Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-মায়িদাহ   আয়াত:
لُعِنَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۢ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ عَلَىٰ لِسَانِ دَاوُۥدَ وَعِيسَى ٱبۡنِ مَرۡيَمَۚ ذَٰلِكَ بِمَا عَصَواْ وَّكَانُواْ يَعۡتَدُونَ
Voahozona ireo izay tsy nino tamin’ny zanak’Israely tamin’ny alalan’ny vavan’i Davida sy Jesoa zanak’i Maria. Izany dia noho izy ireo tsy nankato sy nandika ny didy aman-dalàna.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كَانُواْ لَا يَتَنَاهَوۡنَ عَن مُّنكَرٖ فَعَلُوهُۚ لَبِئۡسَ مَا كَانُواْ يَفۡعَلُونَ
Tsy nifandràra tamin’ny fanaovana ireo aratsiana izay nataony izy ireo. Tena ratsy tokoa izany ny asa izay nataon’izy ireo!
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
تَرَىٰ كَثِيرٗا مِّنۡهُمۡ يَتَوَلَّوۡنَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۚ لَبِئۡسَ مَا قَدَّمَتۡ لَهُمۡ أَنفُسُهُمۡ أَن سَخِطَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِمۡ وَفِي ٱلۡعَذَابِ هُمۡ خَٰلِدُونَ
Ho hitanao ny maro amin’izy ireo maka ho mpiahy ireo izay tsy nino. Tena ratsy tokoa izay natolotr’izy ireo ho an’ny tenany ka niharan’ny hatezeran’I Allah izy ireo ary hitoetra ao anatin’ny sazy mandrakizay izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَوۡ كَانُواْ يُؤۡمِنُونَ بِٱللَّهِ وَٱلنَّبِيِّ وَمَآ أُنزِلَ إِلَيۡهِ مَا ٱتَّخَذُوهُمۡ أَوۡلِيَآءَ وَلَٰكِنَّ كَثِيرٗا مِّنۡهُمۡ فَٰسِقُونَ
Ary raha nino an’I Allah sy ny Mpaminany ary izay nampidinina taminy izy ireo dia tsy nandray ireo tsy mpino ho mpiahy velively izy ireo. Kanefa maro amin’izy ireo no mpanao asa ratsy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ لَتَجِدَنَّ أَشَدَّ ٱلنَّاسِ عَدَٰوَةٗ لِّلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱلۡيَهُودَ وَٱلَّذِينَ أَشۡرَكُواْۖ وَلَتَجِدَنَّ أَقۡرَبَهُم مَّوَدَّةٗ لِّلَّذِينَ ءَامَنُواْ ٱلَّذِينَ قَالُوٓاْ إِنَّا نَصَٰرَىٰۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّ مِنۡهُمۡ قِسِّيسِينَ وَرُهۡبَانٗا وَأَنَّهُمۡ لَا يَسۡتَكۡبِرُونَ
Ho hitanao fa ny olona tena mandray ireo izay mino ho fahavalo dia ny jiosy sy ireo izay manompo sampy. Ary ho hitanao fa ireo izay tena akaiky ireo mpino amin’ny fifankatiavana dia ireo izay miteny hoe : “Izahay dia kristianina”. Izany dia satria misy amin’izy ireo no pretra na pasitora, sy relijiozy, ary tsy manambony tena mihitsy izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِذَا سَمِعُواْ مَآ أُنزِلَ إِلَى ٱلرَّسُولِ تَرَىٰٓ أَعۡيُنَهُمۡ تَفِيضُ مِنَ ٱلدَّمۡعِ مِمَّا عَرَفُواْ مِنَ ٱلۡحَقِّۖ يَقُولُونَ رَبَّنَآ ءَامَنَّا فَٱكۡتُبۡنَا مَعَ ٱلشَّٰهِدِينَ
Ary rehefa maheno izay nampidinina tamin’ilay Iraka izy ireo, dia hitanao fa kotsan-dranomaso ny mason’izy ireo noho ny fahafantaran’izy ireo ny fahamarinana. Miteny izy ireo hoe : "Ry Tomponay o! Mino izahay ka soraty miaraka amin’ireo mpijoro vavolombelona izahay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-মায়িদাহ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ