Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আম্বীয়া   আয়াত:
وَمِنَ ٱلشَّيَٰطِينِ مَن يَغُوصُونَ لَهُۥ وَيَعۡمَلُونَ عَمَلٗا دُونَ ذَٰلِكَۖ وَكُنَّا لَهُمۡ حَٰفِظِينَ
Ary misy amin’ireo Satana no misitrika (any an-dranomasina) miasa ho azy, ary manao asa hafa ankoatr'izany, Ary marina fa Izahay ihany no mpiaro azy ireny.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
۞ وَأَيُّوبَ إِذۡ نَادَىٰ رَبَّهُۥٓ أَنِّي مَسَّنِيَ ٱلضُّرُّ وَأَنتَ أَرۡحَمُ ٱلرَّٰحِمِينَ
Ary i Joba, raha nitalaho tamin’ny Tompony izy nanao hoe : “Efa nianjady tamiko avokoa ny ratsy, nefa Ianao Ilay be Indrafo indrindra amin’ireo Mpamindra-fo !”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَٱسۡتَجَبۡنَا لَهُۥ فَكَشَفۡنَا مَا بِهِۦ مِن ضُرّٖۖ وَءَاتَيۡنَٰهُ أَهۡلَهُۥ وَمِثۡلَهُم مَّعَهُمۡ رَحۡمَةٗ مِّنۡ عِندِنَا وَذِكۡرَىٰ لِلۡعَٰبِدِينَ
Dia nekenay ny fangatahany, ka noesorinay ny ratsy nihatra taminy ary naverinay taminy indray ny fianakaviany ary mbola nampinay mitovy amin’izany nohon'ny famindram-po avy aty Aminay ary ho fampahatsiahivana ho an’ireo mpanompo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِسۡمَٰعِيلَ وَإِدۡرِيسَ وَذَا ٱلۡكِفۡلِۖ كُلّٞ مِّنَ ٱلصَّٰبِرِينَ
Ary i Ismael sy Idris ary Zolkifl, samy anisan’ireo manam-paharetana avokoa.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَأَدۡخَلۡنَٰهُمۡ فِي رَحۡمَتِنَآۖ إِنَّهُم مِّنَ ٱلصَّٰلِحِينَ
Ary nampidirinay ao anatin’ny famindram-ponay izy ireo satria tena marina fa anisan’ireo olo-mendrika.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَذَا ٱلنُّونِ إِذ ذَّهَبَ مُغَٰضِبٗا فَظَنَّ أَن لَّن نَّقۡدِرَ عَلَيۡهِ فَنَادَىٰ فِي ٱلظُّلُمَٰتِ أَن لَّآ إِلَٰهَ إِلَّآ أَنتَ سُبۡحَٰنَكَ إِنِّي كُنتُ مِنَ ٱلظَّٰلِمِينَ
Ary i Jonasy raha nandeha an-katezerana izy ; noheveriny fa tsy afaka hanao na inona na inona aminy Izahay. Ka nitalaho tao anatin’ny haizim-pito izy hoe :“Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Ianao. Voninahitra anie ho Anao ! Tena marina fa isan’ireo nanao ny tsy rariny tokoa aho”.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَٱسۡتَجَبۡنَا لَهُۥ وَنَجَّيۡنَٰهُ مِنَ ٱلۡغَمِّۚ وَكَذَٰلِكَ نُـۨجِي ٱلۡمُؤۡمِنِينَ
Novalianay ny fangatahany, ary navotanay izy tamin'ny fahoriana izay nianjady taminy. Ary toy izany no hanavotanay ireo mpino.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَزَكَرِيَّآ إِذۡ نَادَىٰ رَبَّهُۥ رَبِّ لَا تَذَرۡنِي فَرۡدٗا وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلۡوَٰرِثِينَ
Ary i Zakaria, raha nitalaho tamin’ny Tompony izy hoe : “Tompo o ! Aza avelanao ho irery aho, fa Ianao no mendrika indrindra amin’ireo mpandova !”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَٱسۡتَجَبۡنَا لَهُۥ وَوَهَبۡنَا لَهُۥ يَحۡيَىٰ وَأَصۡلَحۡنَا لَهُۥ زَوۡجَهُۥٓۚ إِنَّهُمۡ كَانُواْ يُسَٰرِعُونَ فِي ٱلۡخَيۡرَٰتِ وَيَدۡعُونَنَا رَغَبٗا وَرَهَبٗاۖ وَكَانُواْ لَنَا خَٰشِعِينَ
Novalianay ny fangatahany ka nomenay an'i Jaona izy ary nataony hifanambina aminy ny vadiny (nomenay zanaka). Marina fa nihazakazaka tamin'ny fanaovana ny tsara izy ireo, ary nitalaho taminay amim-pitiavana sy amim-patahorana. Ary nanetri-tena teo anatrehanay izy ireo.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-আম্বীয়া
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ