Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-জাছিয়াহ   আয়াত:
أَفَرَءَيۡتَ مَنِ ٱتَّخَذَ إِلَٰهَهُۥ هَوَىٰهُ وَأَضَلَّهُ ٱللَّهُ عَلَىٰ عِلۡمٖ وَخَتَمَ عَلَىٰ سَمۡعِهِۦ وَقَلۡبِهِۦ وَجَعَلَ عَلَىٰ بَصَرِهِۦ غِشَٰوَةٗ فَمَن يَهۡدِيهِ مِنۢ بَعۡدِ ٱللَّهِۚ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ
Hitanao va ilay naka ny sitra-pony ho tompony? Ary dia nian’Allah ny nahavery azy, ka nahidiny ny fandrenesany sy ny fony, ary nasiany takona ny masony. Iza àry no hitari-dàlana azy aorian’i Allah? Tsy tsaronareo va izany?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالُواْ مَا هِيَ إِلَّا حَيَاتُنَا ٱلدُّنۡيَا نَمُوتُ وَنَحۡيَا وَمَا يُهۡلِكُنَآ إِلَّا ٱلدَّهۡرُۚ وَمَا لَهُم بِذَٰلِكَ مِنۡ عِلۡمٍۖ إِنۡ هُمۡ إِلَّا يَظُنُّونَ
Ary hoy izy ireo: “Tsy misy afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ny anay, ho faty izahay ary ho velona, fa ny fotoana no hahafaty anay.” Tsy manam-pahalalana ny amin’izany mihitsy izy ireo, fa manombatombana ihany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُنَا بَيِّنَٰتٖ مَّا كَانَ حُجَّتَهُمۡ إِلَّآ أَن قَالُواْ ٱئۡتُواْ بِـَٔابَآئِنَآ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ
Fa rehefa ambara amin’izy ireo ny andinin'ny mazava tsara avy Aminay, dia izao ihany no fanohan-kevitra hoteniny: “Avereno ireo razam-benay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلِ ٱللَّهُ يُحۡيِيكُمۡ ثُمَّ يُمِيتُكُمۡ ثُمَّ يَجۡمَعُكُمۡ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ لَا رَيۡبَ فِيهِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ
Lazao hoe : “Allah no manome fahavelomana anareo, avy eo, dia hampisedra fahafatesana anareo. Manaraka izany, dia havoriny ianareo amin’ny andro fitsanganana, tsy isalasalana ny amin’izany, nefa tsy mahafantatra ny ankamaroan’ny olona".
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَيَوۡمَ تَقُومُ ٱلسَّاعَةُ يَوۡمَئِذٖ يَخۡسَرُ ٱلۡمُبۡطِلُونَ
An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany, ary amin’ny andro hiavian’ilay Ora, dia ho maty antoka ireo pisandoka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَتَرَىٰ كُلَّ أُمَّةٖ جَاثِيَةٗۚ كُلُّ أُمَّةٖ تُدۡعَىٰٓ إِلَىٰ كِتَٰبِهَا ٱلۡيَوۡمَ تُجۡزَوۡنَ مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Ary ho hitanao handohalika ny vahoaka tsirairay, ka antsoina ho any amin’ny bokiny avokoa izy ireo. Androany, dia ho valiana araka izay nataonareo ianareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
هَٰذَا كِتَٰبُنَا يَنطِقُ عَلَيۡكُم بِٱلۡحَقِّۚ إِنَّا كُنَّا نَسۡتَنسِخُ مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ
Indro ny Bokinay. Miresaka anareo amim-pahamarinana izy, satria nosoratanay izay rehetra nataonareo.”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فَيُدۡخِلُهُمۡ رَبُّهُمۡ فِي رَحۡمَتِهِۦۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡمُبِينُ
Izay nino sy nanao asa soa dia hampidirin’ny Tompony amin’ny famindram-pony. Izany dia fahombiazana miharihary.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَمَّا ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَفَلَمۡ تَكُنۡ ءَايَٰتِي تُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡ فَٱسۡتَكۡبَرۡتُمۡ وَكُنتُمۡ قَوۡمٗا مُّجۡرِمِينَ
Fa ny amin’ireo izay tsy mino kosa: “Tsy novakiana taminareo va ireo andininy avy aty Amiko? Saingy nampiseho fireharehana ianareo, sady olona mpanao ratsy.”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِذَا قِيلَ إِنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقّٞ وَٱلسَّاعَةُ لَا رَيۡبَ فِيهَا قُلۡتُم مَّا نَدۡرِي مَا ٱلسَّاعَةُ إِن نَّظُنُّ إِلَّا ظَنّٗا وَمَا نَحۡنُ بِمُسۡتَيۡقِنِينَ
Fa rehefa nolazaina hoe: “Marina ny fampanantenan’I Allah; ary tsy isalasalana ny amin’ilay Ora”, “Tsy fantatray izany Ora izany” hoy ianareo; “ary vinavina ihany no ataonay amin’izany, sady tsy resy lahatra amin’izany izahay.”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-জাছিয়াহ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ