Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আত-তাওবাহ   আয়াত:
لَقَدِ ٱبۡتَغَوُاْ ٱلۡفِتۡنَةَ مِن قَبۡلُ وَقَلَّبُواْ لَكَ ٱلۡأُمُورَ حَتَّىٰ جَآءَ ٱلۡحَقُّ وَظَهَرَ أَمۡرُ ٱللَّهِ وَهُمۡ كَٰرِهُونَ
Ary efa nikatsaka nanao asa fanakorontanana izy ireo teo aloha ka nasavoritak’izy ireo ny raharaha rehetra Nataonao mandra-pahatongan’ny fahamarinana ka nampiharihary ny didin’i Allah, na dia nankahala izany aza izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمِنۡهُم مَّن يَقُولُ ٱئۡذَن لِّي وَلَا تَفۡتِنِّيٓۚ أَلَا فِي ٱلۡفِتۡنَةِ سَقَطُواْۗ وَإِنَّ جَهَنَّمَ لَمُحِيطَةُۢ بِٱلۡكَٰفِرِينَ
Ary nisy tamin’izy ireo izay niteny nanao hoe : " mangataka alàlana hijanona Aho, ary aza avela ho azon’ny fakam-panahy Aho ” ka moa va tsy mbola ny fakam-panahy ihany no naharendrika azy ireo ? Eny, ny Afobe tokoa no manodidina ireo tsy mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِن تُصِبۡكَ حَسَنَةٞ تَسُؤۡهُمۡۖ وَإِن تُصِبۡكَ مُصِيبَةٞ يَقُولُواْ قَدۡ أَخَذۡنَآ أَمۡرَنَا مِن قَبۡلُ وَيَتَوَلَّواْ وَّهُمۡ فَرِحُونَ
Raha misy fahasoavana Azonao, dia mankarary azy ireo izany, fa raha misy fahoriana kosa manjo Anao dia miteny izy ireo hoe : " Soa ihany fa efa naka fitandremana mialoha izahay ”. Mitodi-damosina izy ireo no sady feno hafaliana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُل لَّن يُصِيبَنَآ إِلَّا مَا كَتَبَ ٱللَّهُ لَنَا هُوَ مَوۡلَىٰنَاۚ وَعَلَى ٱللَّهِ فَلۡيَتَوَكَّلِ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ
Teneno hoe : " Tsy misy zavatra hanjo Anay afa-tsy izay efa voasoratr’i Allah ho Anay. Izy no Mpiahy Anay ”. Ary aoka hiantehitra amin’i Allah ireo Mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ هَلۡ تَرَبَّصُونَ بِنَآ إِلَّآ إِحۡدَى ٱلۡحُسۡنَيَيۡنِۖ وَنَحۡنُ نَتَرَبَّصُ بِكُمۡ أَن يُصِيبَكُمُ ٱللَّهُ بِعَذَابٖ مِّنۡ عِندِهِۦٓ أَوۡ بِأَيۡدِينَاۖ فَتَرَبَّصُوٓاْ إِنَّا مَعَكُم مُّتَرَبِّصُونَ
Teneno hoe : " Inona no andrasanareo Aminay, afa-tsy ny iray amin’ireto zava-tsoa roa ireto (fandresena, maty martiora) ? fa izahay kosa miandry ny handefasan’i Allah sazy ho Anareo, avy Aminy na avy amin’ny tànanay ka andraso àry, fa Izahay koa mba miandry miaraka Aminareo ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ أَنفِقُواْ طَوۡعًا أَوۡ كَرۡهٗا لَّن يُتَقَبَّلَ مِنكُمۡ إِنَّكُمۡ كُنتُمۡ قَوۡمٗا فَٰسِقِينَ
Teneno hoe : " Mandania harena antsitra-po na ankahalalana Ianareo fa tsy ho raisina velively izay avy Aminareo, satria Ianareo vahoaka mpanao asa ratsy.”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا مَنَعَهُمۡ أَن تُقۡبَلَ مِنۡهُمۡ نَفَقَٰتُهُمۡ إِلَّآ أَنَّهُمۡ كَفَرُواْ بِٱللَّهِ وَبِرَسُولِهِۦ وَلَا يَأۡتُونَ ٱلصَّلَوٰةَ إِلَّا وَهُمۡ كُسَالَىٰ وَلَا يُنفِقُونَ إِلَّا وَهُمۡ كَٰرِهُونَ
Ary tsy misy manakana ny handraisana ny fanomezana avy amin’izy ireo afa-tsy noho izy ireo tsy nino an’i Allah sy ny irany, sy tsy tonga nanatanteraka ny soalat afa-tsy ao anaty hakamoana ary tsy manao fandaniana izy ireo afa-tsy ankahalàna.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আত-তাওবাহ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ