Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-বাক্বাৰাহ   আয়াত:
أَوَلَا يَعۡلَمُونَ أَنَّ ٱللَّهَ يَعۡلَمُ مَا يُسِرُّونَ وَمَا يُعۡلِنُونَ
Moa ve tsy fantatr'izy ireo anefa fa Allah dia mahafantatra tsara izay afenin’izy ireo sy izay abaribariny ?
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَمِنۡهُمۡ أُمِّيُّونَ لَا يَعۡلَمُونَ ٱلۡكِتَٰبَ إِلَّآ أَمَانِيَّ وَإِنۡ هُمۡ إِلَّا يَظُنُّونَ
Ary misy amin'izy ireo no tsy mahay mamaky teny sy manoratra; tsy mahalala akory momba ilay boky; afa-tsy manao an-kambo fotsiny; ary izy ireo tsy manao afa-tsy ny maminavina ihany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
فَوَيۡلٞ لِّلَّذِينَ يَكۡتُبُونَ ٱلۡكِتَٰبَ بِأَيۡدِيهِمۡ ثُمَّ يَقُولُونَ هَٰذَا مِنۡ عِندِ ٱللَّهِ لِيَشۡتَرُواْ بِهِۦ ثَمَنٗا قَلِيلٗاۖ فَوَيۡلٞ لَّهُم مِّمَّا كَتَبَتۡ أَيۡدِيهِمۡ وَوَيۡلٞ لَّهُم مِّمَّا يَكۡسِبُونَ
Ka loza ho an'ireo izay manoratra ny boky amin'ny tanany dia milaza avy eo hoe : " Ity dia avy amin'i Allah "; mba hahazoan'izy ireo tombontsoa kely ho takalon'izany. ka loza ho azy ireo noho ny zavatra nosoratan'ny tanany; ary loza ho azy ireo amin'izay tambiny azon'izy ireo amin'izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَقَالُواْ لَن تَمَسَّنَا ٱلنَّارُ إِلَّآ أَيَّامٗا مَّعۡدُودَةٗۚ قُلۡ أَتَّخَذۡتُمۡ عِندَ ٱللَّهِ عَهۡدٗا فَلَن يُخۡلِفَ ٱللَّهُ عَهۡدَهُۥٓۖ أَمۡ تَقُولُونَ عَلَى ٱللَّهِ مَا لَا تَعۡلَمُونَ
Ary niteny izy ireo hoe : " Tsy ho voakasiky ny Afobe velively izahay; afa-tsy andro vitsivitsy azo isaina ". Lazao hoe : " Nahazo fampanantenana avy tamin'i Allah ve ianareo; fa (raha izany) Allah dia tsy hivadika mihitsy amin'ny fampanantenany; sa ianareo miteny mikasika an'i Allah zavatra izay tsy fantatrareo ? ".
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
بَلَىٰۚ مَن كَسَبَ سَيِّئَةٗ وَأَحَٰطَتۡ بِهِۦ خَطِيٓـَٔتُهُۥ فَأُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلنَّارِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Tsy araka izany anefa! Izay nisafidy ny hanao ratsy ary ny fahadisoany dia mbola mamatotra azy, izy ireo indrindra no
olon’ny afobe ka hitoetra ao mandrakizay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ أُوْلَٰٓئِكَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡجَنَّةِۖ هُمۡ فِيهَا خَٰلِدُونَ
Fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa, dia izy ireny no olon'ny Paradisa; hitoetra ao mandrakizay.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَإِذۡ أَخَذۡنَا مِيثَٰقَ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ لَا تَعۡبُدُونَ إِلَّا ٱللَّهَ وَبِٱلۡوَٰلِدَيۡنِ إِحۡسَانٗا وَذِي ٱلۡقُرۡبَىٰ وَٱلۡيَتَٰمَىٰ وَٱلۡمَسَٰكِينِ وَقُولُواْ لِلنَّاسِ حُسۡنٗا وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ ثُمَّ تَوَلَّيۡتُمۡ إِلَّا قَلِيلٗا مِّنكُمۡ وَأَنتُم مُّعۡرِضُونَ
Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena tamin'ireo zanak'Israely Izahay hoe : " Tsy hanompo afa-tsy Allah ianareo, ary aoka ianareo hanao tsara amin'ireo ray aman-dreny, ary amin'ireo fianakaviana sy ireo kamboty ary ireo olona sahirana; ary manaova teny mendrika amin'olona sy manangàna Soalat ary mamoaha Zakat ianareo ". Avy teo dia nivadika ianareo afa-tsy olom-bitsy taminareo ihany, ary nomenareo lamosina izany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-বাক্বাৰাহ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ