Check out the new design

আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ * - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ


অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-কাহাফ   আয়াত:
وَكَذَٰلِكَ أَعۡثَرۡنَا عَلَيۡهِمۡ لِيَعۡلَمُوٓاْ أَنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقّٞ وَأَنَّ ٱلسَّاعَةَ لَا رَيۡبَ فِيهَآ إِذۡ يَتَنَٰزَعُونَ بَيۡنَهُمۡ أَمۡرَهُمۡۖ فَقَالُواْ ٱبۡنُواْ عَلَيۡهِم بُنۡيَٰنٗاۖ رَّبُّهُمۡ أَعۡلَمُ بِهِمۡۚ قَالَ ٱلَّذِينَ غَلَبُواْ عَلَىٰٓ أَمۡرِهِمۡ لَنَتَّخِذَنَّ عَلَيۡهِم مَّسۡجِدٗا
Ary noho izany, dia nataonay ho aseho izy ireo mba ahafantaran’ireo (olona tao amin’ny tanàna) fa ny fampanantenan’I Allah dia tena marina tokoa ary marina fa ny ora dia tsy hisalasalana ny momba izany. Dia niady hevitra izy ireo (ireo olona tao amin’ny tanàna) ny mikasika azy ireo (olon’ny lava-bato), ka niteny izy ireo nanao hoe : “Hanorenanareo fonenana eo ambonin’izy ireo”. Ny Tompon’izy ireo no tena mahalala tokoa an'izy ireo. Niteny ireo izay nandresy (tamin’ny ady hevitra) momba azy ireo nanao hoe : “Tena hataontsika toeram-pivavahana eo ambonin’izy ireo."
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
سَيَقُولُونَ ثَلَٰثَةٞ رَّابِعُهُمۡ كَلۡبُهُمۡ وَيَقُولُونَ خَمۡسَةٞ سَادِسُهُمۡ كَلۡبُهُمۡ رَجۡمَۢا بِٱلۡغَيۡبِۖ وَيَقُولُونَ سَبۡعَةٞ وَثَامِنُهُمۡ كَلۡبُهُمۡۚ قُل رَّبِّيٓ أَعۡلَمُ بِعِدَّتِهِم مَّا يَعۡلَمُهُمۡ إِلَّا قَلِيلٞۗ فَلَا تُمَارِ فِيهِمۡ إِلَّا مِرَآءٗ ظَٰهِرٗا وَلَا تَسۡتَفۡتِ فِيهِم مِّنۡهُمۡ أَحَدٗا
Hiteny izy ireo hanao hoe : “Telo izy ireo, ny alikany no faha efany”. Ary hiteny ny sasany hanao hoe : “Dimy izy ireo, ny alikany no faha eniny”, vinavina momba ny zava-miafina fotsiny. Ary mbola hiteny koa ny hafa hanao hoe : “Fito izy ireo ary ny alikany no faha valony”. Teneno hoe : “Ny Tompoko ihany no tena mahafantatra ny isan’izy ireo. Tsy misy mahafantatra azy ireo afa-tsy ny vitsy an'isa ihany”. Koa aza miady hevitra ny momba azy ireo ianao, raha tsy ady hevitra amin’ny endrika ivelany ihany ary aza manontany na iza na iza amin’izy ireo momba azy ireo (olon’ny lava-bato) ianao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَا تَقُولَنَّ لِشَاْيۡءٍ إِنِّي فَاعِلٞ ذَٰلِكَ غَدًا
Ary aza milaza amin'iza na iza amin'izay hataonao rahampitso.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُۚ وَٱذۡكُر رَّبَّكَ إِذَا نَسِيتَ وَقُلۡ عَسَىٰٓ أَن يَهۡدِيَنِ رَبِّي لِأَقۡرَبَ مِنۡ هَٰذَا رَشَدٗا
Afa-tsy (ampiana teny) hoe : “Raha sitrak'Allah - Insha Allah!” Ary tsarovy ny Tomponao raha nanadino ianao ary mitenena hoe : “Angamba ny Tompoko hitari-dàlana ahy ho amin’izay akaiky ny marina kokoa noho izao.”
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَلَبِثُواْ فِي كَهۡفِهِمۡ ثَلَٰثَ مِاْئَةٖ سِنِينَ وَٱزۡدَادُواْ تِسۡعٗا
Ary nijanona tao anaty lava-batony izy ireo nandritran'ny telonjato taona ary niampy sivy taona.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
قُلِ ٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا لَبِثُواْۖ لَهُۥ غَيۡبُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ أَبۡصِرۡ بِهِۦ وَأَسۡمِعۡۚ مَا لَهُم مِّن دُونِهِۦ مِن وَلِيّٖ وَلَا يُشۡرِكُ فِي حُكۡمِهِۦٓ أَحَدٗا
Teneno (ry Mohamady) hoe : “Allah no tena mahafantatra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao”. Azy ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Tena Mahita sy Mandre tokoa Izy ! Tsy manana mpiahy na iray aza ankoatr'Azy (Allah) izy ireo ary tsy misy na iza na iza atambany Aminy amin’ny fiadidiany.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
وَٱتۡلُ مَآ أُوحِيَ إِلَيۡكَ مِن كِتَابِ رَبِّكَۖ لَا مُبَدِّلَ لِكَلِمَٰتِهِۦ وَلَن تَجِدَ مِن دُونِهِۦ مُلۡتَحَدٗا
Ary vakio (ry MohamadY) izay efa nambara taminao avy ao amin’ny Bokin’ny Tomponao. Tsy misy afaka hanova ireo Teniny. Ary tsy hahita fialofana mihitsy ankoatr'Azy ianao.
আৰবী তাফছীৰসমূহ:
 
অৰ্থানুবাদ ছুৰা: আল-কাহাফ
ছুৰাৰ তালিকা পৃষ্ঠা নং
 
আল-কোৰআনুল কাৰীমৰ অৰ্থানুবাদ - মালাগাছি অনুবাদ- মৰ্কজ ৰুওৱাদুত তাৰ্জামাহ - অনুবাদসমূহৰ সূচীপত্ৰ

অনুবাদ কৰিছে جمعية الدعوة بالربوة আৰু جمعية خدمة المحتوى الإسلامي باللغاتৰ সহযোগত মৰ্কজ ৰুৱাদুত তাৰ্জামাৰ অনুবাদক গোষ্ঠীয়ে।

বন্ধ