Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-মু'মিনূন   আয়াত:
مَا تَسۡبِقُ مِنۡ أُمَّةٍ أَجَلَهَا وَمَا يَسۡتَـٔۡخِرُونَ
Tsy misy vondron’olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ثُمَّ أَرۡسَلۡنَا رُسُلَنَا تَتۡرَاۖ كُلَّ مَا جَآءَ أُمَّةٗ رَّسُولُهَا كَذَّبُوهُۖ فَأَتۡبَعۡنَا بَعۡضَهُم بَعۡضٗا وَجَعَلۡنَٰهُمۡ أَحَادِيثَۚ فَبُعۡدٗا لِّقَوۡمٖ لَّا يُؤۡمِنُونَ
Manarak'izany dia nandefa nifanesy ireo Irakay Izahay. Ka isaky ny tonga amin’ny vahoakany ny Iraka iray, dia lazain’izy ireo ho mpandainga. Ary nampifandimbiasanay ny fandringanana azy ireo, ka nataonay ho tantara izy ireo. Horingana avokoa anie ireo vahoaka tsy mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
ثُمَّ أَرۡسَلۡنَا مُوسَىٰ وَأَخَاهُ هَٰرُونَ بِـَٔايَٰتِنَا وَسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٍ
Avy eo dia nalefanay i Mosesy sy ny rahalahin'i Harona niaraka tamin’ireo fahagagana sy ny porofo miharihary,
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِۦ فَٱسۡتَكۡبَرُواْ وَكَانُواْ قَوۡمًا عَالِينَ
Ho any amin’i Faraona sy ny loholony, ka niavonavona izy ireo. Vahoaka feno fianjoanjonana izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَقَالُوٓاْ أَنُؤۡمِنُ لِبَشَرَيۡنِ مِثۡلِنَا وَقَوۡمُهُمَا لَنَا عَٰبِدُونَ
Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino ireo lehilahy roa mitovy aminay izahay, nefa ny vahoakan'izy ireo dia andevonay ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَكَذَّبُوهُمَا فَكَانُواْ مِنَ ٱلۡمُهۡلَكِينَ
Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga izy roa lahy, dia lasa anisan’ireo ringana tanteraka izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ لَعَلَّهُمۡ يَهۡتَدُونَ
Ary tena nomenay an’i Mosesy ny Boky (Tora), angamba hiroso amin’ny làlana mahitsy izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَجَعَلۡنَا ٱبۡنَ مَرۡيَمَ وَأُمَّهُۥٓ ءَايَةٗ وَءَاوَيۡنَٰهُمَآ إِلَىٰ رَبۡوَةٖ ذَاتِ قَرَارٖ وَمَعِينٖ
Ary nataonay ho fahagagana tena miavaka ny zanak’i Maria (Jesosy) sy ny reniny (Maria), ka nomenay fialofana izy roa teny ambony havoana feno fitoniana, sady misy loharano.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
يَٰٓأَيُّهَا ٱلرُّسُلُ كُلُواْ مِنَ ٱلطَّيِّبَٰتِ وَٱعۡمَلُواْ صَٰلِحًاۖ إِنِّي بِمَا تَعۡمَلُونَ عَلِيمٞ
Ô ianareo Iraka ! Mihinana ianareo amin’ireo zavatra tsy voarara sy madio. Ary manaova ny tsara, satria tena mahafantatra izay rehetra ataonareo Aho.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِنَّ هَٰذِهِۦٓ أُمَّتُكُمۡ أُمَّةٗ وَٰحِدَةٗ وَأَنَا۠ رَبُّكُمۡ فَٱتَّقُونِ
Ary tena marina, fa ity vahoakanareo ity, dia vahoaka tokana ihany, Izaho irery no Tomponareo. Ka matahora Ahy àry ianareo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَتَقَطَّعُوٓاْ أَمۡرَهُم بَيۡنَهُمۡ زُبُرٗاۖ كُلُّ حِزۡبِۭ بِمَا لَدَيۡهِمۡ فَرِحُونَ
Nefa dia nizarazara ho antoko-pinoana maro izy ireo, ka isaky ny antoko-pinoana dia finaritra amin’izay eo am-pelatànany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَذَرۡهُمۡ فِي غَمۡرَتِهِمۡ حَتَّىٰ حِينٍ
Avelao izy ireo, amin’ny fahaverezany mandritra ny fotoana vitsivitsy.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
أَيَحۡسَبُونَ أَنَّمَا نُمِدُّهُم بِهِۦ مِن مَّالٖ وَبَنِينَ
Mihevitra ve izy ireo, fa izay omenay azy ireo amin’ny harena sy zanaka,
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
نُسَارِعُ لَهُمۡ فِي ٱلۡخَيۡرَٰتِۚ بَل لَّا يَشۡعُرُونَ
Dia ho fanafaingananay ho azy ireo amin’ny fanaovana ireo hatsarana ? Nefa tsy izany, fa izy ireo dia tsy mahatsiaro tena.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِنَّ ٱلَّذِينَ هُم مِّنۡ خَشۡيَةِ رَبِّهِم مُّشۡفِقُونَ
Marina fa ireo izay feno fatahorana ny Tompony, dia fatra mpitandrina.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ هُم بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِمۡ يُؤۡمِنُونَ
Sy ireo izay mino ireo fanambaran’ny Tompon'izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ هُم بِرَبِّهِمۡ لَا يُشۡرِكُونَ
Sy ireo izay tsy manakambana ny Tompony na amin’inona na amin’inona.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-মু'মিনূন
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ