Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-হাদীদ   আয়াত:
يَوۡمَ تَرَى ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِ يَسۡعَىٰ نُورُهُم بَيۡنَ أَيۡدِيهِمۡ وَبِأَيۡمَٰنِهِمۖ بُشۡرَىٰكُمُ ٱلۡيَوۡمَ جَنَّٰتٞ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَاۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ
Amin’ ny andro hahitanao ireo mpino, lahy sy vavy, izay mihazakazaka, eo anoloan’izy ireo sy eo an-kavanan'ny hazavana (dia ho lazaina aminy hoe ): “Indro anio, vaovao tsara ho anareo, zaridaina misy renirano mikoriana ambaniny, honenanareo mandrakizay ”. izany no fahombiazana lehibe.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَوۡمَ يَقُولُ ٱلۡمُنَٰفِقُونَ وَٱلۡمُنَٰفِقَٰتُ لِلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱنظُرُونَا نَقۡتَبِسۡ مِن نُّورِكُمۡ قِيلَ ٱرۡجِعُواْ وَرَآءَكُمۡ فَٱلۡتَمِسُواْ نُورٗاۖ فَضُرِبَ بَيۡنَهُم بِسُورٖ لَّهُۥ بَابُۢ بَاطِنُهُۥ فِيهِ ٱلرَّحۡمَةُ وَظَٰهِرُهُۥ مِن قِبَلِهِ ٱلۡعَذَابُ
Fa amin’ny andro hitenenan’ireo mpihatsaraveletsihy, lahy na vavy, amin’ireo mpino hoe: “Andraso, mba hindraminay ny apahany amin’ny hazavanareo”. Dia ho lazaina hoe: “ Miverena any aoriana, ka mitadiava hazavana”. Amin’izay dia hasiana rindrim-be manelanelana azy ireo, izay misy varavarana, ka ao anatin' ny famindram-po, fa ho an’izay miseho manatrika ety ivelany kosa ny famaizana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يُنَادُونَهُمۡ أَلَمۡ نَكُن مَّعَكُمۡۖ قَالُواْ بَلَىٰ وَلَٰكِنَّكُمۡ فَتَنتُمۡ أَنفُسَكُمۡ وَتَرَبَّصۡتُمۡ وَٱرۡتَبۡتُمۡ وَغَرَّتۡكُمُ ٱلۡأَمَانِيُّ حَتَّىٰ جَآءَ أَمۡرُ ٱللَّهِ وَغَرَّكُم بِٱللَّهِ ٱلۡغَرُورُ
“ Tsy niaraka taminareo va izahay ? ”, hoy ny antson’izy ireo . “ Eny ! ”, hoy ny navaliny, saingy nety nalaim-panahy ianareo, sy nanao tsikombakomba, ary nisalasala, ka namitaka anareo ny fanantenana tsy misy, hatramin’ny fahatongavan’ny didin’I Allah, ka namitaka anareo mikasika an’I Allah ilay mpaka fanahy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَٱلۡيَوۡمَ لَا يُؤۡخَذُ مِنكُمۡ فِدۡيَةٞ وَلَا مِنَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۚ مَأۡوَىٰكُمُ ٱلنَّارُۖ هِيَ مَوۡلَىٰكُمۡۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمَصِيرُ
Ankehitriny àry, tsy ekena intsony ny takalon’aina, na avy aminareo na avy amin’izay tsy mpino. Ny afo no ho fitoeranareo, izy no namana tsy hahasaraka anareo. Fa fiafarana ratsy tokoa izany !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ أَلَمۡ يَأۡنِ لِلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَن تَخۡشَعَ قُلُوبُهُمۡ لِذِكۡرِ ٱللَّهِ وَمَا نَزَلَ مِنَ ٱلۡحَقِّ وَلَا يَكُونُواْ كَٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ مِن قَبۡلُ فَطَالَ عَلَيۡهِمُ ٱلۡأَمَدُ فَقَسَتۡ قُلُوبُهُمۡۖ وَكَثِيرٞ مِّنۡهُمۡ فَٰسِقُونَ
Tsy tonga kosa va ny fotoana ho an’ireo mpino, izay nampilefitra ny fony ho fahatsiarovana an’I Allah, sy teo anatrehan’ny marina izay nampidinina ? Ary tsy hitovy mihitsy amin’izay nandray ny Boky talohan'izy ireo. Toa hitan’izy ireo ho lava loatra ny fotoana, ka nihamafy ny fony, ary ratsy fitondran-tena ny ankamaroan’izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ يُحۡيِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَاۚ قَدۡ بَيَّنَّا لَكُمُ ٱلۡأٓيَٰتِ لَعَلَّكُمۡ تَعۡقِلُونَ
Fantaronareo, fa manome aina ny tany efa maty I Allah. Novelabelarinay mazava aminareo ireo famantarana mba ho dinihinareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱلۡمُصَّدِّقِينَ وَٱلۡمُصَّدِّقَٰتِ وَأَقۡرَضُواْ ٱللَّهَ قَرۡضًا حَسَنٗا يُضَٰعَفُ لَهُمۡ وَلَهُمۡ أَجۡرٞ كَرِيمٞ
Hamafisina, fa izay lehilahy na vehivavy manao fanomezana, ka nanao fampindramana an-tsitsam-po tamin’I Allah, dia hampitomboina avo heny ho azy ireo izany, ka hahazo valisoa sesehena izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-হাদীদ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ