Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আনআম   আয়াত:
۞ إِنَّمَا يَسۡتَجِيبُ ٱلَّذِينَ يَسۡمَعُونَۘ وَٱلۡمَوۡتَىٰ يَبۡعَثُهُمُ ٱللَّهُ ثُمَّ إِلَيۡهِ يُرۡجَعُونَ
Ireo izay maheno ihany no mamaly ny antso. Ary ny maty rehetra dia hatsangan’I Allah, avy eo any Aminy no hamerenana azy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالُواْ لَوۡلَا نُزِّلَ عَلَيۡهِ ءَايَةٞ مِّن رَّبِّهِۦۚ قُلۡ إِنَّ ٱللَّهَ قَادِرٌ عَلَىٰٓ أَن يُنَزِّلَ ءَايَةٗ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Ary hoy izy ireo hoe : “Nahoana no tsy nisy fahagagana nampidinina taminy avy amin’ny Tompony ?” Teneno hoe : “Tena marina fa I Allah dia afaka mampidina fahagagana. Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala izany".
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَا مِن دَآبَّةٖ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا طَٰٓئِرٖ يَطِيرُ بِجَنَاحَيۡهِ إِلَّآ أُمَمٌ أَمۡثَالُكُمۚ مَّا فَرَّطۡنَا فِي ٱلۡكِتَٰبِ مِن شَيۡءٖۚ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّهِمۡ يُحۡشَرُونَ
Ary tsy misy biby mandeha eto ambonin’ny tany na vorona manidina amin’ny elany roa, ka tsy manana fiaraha-monina tahaka anareo. Tsy misy zavatra nataonay tsirambina ao anaty Boky na dia kely aza, avy eo any amin’ny Tompon’izy ireo no hamoriana azy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا صُمّٞ وَبُكۡمٞ فِي ٱلظُّلُمَٰتِۗ مَن يَشَإِ ٱللَّهُ يُضۡلِلۡهُ وَمَن يَشَأۡ يَجۡعَلۡهُ عَلَىٰ صِرَٰطٖ مُّسۡتَقِيمٖ
Ary ireo izay nilaza fa lainga ireo fanambaranay dia marenina sy moana ao anatin'ny haizim-pito. Izay sitrak’I Allah dia ho vereziny ary koa izay sitrany dia tantaniny amin’ny lala-mahitsy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ أَرَءَيۡتَكُمۡ إِنۡ أَتَىٰكُمۡ عَذَابُ ٱللَّهِ أَوۡ أَتَتۡكُمُ ٱلسَّاعَةُ أَغَيۡرَ ٱللَّهِ تَدۡعُونَ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Teneno hoe : “Ahoana no ataonareo raha tonga aminareo ny famaizan’I Allah, na koa tonga aminareo ilay Ora farany? Moa ve hiantso voanjy ankoatr’I Allah raha toa ka marina ny anareo ?”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
بَلۡ إِيَّاهُ تَدۡعُونَ فَيَكۡشِفُ مَا تَدۡعُونَ إِلَيۡهِ إِن شَآءَ وَتَنسَوۡنَ مَا تُشۡرِكُونَ
Tsia ! Izy irery ihany no antsoinareo ka hampisava izay antony niantsoanareo Azy,ary hanadino izay nakambanareo Taminy ianareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَآ إِلَىٰٓ أُمَمٖ مِّن قَبۡلِكَ فَأَخَذۡنَٰهُم بِٱلۡبَأۡسَآءِ وَٱلضَّرَّآءِ لَعَلَّهُمۡ يَتَضَرَّعُونَ
Ary efa nandefa ireo Iraka tamin’ny vahoaka maro teo alohanao Izahay, ka notsapainay izy ireo tamin’ny alalan’ny fahoriana sy ny aretina, angamba hanetri-tena izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَوۡلَآ إِذۡ جَآءَهُم بَأۡسُنَا تَضَرَّعُواْ وَلَٰكِن قَسَتۡ قُلُوبُهُمۡ وَزَيَّنَ لَهُمُ ٱلشَّيۡطَٰنُ مَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ
Nahoana àry, rehefa tonga tamin’izy ireo ny fitsapanay no tsy mba nanetri-tena izy ireo ? Kanefa nihamafy ny fon’izy ireo ary nohaingohaingoin’ny Satana izay asa rehetra nataon’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَلَمَّا نَسُواْ مَا ذُكِّرُواْ بِهِۦ فَتَحۡنَا عَلَيۡهِمۡ أَبۡوَٰبَ كُلِّ شَيۡءٍ حَتَّىٰٓ إِذَا فَرِحُواْ بِمَآ أُوتُوٓاْ أَخَذۡنَٰهُم بَغۡتَةٗ فَإِذَا هُم مُّبۡلِسُونَ
Rehefa nanadino izay nampahatsiahivina azy izy ireo dia nosokafanay ho azy ireo ny varavaran’ny zava-drehetra, ka rehefa faly tamin’izay nomena azy izy ireo dia noraisinay tampoka izy ireo, indro izy ireo fa tena diso fanantenana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আনআম
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ