Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ফুচ্ছিলাত   আয়াত:

Fosswilat

حمٓ
Hà, Mîm.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
تَنزِيلٞ مِّنَ ٱلرَّحۡمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
Fanambarana nidina avy tamin’Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
كِتَٰبٞ فُصِّلَتۡ ءَايَٰتُهُۥ قُرۡءَانًا عَرَبِيّٗا لِّقَوۡمٖ يَعۡلَمُونَ
Boky misy andininy izay voalaza amin’ny antsipirihany, Koroany amin’ny fiteny arabo, ho an’ireo vahoaka mahafantatra izany,
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
بَشِيرٗا وَنَذِيرٗا فَأَعۡرَضَ أَكۡثَرُهُمۡ فَهُمۡ لَا يَسۡمَعُونَ
Mpilaza vaovao mahafaly sy mpampitandrina. Nefa ny ankamaroan’izy ireo, dia nihataka izany, ka tsy mandre izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالُواْ قُلُوبُنَا فِيٓ أَكِنَّةٖ مِّمَّا تَدۡعُونَآ إِلَيۡهِ وَفِيٓ ءَاذَانِنَا وَقۡرٞ وَمِنۢ بَيۡنِنَا وَبَيۡنِكَ حِجَابٞ فَٱعۡمَلۡ إِنَّنَا عَٰمِلُونَ
Ary hoy izy ireo hoe : “ takona amin’izay hiantsoanao anay ny fonay, ary marenina ny sofinay. Misy sakana manelanelana anay sy ianao. Ka ataovy àry izay ataonao, fa izahay kosa dia hanao izay ataonay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلۡ إِنَّمَآ أَنَا۠ بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡ يُوحَىٰٓ إِلَيَّ أَنَّمَآ إِلَٰهُكُمۡ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞ فَٱسۡتَقِيمُوٓاْ إِلَيۡهِ وَٱسۡتَغۡفِرُوهُۗ وَوَيۡلٞ لِّلۡمُشۡرِكِينَ
Lazao hoe: “tsy inona izaho, fa olombelona tahaka anareo ihany. Nambara tamiko, fa tokana ny Zanaharinareo. Koa tadiavo ny lalana mahitsy mankany Aminy, ary mangataha famelan-keloka Aminy ianareo”. Fa loza ho an’izay mampikambana Azy amin’ny hafa,
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱلَّذِينَ لَا يُؤۡتُونَ ٱلزَّكَوٰةَ وَهُم بِٱلۡأٓخِرَةِ هُمۡ كَٰفِرُونَ
Izay tsy manome ny harena fiantrana, ary tsy mino ny fiainana any ankoatra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُمۡ أَجۡرٌ غَيۡرُ مَمۡنُونٖ
Hamafisina, fa ireo izay mino sy manatanteraka ny asa soa kosa, dia ho azy ireo ny valisoa tsy hanana fahataperana.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ قُلۡ أَئِنَّكُمۡ لَتَكۡفُرُونَ بِٱلَّذِي خَلَقَ ٱلۡأَرۡضَ فِي يَوۡمَيۡنِ وَتَجۡعَلُونَ لَهُۥٓ أَندَادٗاۚ ذَٰلِكَ رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ
Lazao hoe : “ Ho lavinareo ve Ilay nahary ny tany tao anatin’ny roa andro, ka hampitovianareo amin’ny hafa ve Izy ? Izany no Ilay Tompon’izao Tontolo izao,
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَجَعَلَ فِيهَا رَوَٰسِيَ مِن فَوۡقِهَا وَبَٰرَكَ فِيهَا وَقَدَّرَ فِيهَآ أَقۡوَٰتَهَا فِيٓ أَرۡبَعَةِ أَيَّامٖ سَوَآءٗ لِّلسَّآئِلِينَ
Ary Izy no nampitoetra ireo tendrombohitra eo amboniny (tany), sy nitsodrano azy, ka nametraka vokatra ara-tsakafo nandritra ny efatra andro katroka, mamaly ny filan’ireo rehetra izay mangataka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ثُمَّ ٱسۡتَوَىٰٓ إِلَى ٱلسَّمَآءِ وَهِيَ دُخَانٞ فَقَالَ لَهَا وَلِلۡأَرۡضِ ٱئۡتِيَا طَوۡعًا أَوۡ كَرۡهٗا قَالَتَآ أَتَيۡنَا طَآئِعِينَ
Avy eo dia niroso tamin’ny fihariana ny lanitra Izy izay mbola setroka fotsiny tamin’izany, ka niteny taminy sy tamin’ny tany hoe : “ Avia avokoa ianareo roa, na tianareo, na tsy tianareo!”. Dia samy niteny izy roa hoe: “Tonga amim-panekena izahay ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: ফুচ্ছিলাত
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ