Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: লুক্বমান   আয়াত:
أَلَمۡ تَرَوۡاْ أَنَّ ٱللَّهَ سَخَّرَ لَكُم مَّا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَأَسۡبَغَ عَلَيۡكُمۡ نِعَمَهُۥ ظَٰهِرَةٗ وَبَاطِنَةٗۗ وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يُجَٰدِلُ فِي ٱللَّهِ بِغَيۡرِ عِلۡمٖ وَلَا هُدٗى وَلَا كِتَٰبٖ مُّنِيرٖ
Moa ve tsy hitanareo fa Allah dia nanao ho eo ambany fahefanareo izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ny ety an-tany ? Ary natobany eo aminareo ireo fahasoavany, na ny hita maso izany, na ny tsy hita maso. Ary misy amin’ireo olombelona no miady hevitra mahakasika an’i Allah, tsy amim-pahalalàna na tari-dàlana, na koa boky mazava.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِذَا قِيلَ لَهُمُ ٱتَّبِعُواْ مَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ قَالُواْ بَلۡ نَتَّبِعُ مَا وَجَدۡنَا عَلَيۡهِ ءَابَآءَنَآۚ أَوَلَوۡ كَانَ ٱلشَّيۡطَٰنُ يَدۡعُوهُمۡ إِلَىٰ عَذَابِ ٱلسَّعِيرِ
Ary raha tenenina izy ireo hoe : “Arahanareo izay nampidinin’i Allah”, miteny izy ireo hoe : “Manaraka izay hitanay tamin’ny razambenay izahay”. Fa na dia ny satana aza ve no miantso azy ireo ho amin’ny famaizana mandoro mamaivay ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ وَمَن يُسۡلِمۡ وَجۡهَهُۥٓ إِلَى ٱللَّهِ وَهُوَ مُحۡسِنٞ فَقَدِ ٱسۡتَمۡسَكَ بِٱلۡعُرۡوَةِ ٱلۡوُثۡقَىٰۗ وَإِلَى ٱللَّهِ عَٰقِبَةُ ٱلۡأُمُورِ
Ary n'iza n'iza manetry tena eo amin’i Allah sady mpanao asa soa, dia efa nifikitra tanteraka amin’ny tahon-javatra mafy tokoa, fa any amin’i Allah no fiafaran-java-drehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمَن كَفَرَ فَلَا يَحۡزُنكَ كُفۡرُهُۥٓۚ إِلَيۡنَا مَرۡجِعُهُمۡ فَنُنَبِّئُهُم بِمَا عَمِلُوٓاْۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ
Fa ireo izay tsy mino kosa, aoka tsy hampalahelo anao ny tsy finoany, aty Aminay no hiverenan’izy ireo, ka holazainay azy ireo, izay nataony rehetra. Marina fa Allah dia tena mahafantatra izay raiketin’ny fo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
نُمَتِّعُهُمۡ قَلِيلٗا ثُمَّ نَضۡطَرُّهُمۡ إِلَىٰ عَذَابٍ غَلِيظٖ
Omenay fahafinaretana kely izy ireo, avy eo dia terenay mankany amin’ny famaizana mahery vaika izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَئِن سَأَلۡتَهُم مَّنۡ خَلَقَ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ لَيَقُولُنَّ ٱللَّهُۚ قُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِۚ بَلۡ أَكۡثَرُهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ
Raha manontany azy ireo ianao hoe : “Iza no nahary ireo lanitra sy ny tany ?”. Hiteny izy ireo hoe : “Allah !”. Teneno hoe : “Dera anie ho an’i Allah ! ”. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
لِلَّهِ مَا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّ ٱللَّهَ هُوَ ٱلۡغَنِيُّ ٱلۡحَمِيدُ
An’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany. Marina fa i Allah Ilay manana ny ampy, Ilay mendri-piderana !
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَوۡ أَنَّمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ مِن شَجَرَةٍ أَقۡلَٰمٞ وَٱلۡبَحۡرُ يَمُدُّهُۥ مِنۢ بَعۡدِهِۦ سَبۡعَةُ أَبۡحُرٖ مَّا نَفِدَتۡ كَلِمَٰتُ ٱللَّهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٌ حَكِيمٞ
Ary raha ny hazo rehetra eto an-tany havadika ho penina, ary koa ho lasa rano mainty ny ranomasina, ka mbola miampy ranomasina fito hafa indray taorian’izany dia tsy ho tapitra ireo tenin’i Allah. Satria Allah no Ilay Tsitoha sy be Fahendrena.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
مَّا خَلۡقُكُمۡ وَلَا بَعۡثُكُمۡ إِلَّا كَنَفۡسٖ وَٰحِدَةٍۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَمِيعُۢ بَصِيرٌ
Tsy inona ny fahariana anareo sy ny fitsangananareo amin’ny maty afa-tsy toy ny fanahy iray ihany. Marina fa Allah no Ilay Maheno sy Ilay Mahita ny zava-drehetra.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: লুক্বমান
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ