Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-মাআৰিজ   আয়াত:
يُبَصَّرُونَهُمۡۚ يَوَدُّ ٱلۡمُجۡرِمُ لَوۡ يَفۡتَدِي مِنۡ عَذَابِ يَوۡمِئِذِۭ بِبَنِيهِ
Na dia mifankahita aza izy ireo. Amin’io andro io dia te-hanakalo ny famaizana azy ireo amin’ny fanomezana ireo zanany ny mpanao ratsy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَصَٰحِبَتِهِۦ وَأَخِيهِ
Ary ny vadiny, sy ny rahalahiny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَفَصِيلَتِهِ ٱلَّتِي تُـٔۡوِيهِ
Eny, fa na dia ireo mpiara-monina taminy nampiantrano azy aza.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗا ثُمَّ يُنجِيهِ
Sy izay rehetra eto an-tany izay afaka hanavotra azy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كَلَّآۖ إِنَّهَا لَظَىٰ
Saingy tsy hisy izany fa afo mamaivay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
نَزَّاعَةٗ لِّلشَّوَىٰ
No hanala an-keriny ny hodi-doha.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
تَدۡعُواْ مَنۡ أَدۡبَرَ وَتَوَلَّىٰ
Antsoiny izay nanome lamosina sy nihataka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَجَمَعَ فَأَوۡعَىٰٓ
Ary nanangona sy nitahiry.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ إِنَّ ٱلۡإِنسَٰنَ خُلِقَ هَلُوعًا
Eny ! Nohariana tsy hahatombina ny olombelona.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِذَا مَسَّهُ ٱلشَّرُّ جَزُوعٗا
Kivy izy rehefa niharan’ny loza.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِذَا مَسَّهُ ٱلۡخَيۡرُ مَنُوعًا
Ary rehefa nahazo fahasoavana kosa dia fatra-pandà.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِلَّا ٱلۡمُصَلِّينَ
Afa-tsy ireo manatanteraka ny vavaka fanompoana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَاتِهِمۡ دَآئِمُونَ
Izay mandala mandrakariva izany (vavaka fanompoana).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ فِيٓ أَمۡوَٰلِهِمۡ حَقّٞ مَّعۡلُومٞ
Ary manana adidy voafaritra tsara amin’ny fananany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لِّلسَّآئِلِ وَٱلۡمَحۡرُومِ
Ho an’ny mpangataka sy ny tsy manana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ يُصَدِّقُونَ بِيَوۡمِ ٱلدِّينِ
Ary mino tanteraka ny andro famaliana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ هُم مِّنۡ عَذَابِ رَبِّهِم مُّشۡفِقُونَ
Sy izay matahotra fatratra ny famaizan’ny Tompon’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ عَذَابَ رَبِّهِمۡ غَيۡرُ مَأۡمُونٖ
Marina tokoa fa tsy misy manana fahatoniana manoloana ny famaizan'ny Tompony.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِفُرُوجِهِمۡ حَٰفِظُونَ
Ary ireo izay mitandrina amin'ny fahadiovam-pitondran-tenany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِلَّا عَلَىٰٓ أَزۡوَٰجِهِمۡ أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ فَإِنَّهُمۡ غَيۡرُ مَلُومِينَ
ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَمَنِ ٱبۡتَغَىٰ وَرَآءَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡعَادُونَ
Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِأَمَٰنَٰتِهِمۡ وَعَهۡدِهِمۡ رَٰعُونَ
Ary izay mitandrina ny fananana nankinina taminy sy manaja tanteraka ny fifanekena .
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ هُم بِشَهَٰدَٰتِهِمۡ قَآئِمُونَ
Ary mijoro ho vavolombelona amin'ny fahamarinana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَاتِهِمۡ يُحَافِظُونَ
Sy izay mandala ny vavaka fanompoana ataony.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أُوْلَٰٓئِكَ فِي جَنَّٰتٖ مُّكۡرَمُونَ
Dia izy ireo no homem-boninahitra ao amin'ireo zaridaina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَمَالِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ قِبَلَكَ مُهۡطِعِينَ
Inona ary no mahazo ireo tsy mpino no mihazakazaka manantona anao, manalava tenda ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
عَنِ ٱلۡيَمِينِ وَعَنِ ٱلشِّمَالِ عِزِينَ
Tonga ny andiany avy an-kavanana sy an-kavia .
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَيَطۡمَعُ كُلُّ ٱمۡرِيٕٖ مِّنۡهُمۡ أَن يُدۡخَلَ جَنَّةَ نَعِيمٖ
Moa samy mitsiriritra ny ho ampidirina ao amin'ny zaridainan'ny fahasambarana va izy ireo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كَلَّآۖ إِنَّا خَلَقۡنَٰهُم مِّمَّا يَعۡلَمُونَ
Tsia ! Noharianay avy tamin'izay efa fantany izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَآ أُقۡسِمُ بِرَبِّ ٱلۡمَشَٰرِقِ وَٱلۡمَغَٰرِبِ إِنَّا لَقَٰدِرُونَ
Tsia !Mianiana amin'ny Tompon'ireo fiposahana sy ny filentehana Aho, fa Izahay dia manana fahefana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-মাআৰিজ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ