe : “Atsipazo izay hatsipinareo”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَأَلۡقَوۡاْ حِبَالَهُمۡ وَعِصِيَّهُمۡ وَقَالُواْ بِعِزَّةِ فِرۡعَوۡنَ إِنَّا لَنَحۡنُ ٱلۡغَٰلِبُونَ
Ka natsipin’izy ireo ny tadiny sy ny tehiny ; ary niteny izy ireo hoe : “Amin’ny alalan’ny fahefan’i Faraona ! Izahay no tena hivoaka mpandresy !”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَأَلۡقَىٰ مُوسَىٰ عَصَاهُ فَإِذَا هِيَ تَلۡقَفُ مَا يَأۡفِكُونَ
Avy eo dia natsipin’i Mosesy ny tehiny, dia indro izy fa mitsaingoka izay rehetra noforonin’izy ireo.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَأُلۡقِيَ ٱلسَّحَرَةُ سَٰجِدِينَ
Tamin’izay dia niantoraka niankohoka ireo mpanao majika.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالُوٓاْ ءَامَنَّا بِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Niteny izy ireo hoe : “Mino an’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay".
Tefsiri na arapskom jeziku:
رَبِّ مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ
Tompon’i Mosesy sy Harona.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالَ ءَامَنتُمۡ لَهُۥ قَبۡلَ أَنۡ ءَاذَنَ لَكُمۡۖ إِنَّهُۥ لَكَبِيرُكُمُ ٱلَّذِي عَلَّمَكُمُ ٱلسِّحۡرَ فَلَسَوۡفَ تَعۡلَمُونَۚ لَأُقَطِّعَنَّ أَيۡدِيَكُمۡ وَأَرۡجُلَكُم مِّنۡ خِلَٰفٖ وَلَأُصَلِّبَنَّكُمۡ أَجۡمَعِينَ
Niteny izy (Faraona) hoe : “Nino azy ve ianareo, alohan’ny hanomezako alalana anareo ? Tena marina fa izy no lehibenareo izay nampianatra anareo ny majika ; ka ho fantatrareo tsy ho ela ! Tena ho tapahiko ny tananareo sy ny tongotrareo izay mifanohitra amin’ny andaniny avy, ary ho fantsihiko amin’ny hazo ianareo rehetra”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
قَالُواْ لَا ضَيۡرَۖ إِنَّآ إِلَىٰ رَبِّنَا مُنقَلِبُونَ
Niteny izy ireo hoe : “Tsy misy maharatsy izany ! Marina fa any amin’ny Tomponay no hiverenanay"
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّا نَطۡمَعُ أَن يَغۡفِرَ لَنَا رَبُّنَا خَطَٰيَٰنَآ أَن كُنَّآ أَوَّلَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Tena marina fa maniry mafy izahay mba ho avelan’ny Tomponay ny fahadisoanay, noho izahay voalohany tamin’ireo mpino.
Tefsiri na arapskom jeziku:
۞ وَأَوۡحَيۡنَآ إِلَىٰ مُوسَىٰٓ أَنۡ أَسۡرِ بِعِبَادِيٓ إِنَّكُم مُّتَّبَعُونَ
Ary nandefasanay fanambarana i Mosesy hoe : “Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao, fa hisy mpanenjika ianareo”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَأَرۡسَلَ فِرۡعَوۡنُ فِي ٱلۡمَدَآئِنِ حَٰشِرِينَ
Ka nandefa mpamory any amin’ireo tanàna i Faraona (hilaza hoe) :
Tefsiri na arapskom jeziku:
إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ لَشِرۡذِمَةٞ قَلِيلُونَ
“Tena marina fa andian’olona vitsivitsy ihany izy ireny”.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَإِنَّهُمۡ لَنَا لَغَآئِظُونَ
Nefa izy ireo dia mahatezitra anay.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَإِنَّا لَجَمِيعٌ حَٰذِرُونَ
Ary isika rehetra kosa dia fatra mpitandrina.
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَأَخۡرَجۡنَٰهُم مِّن جَنَّٰتٖ وَعُيُونٖ
Ka navoakanay izy ireo avy tamin’ireo zaridaina sy ireo loharano.
Tefsiri na arapskom jeziku:
وَكُنُوزٖ وَمَقَامٖ كَرِيمٖ
Ary ireo harena sarobidy sy ny toerana mendrika.
Tefsiri na arapskom jeziku:
كَذَٰلِكَۖ وَأَوۡرَثۡنَٰهَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ
Tahaka izany ! Ary dia nampandovanay ireo zanak’Israely izany (rehetra izany).
Tefsiri na arapskom jeziku:
فَأَتۡبَعُوهُم مُّشۡرِقِينَ
Nanenjika azy ireo izy ireo rehefa niposaka ny masoandro.
Tefsiri na arapskom jeziku:
 
Prijevod značenja Sura: Eš-Šuara
Indeks sura Broj stranice
 
Prijevod značenja časnog Kur'ana - Prijevod na malgaški jezik - Prevodilački centar Ruvvad - Sadržaj prijevodā

Prevod: Prevodilački centar Ruvvad u saradnji sa Udruženjem za poziv u Rabwi i Udruženjem za pružanje islamskog sadržaja na jezicima.

Zatvaranje