Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-কলম   আয়াত:

Al-qalam

نٓۚ وَٱلۡقَلَمِ وَمَا يَسۡطُرُونَ
Noun; Mianiana amin'ny penina sy izay nosoratan'izy ireo aho !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَآ أَنتَ بِنِعۡمَةِ رَبِّكَ بِمَجۡنُونٖ
Fa tsy adala akory ianao nohon'ny fahasoavan'i Tomponao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِنَّ لَكَ لَأَجۡرًا غَيۡرَ مَمۡنُونٖ
Ary hamafisina fa hisy valisoa tsy hitsahatra mihitsy ho anao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِنَّكَ لَعَلَىٰ خُلُقٍ عَظِيمٖ
Hamafisina fa ianao dia ambony toetra mendrika tokoa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَسَتُبۡصِرُ وَيُبۡصِرُونَ
Ho hitanao ary ho hitan'izy ireo ihany koa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
بِأَييِّكُمُ ٱلۡمَفۡتُونُ
Fa iza aminareo no very saina ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ رَبَّكَ هُوَ أَعۡلَمُ بِمَن ضَلَّ عَن سَبِيلِهِۦ وَهُوَ أَعۡلَمُ بِٱلۡمُهۡتَدِينَ
Ny Tomponao no tena mahafantatra izay very lalana ary fantany ireo mankany amin'ny lalana mahitsy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَا تُطِعِ ٱلۡمُكَذِّبِينَ
Koa aoka ianao tsy hankato ireo mpilaza lainga.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَدُّواْ لَوۡ تُدۡهِنُ فَيُدۡهِنُونَ
Fa tian'izy ireo raha mandefitra amin'izy ireo ianao mba handeferan'izy ireo aminao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَا تُطِعۡ كُلَّ حَلَّافٖ مَّهِينٍ
Koa aza mankato ireo fatra mpanozona, mendrika ho tevahina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
هَمَّازٖ مَّشَّآءِۭ بِنَمِيمٖ
Mpanala baraka, mpanendrikendrika.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَّنَّاعٖ لِّلۡخَيۡرِ مُعۡتَدٍ أَثِيمٍ
Mpanakana ny tsara , mpandika lalàna , mpanota.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
عُتُلِّۭ بَعۡدَ ذَٰلِكَ زَنِيمٍ
Mafy fo, ary ankoatr'izany dia tsy manan-dray.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَن كَانَ ذَا مَالٖ وَبَنِينَ
Na dia manana harena sy zaza maro aza izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِ ءَايَٰتُنَا قَالَ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ
Koa rehefa torina aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
سَنَسِمُهُۥ عَلَى ٱلۡخُرۡطُومِ
Asinay famantarana eo amin'ny vavany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّا بَلَوۡنَٰهُمۡ كَمَا بَلَوۡنَآ أَصۡحَٰبَ ٱلۡجَنَّةِ إِذۡ أَقۡسَمُواْ لَيَصۡرِمُنَّهَا مُصۡبِحِينَ
Nosedranay izy ireo tahaka ny nosedranay ireo Tompon'ny saha, izay niozona fa hanao fiotazana ny maraina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَا يَسۡتَثۡنُونَ
Saingy tsy niteny hoe : raha sitrapon'I Allah izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَطَافَ عَلَيۡهَا طَآئِفٞ مِّن رَّبِّكَ وَهُمۡ نَآئِمُونَ
Ka nisy loza avy any amin'i Tomponao ary nilatsaka nandritra ny natorian'izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَأَصۡبَحَتۡ كَٱلصَّرِيمِ
Ary ny marina dia tahaka ny nokakasana avokoa ny zavatra rehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَتَنَادَوۡاْ مُصۡبِحِينَ
Nifampiantso izy ireo ny maraina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَنِ ٱغۡدُواْ عَلَىٰ حَرۡثِكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰرِمِينَ
Mandehana vao maraina any an-tsaha ianareo, raha te-hioty ny vokatra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَٱنطَلَقُواْ وَهُمۡ يَتَخَٰفَتُونَ
Dia nandeha ary izy ireo no sady niresaka moramora hoe :
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَن لَّا يَدۡخُلَنَّهَا ٱلۡيَوۡمَ عَلَيۡكُم مِّسۡكِينٞ
Aza avelanareo hidiran'ireo mahantra mihitsy ao androany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَغَدَوۡاْ عَلَىٰ حَرۡدٖ قَٰدِرِينَ
Nandeha vao maraina izy ireo, tapa-kevitra ny hahihitra sady natoky fa fahefan'izy ireo izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَمَّا رَأَوۡهَا قَالُوٓاْ إِنَّا لَضَآلُّونَ
Ka rehefa hitan'izy ireo izany dia hoy izy ireo : Very lalana tokoa isika.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
بَلۡ نَحۡنُ مَحۡرُومُونَ
Na tena niala maina isika.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ أَوۡسَطُهُمۡ أَلَمۡ أَقُل لَّكُمۡ لَوۡلَا تُسَبِّحُونَ
Hoy ny olo-marina indrindra tamin'izy ireo : "Tsy efa nolazaiko taminareo va raha mba nanome voninahitra an'I Allah mantsy ianareo"
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالُواْ سُبۡحَٰنَ رَبِّنَآ إِنَّا كُنَّا ظَٰلِمِينَ
Dia hoy izy ireo : "Voninahitra ho an'i Tomponay ! Eny nanao ny tsy rariny tokoa izahay."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَلَٰوَمُونَ
Avy eo dia nifampitodika izy ireo nifanome tsiny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالُواْ يَٰوَيۡلَنَآ إِنَّا كُنَّا طَٰغِينَ
Ka hoy izy ireo : "loza ho anay ! Nikomy tokoa izahay !"
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
عَسَىٰ رَبُّنَآ أَن يُبۡدِلَنَا خَيۡرٗا مِّنۡهَآ إِنَّآ إِلَىٰ رَبِّنَا رَٰغِبُونَ
Maniry izahay ny mba hanoloan'i Tomponay izany amin'ny zavatra tsaratsara kokoa, ny hanantona ny Tomponay no fanirianay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كَذَٰلِكَ ٱلۡعَذَابُۖ وَلَعَذَابُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَكۡبَرُۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ
Toy izany ny famaizana, fa lehibe noho izany ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr'izy ireo mantsy !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ لِلۡمُتَّقِينَ عِندَ رَبِّهِمۡ جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ
Fa mahazo ireo zaridainam-pahasambarana eo akaikin'i Tompony kosa ireo vontom-pinoana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَفَنَجۡعَلُ ٱلۡمُسۡلِمِينَ كَٱلۡمُجۡرِمِينَ
Moa va ataonay tahaka ireo mpanao ratsy ireo mpankato?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَا لَكُمۡ كَيۡفَ تَحۡكُمُونَ
Inona no mahazo anareo ? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمۡ لَكُمۡ كِتَٰبٞ فِيهِ تَدۡرُسُونَ
Sa manana Boky hianarana kosa va ianareo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ لَكُمۡ فِيهِ لَمَا تَخَيَّرُونَ
Ka ho azonareo amin'izany izay irinareo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمۡ لَكُمۡ أَيۡمَٰنٌ عَلَيۡنَا بَٰلِغَةٌ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ إِنَّ لَكُمۡ لَمَا تَحۡكُمُونَ
Sa nahazo fanomezan-toky marina avy Aminay va ianareo hatramin'ny andro fitsanganana, ka hanomezanay araka izay fanapahan-kevitrareo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
سَلۡهُمۡ أَيُّهُم بِذَٰلِكَ زَعِيمٌ
Anontanio azy ireo izay hiantoka izany aminy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمۡ لَهُمۡ شُرَكَآءُ فَلۡيَأۡتُواْ بِشُرَكَآئِهِمۡ إِن كَانُواْ صَٰدِقِينَ
Na koa manana mpiray antoka va izy ireo ? Aoka ary ho entin'izy ireo izany, raha tena mpilaza ny marina izy ireo !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَوۡمَ يُكۡشَفُ عَن سَاقٖ وَيُدۡعَوۡنَ إِلَى ٱلسُّجُودِ فَلَا يَسۡتَطِيعُونَ
Amin'ny andro hiatrehan'izy ireo ny zavatra mampihorohoro, ka hiantsoana azy ireo amin'ny fiankohofana, kanefa tsy afaka hanao izany intsony izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
خَٰشِعَةً أَبۡصَٰرُهُمۡ تَرۡهَقُهُمۡ ذِلَّةٞۖ وَقَدۡ كَانُواْ يُدۡعَوۡنَ إِلَى ٱلسُّجُودِ وَهُمۡ سَٰلِمُونَ
Dia hiondrika ny fijerin'izy ireo, ary hanarona azy ny fahafaham-baraka, kanefa dia nantsoina ho amin'ny fiankohofana izy ireo tamin'ny fotoana nahasalama azy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَذَرۡنِي وَمَن يُكَذِّبُ بِهَٰذَا ٱلۡحَدِيثِۖ سَنَسۡتَدۡرِجُهُم مِّنۡ حَيۡثُ لَا يَعۡلَمُونَ
Avelao ary aho hiaraka amin'izay miampanga ity lahateny ity ho lainga, fa ho entinay miandalana amin'izay tsy fantany izy ireo !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأُمۡلِي لَهُمۡۚ إِنَّ كَيۡدِي مَتِينٌ
Ka omeko fe-potoana izy ireo fa tena azo antoka tokoa ny tetiko !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمۡ تَسۡـَٔلُهُمۡ أَجۡرٗا فَهُم مِّن مَّغۡرَمٖ مُّثۡقَلُونَ
Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao hany ka vesaran-trosa maro izy ireo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَمۡ عِندَهُمُ ٱلۡغَيۡبُ فَهُمۡ يَكۡتُبُونَ
Sa fantatr'izy ireo va ny zava-miafina ; ka avy amin'izany no anoratany (ny laingany).
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَٱصۡبِرۡ لِحُكۡمِ رَبِّكَ وَلَا تَكُن كَصَاحِبِ ٱلۡحُوتِ إِذۡ نَادَىٰ وَهُوَ مَكۡظُومٞ
Zakao amim-paharetana ny didin'ny Tomponao, fa aza manao tahaka ilay olon'ny trondro (jonasy), izay niantso an'I Allah tao anatin'ny tebiteby mafy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَّوۡلَآ أَن تَدَٰرَكَهُۥ نِعۡمَةٞ مِّن رَّبِّهِۦ لَنُبِذَ بِٱلۡعَرَآءِ وَهُوَ مَذۡمُومٞ
Raha tsy tonga taminy ny fitahiana avy amin'ny Tompony dia ho voatsipy, ka afa-baraka teny amin'ny tany tsy misy olona izy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَٱجۡتَبَٰهُ رَبُّهُۥ فَجَعَلَهُۥ مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Dia nofidin'ny Tompony izy, ka nataony ho isan'ireo olo-mendrika.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِن يَكَادُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَيُزۡلِقُونَكَ بِأَبۡصَٰرِهِمۡ لَمَّا سَمِعُواْ ٱلذِّكۡرَ وَيَقُولُونَ إِنَّهُۥ لَمَجۡنُونٞ
Kely fotsiny no tsy handratran'ireo tsy mpino anao amin'ny fijeriny (feno fahatezerana), rehefa mandre ny fampahatsiarovana izy ireo, ka miteny hoe: "Tena adala tokoa izy!"
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا هُوَ إِلَّا ذِكۡرٞ لِّلۡعَٰلَمِينَ
Ary tsy inona izany fa fampahatsiarovana ihany ho an'izao tontolo izao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-কলম
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ