Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: গাফিৰ   আয়াত:
۞ وَيَٰقَوۡمِ مَا لِيٓ أَدۡعُوكُمۡ إِلَى ٱلنَّجَوٰةِ وَتَدۡعُونَنِيٓ إِلَى ٱلنَّارِ
Ô ry vahoakako! Inona no mahatonga ahy hiantso anareo ho any amin’ny famonjena, nefa ianareo miantso ahy ho any amin’ny afo ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
تَدۡعُونَنِي لِأَكۡفُرَ بِٱللَّهِ وَأُشۡرِكَ بِهِۦ مَا لَيۡسَ لِي بِهِۦ عِلۡمٞ وَأَنَا۠ أَدۡعُوكُمۡ إِلَى ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡغَفَّٰرِ
Tarihinareo tsy hino an’I Allah aho, ka hampitambatra Azy amin’ny hafa izay tsy ananako fahalalana, nefa ianareo dia antsoiko ho any amin’Ilay Tsitoha, Ilay fatra mpamela heloka.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لَا جَرَمَ أَنَّمَا تَدۡعُونَنِيٓ إِلَيۡهِ لَيۡسَ لَهُۥ دَعۡوَةٞ فِي ٱلدُّنۡيَا وَلَا فِي ٱلۡأٓخِرَةِ وَأَنَّ مَرَدَّنَآ إِلَى ٱللَّهِ وَأَنَّ ٱلۡمُسۡرِفِينَ هُمۡ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِ
Tsy hisalasalana, fa ireo izay iantsoanareo ahy, dia tsy afaka hamaly antso, na ety an-tany na any ankoatra. Ary hamafisina, fa any amin’I Allah ny hiverenantsika, fa ireo mpihoam-pefy kosa, dia izy ireo no olon’ny afo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَسَتَذۡكُرُونَ مَآ أَقُولُ لَكُمۡۚ وَأُفَوِّضُ أَمۡرِيٓ إِلَى ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ بَصِيرُۢ بِٱلۡعِبَادِ
Tsy ho ela dia ho tsaroanareo izay ambarako anareo, ary dia ankiniko amin’I Allah ny momba ahy. Fa mahita ireo mpanompony tokoa I Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَوَقَىٰهُ ٱللَّهُ سَيِّـَٔاتِ مَا مَكَرُواْۖ وَحَاقَ بِـَٔالِ فِرۡعَوۡنَ سُوٓءُ ٱلۡعَذَابِ
Dia niarovan’I Allah izy tamin’ny teti-dratsin’izy ireo, efa nanodidina ireo olon’i Faraona kosa ny famaizana ratsy indrindra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ٱلنَّارُ يُعۡرَضُونَ عَلَيۡهَا غُدُوّٗا وَعَشِيّٗاۚ وَيَوۡمَ تَقُومُ ٱلسَّاعَةُ أَدۡخِلُوٓاْ ءَالَ فِرۡعَوۡنَ أَشَدَّ ٱلۡعَذَابِ
Ny afo no handoro azy ireo marain-tsy hariva. Ary amin’ny andro hahatongavan’ilay ora (hilazan’ireo Anjely) hoe: “ampidiro ireo olon’i Faraona amin’ny famaizana mafy indrindra”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِذۡ يَتَحَآجُّونَ فِي ٱلنَّارِ فَيَقُولُ ٱلضُّعَفَٰٓؤُاْ لِلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُوٓاْ إِنَّا كُنَّا لَكُمۡ تَبَعٗا فَهَلۡ أَنتُم مُّغۡنُونَ عَنَّا نَصِيبٗا مِّنَ ٱلنَّارِ
Ary rehefa hifanditra ao anaty afo izy ireo, dia hiteny amin’ireo mpirehareha ireo osa hoe : “ nanaraka anareo izahay, ka moa afaka hiaro anay amin’ny ampahan’ny afo ve ianareo ? ”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قَالَ ٱلَّذِينَ ٱسۡتَكۡبَرُوٓاْ إِنَّا كُلّٞ فِيهَآ إِنَّ ٱللَّهَ قَدۡ حَكَمَ بَيۡنَ ٱلۡعِبَادِ
Dia hiteny ireo mpanambon'ny tena hoe : “ hamafisina, fa isika rehetra dia samy ato anatiny daholo ”. Efa namoaka didim-pitsarana ho an’ireo mpanompony I Allah.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالَ ٱلَّذِينَ فِي ٱلنَّارِ لِخَزَنَةِ جَهَنَّمَ ٱدۡعُواْ رَبَّكُمۡ يُخَفِّفۡ عَنَّا يَوۡمٗا مِّنَ ٱلۡعَذَابِ
Ka hiteny amin’ireo mpiambina ny afobe ireo izay ao anatin’ny afobe hoe : “Angataho ny Tomponareo, mba hanalefaka aminay ny famaizana indray andro fotsiny ”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: গাফিৰ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ